1 Nitoka gny rany tamireo zanaky gny paminany i Elisa paminany dra nanao taminazy ho: "Mekazoa ho anigny lia, dra andeso eo atagnanao ty botela masaiky misy dililo tihoky dra mandehana agny Ramota-Gileada. 2 Gny fa avy hanao, dra taliavo i Jeho zanadahin'i Josefata zanak'i Nemsy, dra midira vo apisangano eo amireo namany vo andeso ao agnaty efisy manoka izy. 3 Dra alao gny botela misy dililo vo araraho eo agnabonigny lohany dra zakao ho: 'Zao gny zakan'i Yaveh: "Fa nosorako ho pazaka eo amin'Israely hanao."' Boak'eo dra sokafo gny vatrangara, dra maenga; dra ka mihemosemosy." 4 Dra nandeha tagny Ramota-gileada, gny tovolahy, paminany. 5 Nony avy izy, indreo, nitoby gny kapiteninigny tafiky. Dra hoy gny paminany zatovo: "Ninday hafasy honao zaho, ry kapiteny." Jeho namaly ho: "Ho an'iza aminay zay?" Gny paminany zatovo namaly ho: "Honao, ry kapiteny." 6 Dra nisanga i Jeho dra nizoso tagny atragnony, dra nararakigny paminany zatovo teo agnabonigny lohany gny dililo dra hoy izy tamin'i Jeho: "Zao gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely: 'Fa nagnososy anao ho pazaka teo amigny olon'i Yaveh, teo amin'Israely Zaho. 7 Sy maisy vononao gny havan'i Ahaba toponao, ba hamaliako faty gny lion'ireo paminany panopoko, vo reo lion'ireo panopon'i Yaveh aby, ze nivononigny tagnan'i Jezebela. 8 Fa ho ringa gny fianakavian'i Ahaba manotolo, dra ho foagnako eo amin'i Ahaba gny zanadahiny aby, na gny andevo zay na gny olon'afaky. 9 Hataoko manahaky gny akohonan'i Jeroboama zanadahin'i Nebata vo manahaky gny akohonan'i Basa zanadahin'i Ahia gny akohonan'i Ahaba. 10 Reo amboa gny hihinan'an'i Jezebela ao Jezirela, dra sy hisy olo handevin'anazy."' Dra nisokafinigny paminany gny vatrangara vo nenga izy. 11 Dra Jeho niboaky teo amireo panoponigny topony, dra nisy raiky nanao taminazy ho: "Mandeha soa ra gny raha-aby? Nagnino gny nagno aminao igny olo marary say igny? Jeho namaly anereo ho: "Fatandrareo igny olon'igny dra fatandrareo ze raha zakany." 12 Hoy ereo: "Vandy zay. Zakao anay." Jeho namaly ho: "Zay sy zay gny nizakany taminahy, dra hoy koa izy ho: "Zao gny zakan'Yaveh: Fa nagnososy anao ho pazaka teo amin'Israely Zaho."' 13 Dra samby nangalaky malaky gny akazony ivelany ereo dra nametrak'anizay teo ambanin'i Jeho tegny amigny farany agnabonigny tohasy. Siniok'ereo gny tropetra dra hoy ereo ho: "Pazaka i Jeho." 14 Zay gny fomba nikomian'i Jeho zanadahin'i Josafata zanak'i Nimsy hanohisy an'i Jorama. dra Jorama pazaka fa niaro an'i Ramota-gileada, izy vo gny Israely aby, noho i Hazaela pazakan'i Syria, 15 kanefa nihery tagny Jezirela i Jorama pazaka ba ho sitrany amireo sary ze nataon'ireo Syriana anazy, gny fa nialy tamin'i Hazaela pazakan'i Asyria izy. Hoy i Jeho tamireo panopon'i Jorama: "Raha izay gny hevindrareo, dra ka anga hisy olo hienga vo hiboaky gny tana, ba hizaka zao vaovao zao agny Jezirela." 16 Dra nitikisy kalesa nagnagny Jezirela i Jeho; akory nangaka'ay tagny i Jorama. Dra nandeha nizoso ba hihao amin'i Jorama i Ahazia pazakan'i Joda. 17 Nisanga teo amigny tilikambon'i Jezirela gny pitily, dra hitany nagnato boaky lavisy reo nama'i Jeho; hoy izy: "Mahita andian'olo magnato zaho." Jorama nanao anizahoky ho: "Mangala pitikisy sovala raiky, dra alefaso ba hiseza anereo izy; Zakao izy ba hizaka ho: 'Avy ba hihava ra handrareo?"' 18 Dra nalefa ba hiseza anazy gny pitikisy sovala; dra hoy izy: "Zai gny zakanigny pazaka: 'Avy ba hihava ra handrareo?"' Dra hoy i Jeho: "Pifagnino moa hanao vo gny fihavana? Mihodigna dra magnaraha anahy." Dra nizaka tamigny pazaka gny pitily ho: "Nihao tamin'ereo gny pinday hafasy, kanefa sy niherin'izy." 19 Dra nandefa pitikisy sovala raiky faharo izy, ze nagnegny amin'ereo dra nanao anizahoky ho: "Zao gny zakanigny pazaka: 'Avy ba hihava ra handrareo?"' Jeho namaly ho: "Pifagnino moa hanao vo gny fihavana? Mivilia dra magnaraha anahy." 20 Nitatisy nadraiky gny pitily ho: "Nohao tamin'ereo izy, kanefa sy nihery. Fa gny lala ze nindesa kalesa gny lala nandehanan'i Jeho zanadahin'i Nesmy, dra nirifasy fatrasy izy." 21 Dra hoy i Jorama: "Homany gny Kalesiko." Dra nomanin'ereo gny kalesiny, dra samby nitikisy gny kalesiny aby, i Jorama pazakan'Israely vo i Ahazia pazakan'i Joda, da hihaon'amin'i Jeho. Hitan'ereo tao amigny tanan'i Nabota gny Jezirelita izy. 22 Gny fa hitan'i Jorama i Jeho, dra hoy izy: "Avy ba hihava ra handrareo, ry Jeho?" Izy namaly ho: "Ino gny fihavanan'eo, raha bo maro be koa gny fanopoa-sapy amigny asa fivarota-tegna vo gny oly rasin'i Jezebela reninao?" 23 Dra navilin'i Jorama gny kalesany vo nenga izy dra nizaka tamin'i Ahazia ho: "Misy fitaky, ry Ahazia." 24 Dra nezagnin'i Jeho tamigny heriny aby gny sipiky dra nitifiriny teo agnelagnelanigny sorok'i Jorama; nisatoky teo amigny fony gny zana-sipiky, dra nezera aboak'eo amigny kalesy izy. 25 Dra hoy i Jeho tamin'i Bidkara kapiteniny: "Alao izy dra ario ao amigny sahan'i Nabota gny Jezirelita. Sarovy tamy zaho vo hanao niaraky ninday kalesy nagnaraky an'i Ahaba rany, dra nametraky anizay faminania zay hamelezan'anazy i Yaveh: 26 Yaveh nitalily ho__'Nahita gny lion'i Nabota vo gny lion'ireo zanadahiny Zaho omaly__dra hapanohisy anao anizay eto amity saka tihoky tokoa Zaho__hoy i Yaveh. Ko Amizao, alaviro izy dra ario eo amin'io saka io, araky gny zakan'i Yaveh." 27 Gny fa nahita anizay i Ahazia pazakan'i Joda, dra nienga niakasy tagny amigny lala magnagny Beta Hagana izy. Fa i Jeho nagnorik'anazy, dra nanao anizahoky ho: "Vonoy eo amigny kalesy avo koa izy," dra nitifirin'ereo teo amigny fakara ho agny Gora, ze eo agnilan'i Jibleama izy. Nienga tagny Megido i Ahazia dra maty tagny. 28 Nandesin'ireo panopony tamigny kalesy nagnagny Jerosalema gny fatiny dra naleviny tao amigny lolo nindray tamireo razambeny tao atanan'i Davida izy. 29 Dra tamigny faharaikambiny folo tao nazakan'i Jorama zanadahin'i Ahaba gny nanomboky nazaka teo amin'i Joda i Ahazia. 30 gny fa avy tao Jezirela i Jeho, dra ren'i Jezebela zay, dra nandoko gny masony, vo nibango gny volony, dra niteza teo am-batrangarakely izy. 31 Raha nilisy gny vavahady i Jeho, dra hoy izy taminazy ho: "Avy ba hihava ra handrareo, ry Zimry, pamono gny toponao?" 32 Niandradra tegny am-batrangarakely i Jeho dra hoy izy: "Iza gny miandany Aminahy? Iza? Boak'eo dra nisy tandapa ro na telo nitalaky. 33 Ko dra hoy i Jeho: "Alasaho izy." Dra nalasak'ereo i Jezebela, dra gny ilany tamigny liony nipirisy tegny amigny rindry vo reo sovala, dra nosihosen'i Jeho tamigny tombony izy. 34 Gny fa nilisy tao amigny lapa i Jeho, dra nihina vo nino rano izy. Dra hoy izy: "Atio amizay gny apela voahozo dra angao izy, fa zanak'apelan'i pazaka izy." 35 Naandeha nandevin'anazy ereo, kanefa sy nahita afa-sy harandoha, vo tomboky, dra gny lelatagnan'ereo. 36 Dra niherin'ereo dra nizaka tamin'i Jeho. Hoy izy: "Zao gny zakan'i Yaveh ze nizakany tamigny alalan'i Elia gny Tisibita panopony, manao anizahoky ho: 'Ao amigny tany ao Jezirela gny hihinanan'ireo amboa gny nofon'i Jezebela, 37 dra gny fatin'i jezebela dra hanahaky gny zeziky eo amigny velaranigny saka eo amigny tany ao Jezirela, ba sy hisy olo afaky hizaka ho: "Jezebela io.""'