1 Dra nana taranaky fitopolo tagny Samaria i Ahaba. Nanorasy taratasy i Jeho dra nandefa anizay tagny Samaria, ho an'ireo panapaky an'i Jezirela, tao agnatin'izay reo loholo vo reo piamby gny taranak'i Ahaba, nizaka ho: 2 "Eo amindrareo reo taranaky gny topondrareo, dra mana kalesa vo sovala dra tana voaaro vo akazo ferovan'avo koa handrareo. Noho zay, raha vo avy eo amindrareo ty taratasy tihoky, 3 dra safilio ze soa vo mendriky indrindra amireo taranaky gny topondrareo dra apetraho ho eo amigny seza fiandrianan-drany izy, dra mialia ho anigny fianakavianigny pazaka toponao." 4 Fa nihorohoro ereo dra nifapizaka ho: "Ingo, pazaka ro aza sy nahazoa teo agnatrehan'i Joho. Ko nagnino moa gny hahazanognasika?" 5 Boak'eo gny lelahy ze misaha gny lapa, vo gny loholo nanapaky gny tana, vo reo loholo avo koa, dra reo ze niteza reo zaza, dra nandefa zaka nihery tagny amin'i Jeho, nizaka ho: "Panoponao zahay. Hataonay ze handidianao anay aby, sy hametraky olo ho pazaka zahay. Atovy ze fatasao fa mety eo amasonao 6 Dra nanorasy taratasy fagnindrony ho anereo i Jeho, nizaka ho: "Raha miandany aminahy handrareo,dra raha miteno gny feoko handrareo, dra sy maisy tapahindrareo gny lohan'ireo lelahy taranaky gny topondrareo, dra mandehana aminahy a Jezirela atiky gny maraindray amigny ora manahaky anizao."Amizao reo taranaky gny pazaka, miisa fitopolo, dra nindray tamireo lelahy manan-daza teo atana, ze niteza anereo. 7 Dra gny fa avy teo amin'ereo gny taratasy,dra nalany reo zanadahiny gny pazaka dra nivonony, olo fitopolo, natao tao agnaty taty gny lohan'ereo, dra nalefany tagny amin'i Jeho tagny Jezirela reo. 8 Nisy pinday hafasy avy teo amin'i Jrho, nizaka ho: "Fa ninday gny lohan'ireo zanadahiny gny pazaka ereo." Dra hoy izy: "Atovy atotan-draha ro ho eo amigny vavahady fidiran'ereo mandra-maray." 9 Gny maraindray i Jeho dra niboaky vo nisanga, dra nizaka tamigny vahoak'aby ho: "Sy mana-signy handrareo. Ingo, nikomy tamigny topoko zaho dra namono anazy, fa izao gny namono anitahoky aby? 10 Amizao dra tokony ho sapandrareo tokoa fa sy nisy taminigny zakan'i Yaveh, gny zaka ze nizakany mahakasiky gny fianakavian'i Ahaba, hiraraky amigny tany, akory Yaveh gny nanao araky ze nizakany tamigny alalan'i Elia panopony." 11 Dra nivonon'i Jeho ze sisa tavela atmigny fianakavian'i Ahaba tagny Jezirela, vo reo lelahy manan-daza, reo namany mariny anazy, reo pisorony, mandra-pahalany tamingan'anereo. 12 Boak'eo dra nisanga i Jeho dra nandeha; nagnagny Samaria izy. Dra raha vo avy tao Bet-ekedanigny piarak'agnondry izy, 13 dra nifanena tamireo rahalahin'i Ahazia pazakan'i Joda. Hoy i Jeho tamin'ereo: "Iza handrareo?" Namaly ereo ho: "Rahalahin'i Ahazia zahay, dra hizoso ba hiarahaba reo zanaky gny pazaka vo reo zanak'i Jezebela pazakavavy zahay." 14 Hoy i Jeho tamireo lelahy: "Atovy sambo-belon'ereo." Dra nataon'ereo sambo-belo ereo dra nivonony tagny amigny lavaky famorian-dranon'i Bet-ekda, reo ro amby efapolo lahy. Sy nisy nangany ho velon'ereo. 15 Gny fa niala teo i Jeho, dra nifanena tamin'i Jonadaba zanadahin'i Rekaba dra nagnaton'anazy. Niarahaba anazy i Jeho dra nizaka taminazy ho: "Miaraky aminahy ra gny fonao, manahaky gny foko ze miarak'amigny anao?" Namaly i Jonadaba ho: "Zay tokoa." Hoy i Jeho : "Raha izay tokoa gny izy, dra atolory anahy gny tagnanao." Dra natolos'i Jonadaba anazy gny tagnany, dra napekarin'i Jeho nindray taninazy teo amigny kalesiny i Jonadaba. 16 Hoy i Jeho " Miaraha aminahy dra atio gny zoto-poko ho an'i Yaveh." Dra nindray nandeha taminazy tao amigny kalesiny i Jonadaba. 17 Raha avy tagny Samaria izy, dra nivonon'i Jeho avokoa gny taranak'i Ahaba ze sisa tavela tagny Samaria, mandrapandringanany gny fianakavian'i Ahaba pazaka, araky ze fa nizaka tamin'ereo tagny aloha tamigny alalanigny zakan'i Yaveh, ze nizakany tamin'i Elia. 18 Dra napivory gny olon'aby i Jeho dra nizaka tamin'ereo ho: "Ahaba dra nanopo an'i Bala kelikely avo, fa i Jeho koa hanopo anazy fatrasy. 19 Amizao dra tokavo ho eto aminahy reo paminan'i Bala aby, vo reo panopo anazy aby, dra reo pisorony aby. Aoky sy hisy tavela, akory mana fagnatisy lahibe hatolosy ho an'i Bala zaho. Ze sy avy dra sy ho velo." Fa nataon'i Jeho zay ba ho famitaha, tamigny fikasany hamono reo panopon'i Bala. 20 Hoy i Jeho: "Manokana fotoa raiky ba hanova fivoria ho an'i Bala." Dra nitalilin'ereo zay. 21 Dra nagniraky maneran'an'iIsraely aby vo reo panopo an'i Bala aby i Jeho, ba sy hisy olo tavela dra sy avy. Avy tao amigny tepolin'i Bala ereo, dra feno na hatreza na hatreza. 22 Nizaka tamigny lelahy pitahiry gny akazonigny pisoro i Jeho ho: "Mamoaha akazo ho an'ireo pisoron'i Bala aby." Dra namoaky akazo honazy reo gny lelahy. 23 Dra lasa nindray tamin'i Jonadaba zanadahin'i Rekaba ho ao atragnon'i Bala i Jeho, dra hoy izy tamireo panopon'i Bala: "Atio, dra atovy azo atoky fa sy hisy boak'amigny panopon'i Yaveh gny raiky amindrareo eto, fa panopon'i Bala avo." Dra nandeha nanolosy soro vo fagnatisy oroa ereo. Dra nifily lelahy valopolo hisangan'eo ivelany i Jeho, dra hoy izy tamin'ereo: "Raha misy tafenga amireo lelahy ze andesiko eo atagnandrareo, na iza naiza mamela anizay olo zay haenga, dra halan'aminazy gny ainy ho solonigny tafenga." 25 Dra vatany vo vitan'i Jeho gny fanolora gny fagnatisy oroa, dra hoy izy tamigny piamby vo reo kapiteny: "Midira dra vonoy ereo. Ka anga hisy ho tafaboaky." 26 Dra nivonon'ereo tamigny lela-mesa reo, dra gny piamby vo reo kapiteny nagnary anereo tagny ivelany dra nilisy tao agnefisy agnatinigny tragnon'i Bala. Nitarihin'ereo niboaky gny nandigny vato tao atragnon'i Bala, dra noroan'ereo zay. 27 Boak'eo dra narodan'ereo gny andrian'i bala, dra niravany gny tragnon'i Bala dra nataony tragno fiboaha, dra mandrak'amizao zay. 28 Manahaky anizay gny nandravan'i Jeho gny fanopoa an'i Bala tagny Israely. 29 Kanefa sy nagnenga reo fahotan'i Jeroboama zanadahin'i Nebata i Jeho, ze napagnotany gny Israely_ze fanopoa gny agnombilahy kely volamena tagny Betela vo Dana. 30 Dra hoy i Yaveh tamin'i Jeho ho: "Akory hanao nanao soa tamigny fanatateraha ze mary teo amasoko, dra nanao gny akohonan'i Ahaba araky ze tato apoko aby, reo taranakao dra hitoby eo amigny seza fiandrianan'Israely hatramigny taranaky fahaefasy." 31 Fa sy niraraha ze handeha amigny lalan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, tamigny fony manotolo i Jeho. Sy niala tamigny fahotan'i Jeroboama izy, ze napagnotany gny Israely. 32 Tamireo andro reo i Yaveh gny nanomboky nametra gny faris'Israely, dra i Hazaela nandresy reo Israelita tegny amigny sisi-taninigny Israely, 33 hatragny Jordana gny ho magnasignana, gny tanin'i Gileada aby, gny Gadita, dra gny Robenita, vo gny Manasita, boak'agny Aroera, ze avy eo amigny lohasakan'i Arnona, hatragny Gileada dra hatragny Basana. 34 Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Jeho, vo ze nataony aby, vo gny fahefany aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazakan'Israely ra zay? 35 Nimaty niaraky tamireo razambeny i Jeho, dra nangan'ereo tagny Samaria izy. Dra i Joahaza zanany lahy gny lasa pazaka nandimby anazy. 36 Valo amby ropolo tao gny fotoa nazakan'i Jeho teo amin'Israely tagny Samaria.