1 Nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty gny zanany, dra nisanga izy dra namono gny zanaky gny pazaka aby. 2 Nefa i Joseba, zanakapelan'i Jehorama pazaka vo anabavin'i Ahazia, dra nangalaky an'i Joasy zanak'i Ahazia, dra nagnavony anazy lavisy teo amireo zanaky gny pazaka ze nivono, miaraky amigny piteza anazy; nataony tao amigny efitragno fandrian'ereo. 3 Navonin'ereo an'i Atalia izy va sy hovona. Nindray tamin'i Joseba izy, navony tao atragnon'i Yaveh, nandrisy gny eny tao, raha bo nazaka teo amigny tany i Atalia. 4 Dra tamigny tao fahafito, dra nandefa hafasy vo ninday reo pifehy gny Karita vo gny piambin'azatony i Joiada, dra ninday anereo ho anazy, tao atepolin'i Yaveh. Dra nanao fagneke tamin'ereo izy, dra nasainy nanao voady tao atragnon'i Yaveh ereo. Boak'eo dra nasehony anereo gny zanaky gny pazaka. 5 Nibaiko anereo izy, nanao anizahoky ho: "Iza gny sy maisy ataondrareo. Gny telo amireo ze avy amigny andro Sabata dra hiamby gny tragnonigny pazaka, 6 dra gny telo ho ao amigny Vavahadigny Soro, dra gny telo ao ambavahady ao afaranigny tragno fembena." 7 Reo vondro ro hafa ze sy manopo amigny andro Sabata, dra sy maisy miamby gny tragnon'i Yaveh ho anigny pazaka handrareo. 8 Tokony mihodidy gny pazaka handrareo, dra gny olon'aby miarak'amigny fitova-pelia egny atagnany. Na iza naiza milisy eo andaharandrareo, dra aoky hovono izy. Sy maisy hagnaraky gny pazaka handrareo aby miboaky, vo gny fa milisy izy. 9 Dra reo pifehy azatony dra nakato gny raha aby ze nandidian'i Joiada pisoro. Samby nangalaky gny olony gny sirairay, reo ze nilisy ba hanopo tamigny Sabata, vo reo ze hisahasy hanopo tamigny Sabata; dra nandeha tagny amin'i Joiada pisoro ereo, 10 Dra namen'i Joiada pisoro gny pifehy azatony gny lefo vo gny apinga ze an'i Davida pazaka vo ze tao atragnon'i Yaveh. 11 Dra nisanga reo piamby, gny olo sirairay miaraky amigny fitova-pialia egny atagnany, teo akavananigny tepoly hatragny akavia, agnilanigny alitara vo gny tepoly, miodidy gny pazaka. 12 Dra nandesin'i Joiada niboky i Joasy zanaky gny pazaka, nametrahany satro-boninahisy, dra nagnome anazy gny didy fagneke. Dra nataony pazaka vo nalan'ereo izy. Nitehaky ereo dra nizaka ho: "Ho ela velon'anie gny pazaka!" 13 Gny fa ren'i Atalia gny tabataban'ireo piamby vo gny olo, dra nagnao amigny olo tao atragnon'i Yaveh izy. 14 Nagnety izy, dra ingo, gny pazaka nisanga teo agnilanigny sangam-bato, araky gny fanao, dra reo kapiteny vo reo pisioky tropetra dra teo agnilanigny pazaka. Dra gny olon'aby teo amigny tany dra nifaly vo nisioky tropetra. Dra naniasy gny akazony i Atalia dra nkioky fatrasy ho: "Pamadiky! Pamadiky!" 15 Boak'eo i Joiada pisoro nandidy reo pifehy azatony ze teo amigny tafiky, nanao anizahoky ho: "Aboaho eo andahara izy. Na iza na iza magnarak'anazy, dra vonoy amigny mesa izy." Fa gny pisoro nizaka ho: "Ka anga hovono ao atragnon'i Yaveh izy." 16 Dra nisambosy anereo raha avy teo amigny toera ze fidiranigny sovala ao akiazanigny lapa izy, dra teo gny namonoan'anazy. 17 Dra nanao fagneke teo amin'i Yaveh vo gny pazaka dra gny vahoaky i Joiada, dra teo amigny pazaka vo gny olon'avo koa, ba ho olon'i Yaveh ereo. 18 Dra gny olon'aby teo amigny tany nagnagny amigny tragnon'i Bala dra nanola anizay. Namotipotiky reo alitaran'i Bala vo gny sapiny vosokitra ereo, dra namono an'i Matana, gny pisoron'i Bala teo anoloan'ireo alitara ereo. Dra Joiada pisoro nanendry reo piamby hifehy gny tepolin'i Yaveh. 19 Nandesin'i Joiada nagnarak'anizay gny pifehy azatony, reo karita, gny piamby, dra gny olon'aby teo amigny tany, dra nindray naday gny pazaka nizoso boak'agny atragnon'i Yaveh ereo, dra nilisy tao atragnonigny pazaka, milisy amigny lalan'eo ambavahadin'ereo piamby. Nangalaky gny toerany teo amigny seza fiandriananigny pazaka i Joasy. 20 Dra nifaly gny olon'aby teo amigny tany, dra nilamy gny tana tafaranigny namonoan'an'i Atalia tamigny mesa tao atragnonigny pazaka. 21 Fito tao i Joasy gny nanomboky nazaka.