1 Taminigny fahafito tao nazakan'i Jeho, gny nanomboky gny fazakan'i Joasy; nazaka nandrisy gny efapolo tao tao Jerosalema izy. Zibia gny agnaran-dreniny, boak'agny Beri-sheba. 2 Nanao ze mary teo amason'i Yaveh i Joasy tamigny fotoan'aby, akory napianasy anazy i Joiada pisoro. Kanefa reo toera abo sy nirava. 3 Bo nanao soro vo nagnoro liti-kazo magnisy teo amireo toera abo avo gny vahoaky. 4 Hoy i Joasy tamireo pisoro ho: "Gny vola aby ze nandesy ho fagnatisy masy tao atragnon'i Yaveh, dra gny vola ze nitomboanigny olo sirairay__na gny vola navory tamigny fagnisam-bahoaky zay, na gny vola azo tamigny voady manoka, na gny vola nandesinigny olo tamigny fandrisihan'i Yaveh tao apon'ereo ba hagnome__ 5 dra tokony ho resin'ireo pisoro gny vola dra hamboasy ze fahavoaza hita tao atepoly." 6 Fa tamigny fahatelo amby ropolo tao nazakan'i Joasy pazaka, dra sy namboasy na ino na ino tao atepoly reo pisoro. 7 Dra nitoka an'i Joiada pisoro vo reo pisoro hafa i Joasy pazaka; hoy izy tamin'ereo ho: "Nagnino handrareo gny sy namboasy na ino na ino tao atepoly? Amizao ka mangalaky vola amigny pandoahetra sasy, fa reso ze fa voavory ba hamboara gny tepoly dra omeo an'ireo ze afaky manao gny famboaran'anizay." 8 Noho zay dra nagneky sy hitaky vola amigny vahoaky vo sy hamboasy gny tepoly sasy reo pisoro. 9 Fa koa, nangalaky vata raiky i Joiada pisoro, nandoaky gny akazony, dra nametraky anizay teo agnilanigny alitara, teo akavananigny fidiran'ao amigny tragnon'i Yaveh. Reo pisoro ze nandigny gny fidiran'ao atepoly dra nametraky gny vola aby ze nandesiny ho ao atragnon'i Yaveh tao amizay. 10 Isaky gny hitan'ereo fa be vola tao agnatinigny vata, dra avy gny panora-dalanigny pazaka vo gny pisorom-be dra nametraky gny vola tao agnaty kitapo dra magnisa anizay boak'eo, gny vola hita tao atepolin'i Yaveh. 11 Natolos'ereo teo atagnan'ireo lelahy ze nikarakara gny tepolin'i Yaveh gny vola ze voalaza. Namen'ereo an'ireo pandrafisy vo reo pamboasy ze niasa tao atepolin'i Yaveh zay. 12 dra ho an'ireo panao tragno vo reo pazera vato, ba hiviliana hazo vo vato voazera ba hamboara gny tepolin'i Yaveh, vo ho anigny raha aby ze taliavy vily hamboaran'anizay. 13 Fa gny vola nandesy tao atragnon'i Yaveh dra sy nagnomeza hiviliana apendra volafosy, asy, koveta, tropetra, na fanaky volafosy na volamena ho anizay. 14 Namen'ereo an'ireo ze nanao gny asa fagnamboara gny tragnon'i Yaveh ze vola zay. 15 Fagnapin'izay, sy nangataky gny vola name hanova fagnamboara ba ho isan'ireo lelahy ze nandray anizay ereo dra nagnome anizay ho an'ireo piasa, akory mary reo lelahy reo. 16 Fa gny vola ho anigny fagnatisy nohonigny heloky vo gny fagnatisy nohonigny ota dra sy nandesy tao atepolin'i Yaveh, akory an'ireo pisoron'anizay. 17 Dra nanafiky vo nialy tamin'i Gata i Hazaela pazakan'i Syria, dra nahazo anizay. Boak'eo dra nitoliky hanafiky an'i Jerosalema i Hazaela. 18 Nalan'i Joasy pazakan'i Joda gny raha aby ze natokan'i Josafata vo Jehorama dra Ahazia, reo razambeny, reo pazakan'i Joda, vo reo volamena hita tao amigny efisy fitehiriza tao atragnon'i Yaveh vo gny pazaka dra nandefa reo tany amin'i Hazaela pazakan'i Syria. Dra lasa niala tao Jerosalema i Hazaela. 19 Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Joasy, ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 20 Nisanga reo panopony dra nindray nanao tetiky; nitafihin'ereo tagny Beti-milo i Joasy, agny amigny lala miziso magnagny Sila. 21 Nitafihin'i Jozakara zanadahin'i Simata, vo Jozababa zanadahin'i Somera, panopony izy, dra maty. Nangan'ereo nindray tamin'ireo razambeny tao amigny tanan'i Davida i Joasy, dra Amazia, zanadahiny, gny lasa pazaka teo amigny toerany.