Toko faha 13

1 Tamigny taona fahatelo amby ropolo naha-pazakan'i Joda an'i Joasy zanaky lahin'i Ahazia, gny nanomboky nazaka teo amin'Israely tagny Samaria i Joahaza; fito ambin'ny folo taona izy gny nazaka. 2 Nanao izay rasy teo amason'i Yaveh izy dra nagnoriky ireo fahotan'i Jeroboama zanaky lahin'i Nebata, izay nahavy an'Israely hanota; dra sy niala tamin'izay i Joahaz. 3 Nieriserisy tamin'Israely gny fahatezeran'i Yaveh, dra nagnome anazy ireo tegny atanan'i Hazaela pazakan'i Syria hatragny izy dra tegny atanan'i Beni-hadada zanaky lahin'i Hazaela. 4 Dra niangavy an'i Yaveh i Joahaza, dra niteno anazy izy satria hitany gny fapahoriana gny Israely, gny fomba napahorian'ny pazakan'i Syria anazy ireo. 5 Dra namen'i Yaveh pamozy gny Isarely, dra nisoaky avy tamigny tagnan'ireo Syriana izy ireo, dra gny zanak'Israely nanomboky nitoetra tagny amin'ireo fonenany arak'izay nanagnan'izay ireo tagny aloha. 6 Na izay aza anefa, dra sy niala tamin'ireo fahotanigny akohonan'i Jeroboama ereo, ze nahavy gny Israely hanota, dra nanohy anizay ereo, dra gny baon'Aseraha nizano tagny Samaria. 7 Dra nagnenga an'i Joahaza reo Syriana nindray tamigny pitikisy sovala dimapolo, kalesa folo, dra miaramila atomboky hariva raik'avo, fa gny pazakan'i Syria fa nandrava anereo, dra nanao anereo manahaky gny lila amigny fotoa fagnahafa vary. 8 Raha gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Joahaza, vo ze nataony aby dra gny fahefany, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'Israely ra zay? 9 Dra nimaty tagny amireo razany i Joahaza, dra nandevin'anazy tagny Samaria ereo. Dra i Joasy zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany. 10 Tamigny tao fahafito amby telopolo naha-pazakan'i Joda an'i Joasy, gny fazakan'i Joasy zanadahin'i Joahaza dra nanomboky teo amin'Israely tagny Samaria, enina ambiny folo tao gny nazakany. Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. 11 Sy bo niala tamireo fahotan'i Jeroboama zanadahin'i Nebata izy, zay napahavy an'Israely hanota, saingy tagny amiregny gny nandehanany. 12 Raha gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Joasy, vo ze nataony aby, dra gny heriny tamizay niandiany tamin'i Amazia pazakan'i Joda, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Israely ra zay? 13 Dra nimaty tagny amireo razambeny i Joasy, dra i Jeroboama gny nipetraky teo amigny seza fiandrianany. Dra nalevy niaraky tamireo pazaka tagny Samaria i Joasy. 14 Dra narary nohonigny arety raiky ze nahafaty anazy i Elisa taty afara, dra nizoso tagny aminazy i Joasy pazakan'Israely dra nitomagny teo aminazy. Hoy izy ho: "Ry rako, ry rako, reo kalesanigny Isrealy vo gny pitikisy sovala gny mangalak'anao!" 15 Dra hoy i Elisa taminazy: "Mangala sipiky dra zana-sipiky maromaro" dra nangalaky sipiky vo zana-sipiky maromaro i Joasy. 16 Hoy i Elisa tamigny pazakan'Israely ho: "Atovy eo amigny sipiky gny tagnanao," dra nataony teo amizay gny tagnany. Boak'eo napetrak'i Elisa teo amigny tagnany pazaka gny tagnany. 17 Hoy i Elisa ho: "Sokafo magnasignana gny vatrangarakely." Dra nisokafiny zay. Dra hoy i Elisa ho: "Tifiro", dra nitifisy izy. Dra hoy i Elisa: "Zay gny zana-sipi- pandresen'i Yaveh, zana-sipi-pandresen'i Yaveh teo amin'i Syria, fa hanafiky reo Syriana agny Afeka hanao mandra-pahalevonao anereo." 18 Dra hoy i Elisa ho: "Reso reo zana-sipiky," dra niraisin'i Joasy reo. Dra hoy izy tamigny pazakan'Israely ho: "Zerao amiregny gny tany," dra nazera gny tany itelo izy, dra nizano boak'eo. 19 Saingy ory taminazy gny lelahin'Agnahary dra nanao anizahoky ho: "Tokony indimy na ineny gny namelezanao gny tany. Boak'eo dra tokony nanafiky an'i Syria hanao mandrapaharinganao zay, nefa amizao itelo avo hanao gny hanafiky an'i Syria." 20 Boak'eo dra maty i Elisa, dra nandevin'anazy ereo. Dra nisy andia Moabita nanafiky gny tany tamigny fiatombohany gny tao. 21 Raha nandevy gny lelahy ereo, dra nahita andia Moabita raiky izy, dra nagnary gny vata tao an-dolon'i Elisa. Raha vatany vo nahakasiky gny tolan'i Elisa gny vata mangasiakigny lelahy, dra velo ndraiky izy dra nisanga. 22 Napahory reo Israely tamigny andron'i Joahaza paza aby i Hazaela pazakan'i Syria. 23 Nefa namindra fo gny Israely i Yaveh, dra nangoraky anazy reo dra nihasy anereo, nohonigny fagneke-pihavana nataony tamin'i Abrahama, Isaka, dra i Jokoba. Dra sy nandringan'anereo i Yaveh, dra bo sy nandroaky anereo atmigny fagnatrehany Izy. 24 Maty i Hazaela pazakan'i Syria, dra i Beni-hadada zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany. 25 Nagnery reo tana ze nala tam'i Joahaza rany tamigny aly tamin'i Beni-hadada zanak'i hazaela i Joasy zanak'i Hazaela. Itelo i Joasy gny nanafiky anizay, dra nangalaky reo gny tanan'Israely reo nadraiky izy.