1 Tamy faharo tao naha-pazaka an'i Joasy zana-dahin'i Joahaza, pazakan'i I sraely, dra nanomboky nazaka i Joasy, pazakan'i Joda. 2 Dimy amby ropolo tao izy gny nanomboky nazaka; nazaka sivy amby ropolo tao teo Jerosalema izy. Gnagnarany reniny dra i Joadana, avy agny Jerosalema. 3 Nanao izy mary teo amason'i Yaveh izy, fa sy manahaky an'i Davida babany. Izy dra nanao gny raha aby izy nataon'i Joasy, babany. 4 Saiky sy honalasitagny ereo toera agnabo. Nanohy nanao soro sy nagnoro ditin-kazo manitra zaka amin'ereo toera agnabo ereo gny olo. 5 Dra raha vatany agnabo tafapetraky soa gny fitondrany, dra nivono ereo mpanompo ze namono gny babany, dra gny pazaka. 6 Fa bo sy vononony gny zanak'ereo mpamono olo, fa nanao araky gny voasorasy tao amy lala, tao amy. Gny Bokin'i Mosesy koa izy, araky gny fa nandidian'i Yaveh, nanao ho: '' sy tokony ho vono nohon'ny fahoton'ereo zanany ereo dra, na hovono nahony fahotan'ereo ray aman-dreny ereo zanany. Fa gny olo kiraikiraiky koa dra tokony hovono nohon'ny fahotany manoka.'' 7 Netono miaramila Edomita hariva raiky izy tao amin'ny lohasan-sira izy; nalany tagny agnaly koa i Sela, dra tonoka ho: Joktela, zay gny fitokava-nanazy disiky amizao. Dra nandefa mpinday hafasy hognany amin'iJoasy zana-dahin'i Joahaza, zana-dahin'i Jeho, mpazakan'Israely i Amazia nanao ho: ''Avia, mandao sika hifanandrina agny agnaly.'' 9 Saiky Joasy mpazakan'Israely dra nandefa mpinday hafasy hihery tany amin'i Amazia mpazakan'i Joda, nanao ho:''Gny silo zay tagny Libanona dra nampanday hafasy hognany sedera tao Libanona, nanao ho: 'Ameo ho valin'ny zanako lelahy gny zanako ampela,' saiky nisy bibi-dia nandriosy dra nagnisaky gny silo. 10 Fa nanafiky an'i Edoma tokoa hanao, fa nanandrasy anao gny fonao. Mirehareha amin'ny fandresenao, saiky mizano ao atragno, fa nanao akory hanao gny tokony hagnakoroya sy handavo gny vatanao, dra hanao sy i Joda niaraky taminao?'' 11 Fa sy niteno i Amazia. dra nanafiky i Joasy mpazakan'Israely dra nifakatri-tarehy tao Bety-semesy izy sy Amazia, mpazakan' Joda, ze an'i Joda. 12 Resin'Israely i Joda, dra nienga noly gny lelahy aby. 13 Nisamborin'i Joasy mpazakan'Israely tao Beti- semesy i Amazia mpazakan'i Joda zanak'i Joasy zana-dahin'i Ahazia. Avy tao Jerosalema izy dra nandroda gny ridry nanomboky teo amy vavahadin'i Efraima disiky amy vavahady Zorony, efazato hakiho gny halavirany. 14 Nalany avokoa gny volamena sy gny volafosy aby, Ereo aby hita tao an-tragnon'i Yaveh, sy ereo raha manan-daza aby tao amy lapany npazaka, niaraky, tamin'ereo takalon'ignay koa, dra nihery tagny Samaria izy. 15 Raha gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Joasy, ze nataony aby, gny fahefany, dra gny fomba nialiany tamin'i Amazia pazakan'i Joda, moa sy fa voasorasy ao agnatiny gny bokinigny tataran'ireo pazakan'Israely ra zay? 16 Dra nimaty nindray tamireo razambeny i Joasy dra nalevy tagny Samaria nindray tamireo pazakan'Israely, dra Jeroboama, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby anazy. 17 Amazia zanak'i Joasy, pazakan'i Joda, dra niay diny ambiny folo tao tafaranigny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahaza, pazakan'Israely. 18 Raha gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Amazia, moa sy fa voasorasy ao agnatinigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 19 Nanao tetiky hanohera an'i Amazia tao Jerosalema ereo, dra nienga tagny Lakisy izy. Nienga tagny Lakisy izy, saiky nandefa lelahy hagnarak'anazy tagny Lakisy ereo dra nameno anazy tagny. 20 Nandesin'ereo nihery tamigny sovala izy, dra nalevy nindray tamireo razambeny tao amigny tanan'i Davida. 21 Gny vahoak'i Joda aby dra nangalaky an'i Azaria, ze enina ambiny folo tao, dra nanao anazy ho pazaka teo amigny toeran'i Amazia rany. 22 Azaria gny nagnory ndraiky an'i Elota dra nagnery anizay tao Joda, dra nimaty nindray tamireo razambeny i Amazia. 23 Tamigny fahadimy ambiny folo tao naha-pazaka an'i Amazia, zanadahin'i Joasy pazakan'i Joda, gny nanombohan'i Jeroboama zanadahin'i Joasy pazakan'i Israely nazaka tao Samaria; nazaka nandrisy gny raiky ambiny Samaria; nazaka nandrisy gny raiky amby efapolo tao izy. 24 Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. Sy niala tamireo fahota nataon'i Jeroboama zanadahin'i Nebata izy, ze nahavy gny Israely hanota. 25 Nagnery gny sisi-tanin'Israely nanomboky teo Lebo Hamata hatragny amigny Ranomasinigny Araba izy araky gny zakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, ze fa nizakany tamin'i Jona panopony zanak'i Amitahy, gny paminany, boak'agny Gata-hefera. 26 Fa hitan'i Yaveh gny fizalian'Israely, ze tena naharary tamigny sirairay, na gny andevo na gny afaky, dra sy nisy pagnavosy gny Israely. 27 Dra nizaka i Yaveh fa sy hanola gny agnaran'Israely eo amigny ambany lagnisy Izy, fa nivozeny tamigny alalanigny tagnan'i Jeroboama zanak'i Joasy koa ereo. 28 Raha gny amireo raha hafa mahakasiky an'i Jeroboama, reo ze natao aby, gny fahefany, gny nialiany vo nagneregnany an'i Damaskosy vo Hamata, ze an'i Joda, ho an'Israely, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'Israely ra zay? 29 Nimaty nindray tamireo razambeny i Jeroboama, nindray tamireo pazakan'Israely, dra i Zakaria zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany.