1 Tamigny tao fahafito amby ropolo nazakan'i Jeroboama pazakan'Israely, gny nanomboky nazaka i Azaria zanak'i Amazia pazakan'i Joda. 2 Enina ambiny folo tao i Azaria gny nanomboky nazaka dra nazaka tao Jerosalema nandrisy gny ro amby dimapolo tao izy. Jekolia gny agnaran-dreniny, dra boak'agny Jerosalema izy. 3 Nanao marina teo amason'i Yaveh izy, araky ze nataon'i Amazia rany. 4 Na dre zay aza dra sy ba nala reo toeran'abo. Bo nanao soro vo nagnoro liti-kazo magnisy teo amireo toeran'abo avo gny olo. 5 Napahory gny pazaka i Yaveh dra boka hatramigny andro nahafatesany izy dra nitoby tao amina tragno mizara-toera. Jotama, zanadahinigny pazaka, gny lohanigny akohona dra nanapaky teo amigny vahoaky tao amigny tany. 6 Dra gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Azaria, vo ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokiny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 7 Dra nimaty nindray tamireo razambeny i Azaria, nalevin'ereo tagny amigny tanan'i Davida nindray tamireo razambeny izy. I Jotama, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny toerany. 8 Tamigny fahavalo amby telopolo tao nazakan'i Azaria pazakan'i Joda, dra i Zakaria zanak'i Jeroboama gny nazaka teo amin'Israely tagny Samaria nandrisy gny enim-bola. 9 Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh izy, manahaky gny nataon'ireo razany. Sy niala tamigny fahotan;i Jeroboama zanak'i Nebata, ze nahavy gny Israely nanota izy. 10 Nikonokono hanohisy an'i Zakaria i Saloma zanak'i Jabesy, nanafiky anazy tagny Ibleama, dra namono anazy. Dra lasa pazaka nandimby gny toerany izy. 11 Gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Zakaria, dra voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'Israely reo. 12 Zao gny zakan'i Yaveh ze zinakany tamin'i Jeho, manao ho: "Hipetraky eo amigny seza fiandriananIsraely hatramigny taranaky fahaefasy mandimby gny taranakao." DRa nitranga zay. 13 Nanomboky nazaka i Saloma zanak'i Jabesy tamigny fahasivy amby telopolo tao nazakan'i Azaria pazakan'i Joda, dra nazaka volany raiky moza tao Samaria izy. 14 Dra niakasy boak'agny Tirza ho agny Samaria i Menahema zanak'i Gady. Tagny gny nanafihany an'i Saloma zanak'i Jabesy, tao Samaria. Nahafaty anazy izy dra tonga pazaka nandimby gny toerany. 15 Gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Saloma vo gny fikonokonoa narafiny, dra voasorasy ao amigny bokinigny tataranireo pazakan'Israely zay. 16 Dra nanafiky an'i Tifsa vo reo ze teo aby, vo gny sisi-tany nagnodidin'an'i Tirza i Menahema, akory sy nivohan'ereo honazy gny tana. Dra nitafihiny zay, dra nitatahiny avokoa reo apela bevoka tao amizay tana zay. 17 Tmigny fahasivy amby telopolo tao nazakan'i Azaria pazakan'i Joda, dra nanomboky nazaka teo amin'Israely i Menahema zanak'i Gady; nazaka nandrisy gny folo tao tao Samaria izy. 18 Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. Nandrisy gny andro-piegnany, dra sy niala tamigny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata izy, ze nahaavy gny Israely nanota. 19 Dra Avy hanohisy gny tany i Pola pazakan'i Asyria, dra namen'i Menahema taleta volafosy arivo i Pola, ba homba anazy gny fanohagnan'i Pola dra hapatazaky gny fazakan'Israely teo atanany. 20 Nalan'i Menahema boak'amigny Israely tamigny alalanigny fitakia gny olo manan-draha sirairay ba handoa sekely volafosy dimapolo ba hagnome gny pazakan'i Asyria io vola io. Dra nitoli-doha nihery gny pazakan'i Asyria dra sy nitoetra tao amigny tany. 21 Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Menahema, vo reo nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Israely ra zay? 22 Dra nimaty nindray tamireo razambeny i Menahema, dra i Pekahia zanany gny lasa pazaka nandimby gny toerany. 23 Dra tamigny faha-dimapolo tao nazakan'i Azaria pazakan'i Joda, gny nanomboky nazaka teo amin'Israely tao Samaria i Pekahia zanak'i Menahema; nazaka nandrisy gny ro tao izy. 24 Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. Sy ba nagnary gny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, ze nahavy gny Israely nanota izy. 25 Nana lefisy raiky natao ho: Peka zanak'i Remalia i Pekahia, ze nikonokono hanohisy anazy. Nindray tamireo dimapolo lahin'i Gileada, dra namono an'i Pekahia vo Argoda dra Aria tagny Samaria i Peka, tao amigny tragno mimandanigny lapany pazaka. Nivonon'i Peka i Pekahia dra izy gny lasa pazaka nandimby gny toera. 26 Raha gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Pekahia, vo reo nataony aby, dra voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'Israely zay. 27 Tamigny faharo amby dimapolo tao nazakan'i Azaria pazakan'i Joda, gny nanombohan'i Peka zanak'i Remalia nazaka teo amin'Israely tao Samaria; nazaka nandrisy gny ropolo tao izy. 28 Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy sy niala tamigny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, ze nahavy gny Israely nanota izy. 29 Tmigny andron'i Peka pazakan'Israely, dra avy nangalaky an'Iona, Abela-beti-maka, Janoa, Kadesy, Hazora, Gileada, Galilia, dra gny tanin'i Naftaly aby i Tiglato-pilesera pazakan'i Asyria. Dra ninday gny vahoaky nagnagny Asyria izy. 30 Ko dra nandrafisy fikono-konogna nanohisy an'i Peka zanak'i Remalia i Hosea zanak'i Ela. Nanafiky anazy izy dra namono anazy. Dra nazary pazaka nandimby gny toerany izy, tamigny faharopolo tao nazakan'i Jotama zanak'i Ozia. 31 Raha gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Peka, vo ze nataony aby, dra voasorasy ao amigny bokinigny tataranireo pazakan'Israely zay. 32 Tamigny tao faharo nazakan'i Peka zanak'i Remalia, pazakan'Israely, dra nanomboky nazaka i Jonata zanak'i Azaria, pazakan'i Joda. 33 Dimy amby ropolo tao izy nanomboky nazaka; nazaka nandrisy gny enina ambiny folo tao tao Jerosalema izy. Jerosa gny agnaranigny reniny; zanakapelan'i Zadoka izy. 34 Nanao marina teo amason'i Yaveh i Jotama. Nagnaraky gny ohasy aby ze nataon'i Azaria rany izy. 35 Kanefa, sy ba nala reo toeran'abo. Bo nanao soro vo nagnoro liti-kazo magnisy teo amireo toeran'abo avo gny vahoaky. Nasangan'i Jotama gny vavahady agnabon'i Yaveh. 36 Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Jotama, vo ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranireo pazakan'i Joda ra zay? 37 Tamizay andro zay Yaveh dra nanomboky nagniraky an'i Rezina pazakan'i Arama, vo Peka zanak'i Remalia, hanohisy an'i Joda. 38 Nimaty nindray tamireo razambeny i Jotama dra nalevy nindray tamireo razambeny i Jotama dra nalevy nindray taminireo razambeny tao amigny tanan'i Davida, razany. Dra i Ahaza, zanadahiny, gny lasa pazaka nandimby gny toerany.