Toko faha 16

1 Tamy gny fahafito ambin'ny folo tao nazakan'i Peka zanak'i Remalia, gny nanomboky nazaka i Ahaza zanakin'i Jotama mpazakan'i Joda. Ropolo tao i Ahaza gny nanomboky nazaka, nazaka nadrisy gny fito ambin'ny folo tao tao Jerosalema izy. Sy nanao zay marina teo amason'i Yaveh Zagnahariny, manahaky gny nataon'i Davida razambeny izy. 3 Fa koa, nagnaraky gny lalan'ereo mpazakan'Israely izy; nayaony tao agnaty afo ho fagnatisy oroa gny zana-dahiny, ho fagnaraha ereo fampianara rasin'ereo firenena, ze fa niroahin'i Yaveh teo anoloan'ny vahoak'Israely. 4 Nanolosy fagnatisy izy sady nagnoroditi-kazo magnisy tagny amin'ereo toera agnabo amin'ereo havoany, dra tegny agnabo hazo meso aby. 5 Dra i Rezina, mpazakan'i Syria sy Peka zanak'i Remalia, mpazakan'Israely dra niakasy ba hanafiky an'i Jerosalema. Nanao fahirano an'i Ahaza ereo, nefa sy naharesy anazy ereo. 6 Tamizay fotoa zay, i Rezina mpazakan'i Syria dra nihery nangalaky an'i Elota ho an'i Syria dra nadroaky ereo olon'i Joda hiala an'i Elota. Avy eo dra nagnagny Elota ereo Syriana gny amizay fa gnanazy ereo disik'adroany. 7 Dra nandefa mpinday hafasy hognany Tiglato-pilesera mazakan'i Asyria i Ahaza, manao ho: ''Mpanoponao aho sady zanakao.'' Misanga dra vozeo eo amy taniny mpazakan'i Syria sy gny taniny mpazakan'Israely, ze fa nanafiky anahy.'' 8 Dra nalan'i Ahaza gny volafosy sy gny volamena ze hitany tao an-tragnon'i Yaveh sy teo amin'ereo harenany lampany mpazaka dra nalefany ho fagnomeza hognany mpazakan'i asyria zay. 9 Dra niteno anazy gny mpazakan'i Asyria, dra niakasy nagnohisy an'i Damaskosy gny mpazakan'i Asyria, nandresy zay sy nangalaky ereo vahoaky ho gadra ho an'i Kira. Nivonony avo koa i Rezina mpazakan'i Syria. 10 Nandeha tagny Damaskosy i Ahaza pazaka ba hihaon'amin'i Tiglato-pilesera pazakan'i Asyria. Nahita alitara raiky tao Damaskosy izt. Nandefa gny modely vo gny sarinigny alitara dra gny endriky gny asa taliavin'aby tagny aman'i Oria pisoro izy. 11 Oria pisoro dra namboasy alitara mitovy amireo firafisy fa nalefan'i Ahaza pazaka boak'agny Damaskosy. Nivitany talohanigny niheregnan'i Ahaza pazaka boak'agny Damaskosy zay. 12 GNy fa niavy boak'agny Damaskosy gny pazaka dra nahita gny alitara; nagnato gny alitara gny pazaka sady nagnatisy fagnatisy teo amizay. 13 Nanao fagnatisy oroa vo fagnatisy vary izy, dra nandraraky gny fagnatiny finomy vo namafy gny lio amigny fanati-pihavanany teo amigny alitara. 14 Gny alitara varahy ze teo agnatrehan'i Yaveh__dra nalany teo anoloanigny tepoly, boak'eo agnelagnelanigny alitarany vo gny tepolin'i Yaveh dra nataony teo amigny farisy avarasy gny alitara zay. 15 Boak'eo dra nandidy an'i Oria pisoro i Ahaza pazaka, nanao anizahoky ho: "Eo agnabonigny nalitara lahibe gny hagnoroa gny fagnatisy oroa gny maray dra gny hariva dra gny fagnatisy vary, dra reo fagnatisy oroanigny pazaka vo fagnatisy vary, miaraky amireo fagnatisy oroanigny vahoakigny tany aby, vo reo fagnatisy vary vo reo fagnatisy finominereo. Afafazo eo agnabon'izay gny lio aby boak'amigny fagnatisy oroa, dra gny lio aby boak'amigny soro. Fa gny alitara varahy dra honahy ba ho fangala torohevisy." 16 Dra nanao araky ze nandidian'i Ahaza pazaka anazy i Oria pisoro. 17 Boak'eo dra nalan'i Ahaza pazaka teo amigny sangak'azo afindra reo takelaky vo reo koveta; napizosony avo koa gny koveta teo amigny agnomby varahy ze teo ambanin'izay dra natobiny teo amigny lapivato zay. 18 Nohonigny pazakan'i Asyria, dra nalany reo fandrakofa ho anigny Sabata ze fa namboarinereo tao atepoly, mbamigny fidiranigny pazaka teo ivelanigny tepolin'i Yaveh. 19 Raha gny raharaha hafa mahakasiky an'i Ahaza vo ze nataony, moa sy fa voasorasy ao agnatinigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 20 Nimaty vo nalevy nindray tamireo razany tao atagnan'i Davida i Ahaza. Lasa pazaka nandimby anazy i Hezekia zanadahiny.