Toko faha 17

1 Tamigny tao faharo ambiny folo nazakan'i Ahaza pazakan'i Joda, gny nanomboky gny fazakan'i Hosea zanak'i Elaha. Nazaka tao Samaria nanera gny Israely nandrisy gny sivy tao izy. 2 Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy, sy nanahaky reo pazakan'Isrealy taloha. 3 Nanafiky anazy i Salmaneserapazakan'i Asyria, dra lasa panopony i Hosea dra ninday fagnomezam-boninahisy honazy. 4 Dra hitanigny pazakan'i Asyria fa nitetiky hanohisy anazy i Hosea, akory nandefa pinday hafasy nagnagny amin'i So pazakan'i Egypta i Hosea; dra koa, sy ba nanolosy fagnomezam-boninahisy ho anigny pazakan'i Asyria izy, manahaky gny nataony isa-tao isa-tao. Dra nihiliny pazakan'i Asyria izy dra nifaheny tagny apoza. 5 Boak'eo dra nanafiky nanera gny tany aby gny pazakan'i Asyria, dra nanafiky an'i Samaria vo nanao fahirano an'izay nandrisy gny telo tao. 6 Tamigny tao fahasivy naha-pazaka an'i Hosea, dra nangalaky an'i Samaria vo ninday gny Israely lavisy an'i Asyria gny pazakan'i Asyria. Nemetraky anereo tagny Hala izy, tao amigny Habora Onin'i Gozana, dra tagny amigny tananigny Mediana. 7 Nitranga zay fahababoa zay akory nanota tamin'i Yaveh zagnaharin'ereo gny vahoak'Israely, ze ninday anereo niakasy boak'agny amigny tany Egypta, boak'agny ambany fifehezan'i Farao pazakan'i Egypta. Fa nanopo zagnahary hafa reo vahoaky 8 dra nandeha tamigny fanaon'ireo firenena ze fa naringan'i Yaveh teo agnatrehan'ireo zanak'Israely, vo tamigny fanaon'ireo pazakan'Isrealy ze fa nataon'ereo. 9 Gny zanak'Isrealy__dra nanao reo raha ze sy marina asokosoko__hanohisy an'i Yaveh Zagnaharin'ereo. Nananga fitpera abo honazy maneran'an'ireo tanany ereo, hatragny amigny tilikambo fambena dra hatragny amigny manda ferova. 10 Nananga sangam-bato vo baon'Aseraha tegny amigny havoa abo aby vo tagny ambaninigny hazo meso aby koa ereo. 11 Tegny ereo gny nagnoro liti-kazo magnisy tamireo fitoeran'abo aby, manahaky gny nataon'ireo firenena, reo ze nandesin'i Yaveh teo agnatrehan'ereo. Nagnatateraky raha rasy reo Israely ba hahaavy an'i Yaveh hasiaky; 12 ereo dra nanopo sapy, momba ze fa nizakan'i Yaveh anereo ho: "Sy hanao anizay raha zay handrareo." 13 Nefa Yaveh fa nitalily tamin'Israely vo tamin'i Joda tamigny alalanigny paminany sirairay vo gny pahita sirairay, nanao anizahoky ho: "Miala amireo fomba rasindrareo dra tandrovy reo liliko vo reo lalako, dra meteza hagnaraky gny lalan'aby nandidiako reo razandrareo, dra ze nirahiko ho amindrareo tamigny alalan'ireo paminany panopoko. 14 Kanefa sy niteno ereo; fa koa maheriloha vatany manahaky reo razany ze sy nahatoky an'i Yaveh Zagnaharin'ereo. 15 Nilavin'ereo gny lalany vo gny fagneke-pihavana ze nataony tamireo razany, dra reo didy fagneke ze nameny anereo. Nagnaraky fomba rasy ereo dra gny vatan'ereo mihisy gny lasa sy nisy ilan'azy. Nagnaraky reo firenena panopo sapy ze nagnodidin'anazy ereo, dra reo ze nandidian'i Yaveh anereo sy hotahafy. 16 Ereo dra nanao sinosino reo didin'i Yaveh Zagnaharin'ereo. Namboasy sary zanak-agnomby ro vita tamigny vy ereo ba ho topo. Namboasy baon'Aseraha ereo, dra nanopo an'i Bala vo reo kitana aby tegny andagnisy. 17 Nalefan'ereo tagnaty afo reo zanadahiny vo gny zanakapelanereo, napiasa reo sikily vo fagnosavia, namarosy gny vatan'ereo ba hanao rasy teo amason'i Yaveh, vo nahavy anazy ho ory. 18 Noho zay dra ory fatrasy tamin'Isrealy i Yaveh dra nangalaky anereo sy ho eo amasony. Sy nisy dre raiky aza tafazano afa-sy gny fokon'i Joda raiky avo. 19 Na dre i Joda aza sy nahata gny didin'i Yaveh Zagnaharin'ereo, fa koa nagnoriky fanopoa-sapy nitovy tamize narahin'Isrealy. 20 Noho zay dra nilavin'i Yaveh avokoa reo taranak'Israely aby; napahoriany ereo dra natolony tegny atagnan'ireo ze pambabo gny fanagnan'ereo, mandra-pisonik'ereo sy ho eo amasony. 21 Nangalaky gny Isrealy tamigny fitohiza-taranak'i Davida Izy, dra nametraky an'i Jeroboama zanadahin'i Nebata pazaka. Nitariky gny Isrealy hiala tamigny fagnorihan'an'i Yaveh i Jeroboama dra napanao fahota lahibe anereo. 22 Nagnoriky gny fahotan'i Jeroboama aby gny zanak'Isrealy dra sy niala taminireo ereo, 23 dra nalan'i Yaveh teo amason'Israely, araky gny nizakany tamireo paminany panopony aby fa hataony. Dra nandesy lavisy ivelanigny tanin'ereo tagny Asyria gny Israely, dra bo agny avo hatramizao andro zao. 24 Ninday vahoaky boak'agny Babylona vo boak'agny Kota, vo boak'agny Ava, vo boak'agny Hamata vo Sefarivaima gny pazakan'i Asyria, dra nametraky anereo tagny amigny tanan'i Samaria teo amigny toeranigny zanak'Isrealy. Dra nahazo an'i Samaria reo dra nony tao amigny tanany. 25 Dra tamigny fitombohanigy fonegnan'ereo tagny dra sy nagnome voninahisy an'i Yaveh ereo. Ko nandefa liona tamin'ereo ze namono gny ilany tamin'ereo i Yaveh. 26 Dra nizaka tamigny pazakan'i Asyria ereo,nanao anizahoky ho: "Reo firenena ze nandesinao vo napetranao tato amigny tanan'i Samaria dra sy mahafatasy reo fomba takenigny zagnahariny gny tany. Dra nandefa liona teo amin'ereo izy, dra, ingo, mamono gny olo reo liona akory sy mahay reo fomba takenigny zagnarinigny tany ereo." 27 Dra gny pazakan'i Asyria nibaiko, nanao anizahoky ho: "Alao gny raiky amireo pisoro ze nandesindrareo boak'agny, dra aoky izy handeha vo honin'agny, dra aoky izy hapianasy anereo gny fomba ze takenigny zagnahariny gny tany." 28 Ko avy nony tagny Betela gny rany tamireo pisooro ze avy nandesin'ereo boak'agny Samaria; napianasy anereo gny fomba tokony hideran'ereo an'i Yaveh izy. 29 Nanao zagnahary honazy aby reo foko sirairay, dra nametraky anereo tegny amigny fitoera abo ze nataon'ireo Samaritana__gny foko sirairay tagny amigny tana nonenany aby. 30 Gny vahoak'i Babylona namboasy an'i Sakota-benota; gny vahoakin'i Kota namboasy an'i Nergala; gny vahoakin'i Hamata namboasy an'i Asima; 31 reo Avita namboasy an'i Nibaza vo Tartaka. Reo Sefarvita nagnoro reo zanany tao amigny afo ho an'i Adrameleka vo Anameleka, zagnahary vo Sefarvaima. 32 Nagnome voninahisy an'i Yaveh avo koa ereo, dra nanendry pisoron'ireo fitoera abo avy tamin'ereo, ze nanao soro ho anereo tao amigny tepoly tao amireo toeran'abo. 33 Nagnome voninahisy an'i Yaveh ereo sady nanopo reo zagnaharin'ereo, tamigny fomba fanaon'ireo firenena tamize fa nandesin'ereo. 34 Hatram'izao andro zao dra mikiry amireo fomba fanao'ereo taloha ereo. Sady sy magnome voninahisy an'i Yaveh ereo, gny sy magnaraky reo lily aman-dalana ze natolos'i Yaveh tamigny vahoak'i Jakoba__ze tonoka ho: Israely__ 35 dra tamizay nanovan'i Yaveh fagneke vo nandidiany anereo zay ho: "Sy hatahosy zagnahari-hafa handrareo, na hekohoky aminereo, na hanopo anereo, na hanao fisorogna ho anereo. 36 Nefa i Yaveh, ze nanday andrareo niakasy boak'agny amigny tany Egypta tamigny hery lahibe vo tana nisandrasy, gny Raiky ze sy maisy omendrareo voninahisy; Izy gny hiakohofandrareo, dra honazy gny soro ataondrareo. 37 Reo didy aman-dalana ze nisoratiny ho andrareo, hotanandrareo mandrakariva reo. Noho zay dra ka mataosy zagnahary hafa handrareo, 38 dra gny fagneke-pihavana ze fa nataoko tamindrareo, dra sy ho halignondrareo; na handrareo hagnome voninahisy andriamani-kafa. 39 Fa Yaveh Zagnaharindrareo gny homendrareo voninahisy. Izy gny hamozy andrareo amigny herin'ireo fahavalondrareo." 40 Sy niteno ereo, akory nanohy nanao ze nataon'ereo tagny amigny lasa ereo. 41 Ko dra natahosy an'i Yaveh reo firenena dra nanopo reo sary sary voasokis'ereo avo koa ereo, dra nanao manahaky anizay avo koa reo zanak'ereo__manahaky gny nataonigny taranaky gny zanak'ereo. Manohy manao ze nataon'ireo razany hatragny ereo, mandrak'amizao.