Toko faha 18

1 Dra tamigny tao fahatelo nazakan'i Hosea zanak'i Elaha, pazakan'i Israely, gny nanomboky nazaka i Hezekia zanak'i Ahaza, pazakan'i Joda. 2 Dimy amby ropolo tao izy gny nanomboky nazaka; nazaka sivy amby ropolo tao tagny Jerosalema izy. Gny agnaran-dreniny dra i Aby; zanakapelan'i Zakaria izy. 3 Dra nanao ze mahisy teo amason'i Yaveh izy, nagnaraky gny ohasy ze fa nataon'i Davida aby, razambeny. 4 Nangalaky reo toera abo izy, nandrava reo andry vato, dra nanapaky reo baon'Aseraha. Nanapatapaky gny menarana varahy ze nataon'i Mosesy izy, akory tamireo andro reo gny nagnoroanigny vahoakin'Isrealy gny liti-kazo magnisy ho anizay; zay dra tonoka ho: "Nehostana." 5 Nahatoky an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely i Hezekia, ba sy hisy olo hitovy aminazy ao afarany eo amireo pazakan'i Joda aby, na eo amireo pazaka ze teo alohany. 6 Fa nifikisy tamin'i Yaveh izy. Sy nisahasy nagnoriky anazy izy dra nitandry reo didiny, ze nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 7 Dra nomba an'i Hezekia i Yaveh, dre na eza na eza nandehanany dra nambiny izy. Nikomy nanohisy gny pazakan'i Asyria izy dra sy nanopo anazy. 8 Nanafiky reo Filistina hatragny Gaza vo gny sisi-tany magnodidy izy, hatragny amigny tilikambon'ireo piamby dra hatragny amigny tana voaaro fatrasy. 9 Dra tamigny tao fahaefasy nazakan'i Hezekia pazaka, izay taona fahafito nazakan'i Hosea zanak'i Eleha pazakan'Israly, dra niakasy hanohisy an'i Samaria i Salmanesera pazakan'i Asyria dra nanao fahirano izay. 10 Dra tamigny fiafaran'ny taona fahatelo gny nangalan'izy ireo izay, dra tamigny taona fahaenina nazakan'i Hezekia, izay taona fahasivy nazakan'i Hosea pazakan'Israely; izay gny fomba nanambora an'i Samaria. 11 Dra nandesiny pazakan'i Asyria tagny Asyria gny Israely, dra nataony tao Hala, teo amigny Reniranon'i Habora tagny Gozana ereo. 12 Nanao anizay izy akory sy nakato gny feon'i Yaveh zagnahariny ereo, fa koa nandika gny zakanigny fangeke, ze nandidian'i Mosesy panopon'i Yaveh anereo. Nanda hiteno na hanao anizay ereo. 13 Dra tamigny tao fahaefasy ambiny folo nazakan'i Hezekia Pazaka, Sankeriba pazakan'i Asyria dra nanafiky gny tana voaaro fatrasy ry Joda aby dra nangalaky anireo. 14 Dra nandefa hafasy tagny amigny pazakan'i Asyria, ze tagny Lakisy i Hezekia pazakan'i Joda nanao anizahoky ho: "Fa nanafitohin'anao zaho. Mela aminahy. Na ino na ino hapandesinao anahy dra hanesiko." Dra nitaky tamin'i Hezekia pazakan'i Joda ba hagnenga gny taleta volafosy telozato vo taleta volamena telopolo gny pazakan'i Asyria. 15 Dra namen'i Hezekia anazy gny volafosy aby ze tao amireo tragnon'i Yaveh vo tao amireo pisy raha sarobilinigny lapany pazaka. 16 Dra nalan'i Hezekia gny volamena teo amigny tepolin'i Yaveh vo teo amigny andry ze nametahany takela-bolamena; dra nameny gny pazakan'i Asyria gny volamena. 17 Nefa gny pazakan'i Asyria nagnesiky gny tafiny lahibe, nagniraky an'i Tartana vo Raba-sarisa ho agny amin'i Hezekia pazaka ao Jerosalema. Nandeha niakasy tamigny lala ereo dra avy tao ivelan'i Jerosalema. Nagnato gny lakan-dranony kamory agnabo ereo, teo an-dalambenigny sakanigny pamosy lamba, dra nizano teo amizay. 18 GNy fa nitoka an'i Hezekia Pazakan'ereo, dra niboaky ba hagnety anereo i Eliakima zanadahin'i Hilkia, ze nanapaky gny akohona, vo Sebna panora-dalana, dra Joa zanadahin'i Asafa, pitahiry tatara. 19 Dra gny lahibenigny pifehy nizaka anereo ba hizaka amin'i Hezekia ze nizakanigny pazaka lahibe, pazakan'i Asyria, manao anizahoky ho: "Ino gny loharanonigny fahatokianao? 20 Zaka sy misy dikany gny zakanao, mizaka ho misy nama vo hery ho amigny aly. Dra amizao iza gny itokianao? Iza gny nagnome heri-po anao hikomy hanohisy anahy? 21 Ingo, matoky gny tehy volotara torotonigny Egypta hanao, kanefa raha mitehy amizay gny olo, dra hirekisy eo amigny tagnany zay dra handoaky anizay. Manahaky anizay i Farao pazakan'i Egypta amireo matoky anazy aby. 22 Fa raha mizaka aminahy hanao ho: 'Matoky an'i Yaveh Zagnaharinay zahay,' moa ra sy izy gny raiky ze nangalaky reo toera abo vo gny alitara ze nalan'i Hezekia, dra nizaka tamin'i Joda vo Jerosalema ho. 'Sy maisy manopo eo anoloan'ity alitaran'i Jerosalema tihoky hanao'? 23 Amizao dra, te-hanolosy fagnatisy soa boak'amigny topoko pazakan'i Asyria zaho. Hameko sovala ro arivo hanao, raha mahita pitikisy anazy reo. 24 Hataoko akory gny manohisy na dre gny raiky amigny kapiteny ze masaiky indrindra amireo panoponigny topoko aza? Fa nametraky gny fahatokianao tagny Egypta ho an'ireo kalesy vo gny pitikisy sovala hanao! 5Moa fa nandeha niakasy sy nisy an'i Yaveh ba hialy hanohisy vo handrava ty toera tihoky ra zaho? Hoy i Yaveh taminahy: 'Tafio dra ravao ty tany ty."' 26 Dra eo i Eliakima zanadahin'i Hilkia, vo Sebna, dra Joa nizaka tamigny lahibenigny pifehy ho: "Ba apizakao amigny fizaka Syriana re reo panoponao, fa izay gny azonay. Ka mizaka aminay amigny fizakany gny Joda eo amigny sofinigny olo ze eo amigny rindry," 27 Nefa hoy gny lahibenigny pifehytamin'ereo ho: "Moa ra nandefa anahy ho agny amigny toponao vo hanao gny topoko ba hizaka reo zaka reo? Moa ra zaho nalefany tagny amireo lelahy mipetraky eo amigny rindry, iza gny sy maisy hihina gny malotony vo hinon'amireo manoka mindrain'aminao?" 28 Dra gny lahibenigny pifehy nisanga vo nitoka tamigny feo fatrasy tamigny fizakany Jiosy ho: "Tenoy gny zakanigny pazaka lahibe, dra gny pazakan'i Asyria. 29 Zao gny zakanigny pazaka, 'Ka magneky hofitahin'i Hezekia handrareo, fa sy afaky gny hamozy anao amigny fahefako izy. 30 Ka magnenga an'i Hezekia hapahatoky anao an'i Yaveh, manao anizahoky ho: "Hamozy asika vatany i Yaveh, ty tana tihoky dra sy hatolosy ho eo atagnanigny pazakan'i Asyria."' 31 Ka miteno an'i Hezekia, fa izao gny zakanigny pazakan'i Asyria ho: 'Mihavagna aminahy dra mindresa aminahy. Dra gny sirairay avy amireo dra samby hihinan'amigny voalobony vo gny hazon'aviaviny, dra hino gny rano ao amigny famorian-dranony. 32 Hanao anizay mandra-piaviako vo hindesako andrareo agny amigny tany manahaky gny tanindrareo manoka, tany misy mofo vo tanim-boaloboky, tany misy hazo oliva vo tately ba ho velo handrareo fa sy ho maty.' Ka miteno an'i Hezekia raha miezaky mandresy lahasy andrareo izy, manao anizahoky ho: 'Hamozy asika i Yaveh.' 33 Moa nisy nahavozy anereo teo atagnanigny pazakan'i Asyria ra reo zagnahariny gny olo? Eza moa reo zagnaharin'i Hamata vo Arpada? 34 Eza moa reo zagnaharin'i Sefarvaima, vo Hena, dra Iva? Nahavozy an'i Samaria teto atagnako ra ereo? 35 Eo amigny zagnahariny gny tany aby, moa ra fa nisy zagnahary nahavozy gny taniny tamigny fahefako? Nagnino gny hahafahan'i Yaveh mamozy an'i Jerosalema amigny heriko?" 36 Kanefa nangina gny olo dra sy namaly, Akory fa nandidy gny pazaka ho: "Ka mamaly anazy." 37 Boak'eo Eliakima, zanak'i Hilikia, ze agnabo teo amigny akohonany; vo Sebna gny panora-dalana; dra Joa zanak'i Asafa, gny pita-sorasy, nilisy agnao amin'i Hezekia nindray tamireo fekakazoa'ereo voatritra, dra ninday gny zakanigny lahibenigny pifehy taminazy.