1 Dra gny fa ren'i Hezekia pazaka gny tatis'ereo, dra naniasy gny akazony izy, nanao akazo fandala, dra nilisy tao atragnon'i Yaveh. 2 Nagniraky an'i Eliakima ze lahibenigny tandapa izy, vo sebna, gny panora-dalana, dra reo lohanigny pisoro, samby nekazo gny akazony fandalany avokoa ereo, ho agny amin'i Isaia zanadahin'i Amoza, gny paminany. 3 Dra hoy ereo taminazy: "Zao gny zakan'i Hezekia: 'ty andro tihoky gny andronigny fahoria, fahamezigna, dra fahafaham-baraka, fa ba ho teraky gny zaza, nefa sy misy hery ba hiterahan'anereo. 4 Angamba mety ho ren'i Yaveh Zagnaharinao gny zaka aby nataonigny lahibenigny pifehy, ze nirahinigny pazakan'i Asyria topony ba hihasy an'Agnahary velo, dra hamaly reo zaka ze fa ren'i Yaveh Zagnaharinao. Ko asandrato ho anize sisa bo eto gny vavakao Amizao."' 5 Dra avy tagny amin'i Isaia gny panopon'i Hezekia pazaka, 6 dra Isaia nanao tamin'ereo ho: "Zakao amigny topondrareo fa: ' Zao gny zakan'i Yaveh: "Ka matahosy gny amigny zaka ze fa renao, ze fa nanirasira gny panoponigny pazakan'i Asyria zaho. 7 Ingo, hametraky fagnahy ao aminazy zaho, dra hahare siosio izy dra niherin'agny amigny taniny. Hataoko lavonigny sabasy ao amigny taniny izy."''' 8 Dra nihery gny lahibenigny pifehy dra nahita gny pazakan'i Asyria nialy tamin'i Libna, fa izy fa nahare fa niala tao Likisy gny pazaka. 9 Dra sankeriba nahare fa i Tiraky mpazakan'i Etiopia sy Egypte dra fa nioma gny hialy amy, nohony dra nagniraky mpanday hafasy ho agnany aamin'i Hezekea ndraiky izy hoky. 10 '' Zakao amin'i Hezekia mpazakan'i Joda ho: ' Ka anga hametaky anao gny zagnahary ze hitokianao dra hanao ho: '' Jerosalema dra sy hame ho eo an-tanany mpazakan'i Asyria.'' 11 Ihoky, fa rennao gny raha ze fa nataon'ny mpazakan'i Asyria tamy famoteha tateraky ereo. koa ho voavozy se hanao? 12 Fa namozy anereo ra gny zagnahariny gny firenena, reo firenena ze nipotehinigny razako: dra i Gozana, Harana, Razefa, dra gny vahoakin'i Edena tao Telasara? 13 Eza gny pazakan'i Hamata, gny pazakan'i Arpada, gny pazakanigny tana Sefarvaima, Hena, dra Iva?"' 14 Voarain'i Hezekia gny taratasy tagny amireo pinday hafasy dra nivakiny zay. Boak'eo dra niakasy tagny atragnon'i Yaveh izy dra nanokaky anizay teo anoloany. 15 Dra nivavaky teo agnatrehan'i Yaveh i Hezekia, dra nanao anizahoky ho: "Ry Yaveh toponigny maro, Zagnaharin'Israely, Hanao mitoby ao agnabony kerobim, Hanao gny Zagnahary tokan'eto atany. Hanao gny nanao gny lagnisy vo gny tany. 16 Atongilagno gny sofinao, ry Yaveh, dra mitenoa. Ahirato gny masonao, ry Yaveh, dra magnatia, dra tenoy gny zakan'i Sankeriba, ze fa nirahiny ba hanirasira gny zagnahary velo. 17 Eny vatany, ry Yaveh, fa nandrava reo firenena vo gny taniny gny pazakan'i Asyria. 18 Fa nagnoro gny zagnaharin'ereo tao agnatin'afo ereo, akory sy zagnahary reo fa asa-tagnan'olombelo, hazo vo vato avo. Ko nipotehinigny Asyriana ereo. 19 Ko amizao, ry Yaveh zagnaharinay, mitalaho Aminao zaho, vozeo amigny heriny zahay, ba hahafataranigny fazakan'aby eto atany fa Hanao, Yaveh, gny Zagnahary vatany." 20 Dra Isaia zanadahin'i Amoza nandefa hafasy tagny amin'i Hezekia, nanao anizahoky ho: "Yaveh, Zagnaharin'Israely nizaka ho: 'Akory fa nivavaky taminahy gny amin'i Sankeriba pazakan'i Asyria hanao, dra niteno anao zaho. 21 Zao gny zaka zakan'i Yaveh mahakasiky anazy: "Gny zanakapelany virizinin'i Ziona manao sinosino anao vo mihomehy ho amigny fahafaham-baraka. Gny zanakapelan'i Jerosalema magnifikifi-doha aminao. 22 Iza gny fa nihasinao vo nisirasiranao? Hanohisy an'iza gny nanandratanao gny feonao vo napendradranao gny masonao apirehareha? Hanohisy gny Masin'Israely! 23 Tamigny alalan'ireo irako gny nihasianao gny Topo, dra nanao anizahoky ho: 'Tamigny kalesiko maro gny nekarako tagny atepolinigny tendrombohisy, gny fekara abo faratapony tagny Libanona. Hotapahy gny sedera lava vo gny Kypreso voafatin'ao. Hilisy amigny farisy lavisy zaho, ao amize alany mamokasy indindra. 24 Fa nihaly lava-drano zaho dra fa nino gny ranonigny firene-kafa. Fa nandrisy gny reniranon'i Egypta aby ho eo apaladiako zaho.' 25 Sy renao ra gny fomba nagnomanako anizay hatramign'ela vo gny niasako anizay tamigny andro taloha? Amizao dra fa hagnatateraky anizay zaho. Eo hanao ba handrava reo tana mimanda ho lasa korotam-bato. 26 Reo ponina ao aminazy, ze siapy hery, dra torotoro vo megnasy. Raha magniry egny agnahisy reo, ahi-meso, ahisy egny agnabo tafo na egny agnahisy, noroa melohanigny nisiriany. 27 Fa zaho mahay gny fepetranao, gny fiboahanao, gny fidiranao, dra gny fahorianao aminahy. 28 Nohonigny fahorianao aminahy, dra akory reo gny fiavognavognanao, dra hametraky gny farangoko amigny ora Zaho, dra ao amigny vavanao gny lamboridiko; hataoko mihery amigny lala niavianao hanao." 29 Zao gny famatara honao: Hihina raha magniry sinahy handrareo amity tao ty, dra gny tao magnaraky dra gny dimbin'izay. Fa amigny tao fahatelo koa dra hamboly vo hioty handrareo, hamboly tanim-boaloboky dra hihina gny tegnany. 30 Gny sisa amigny taranak'i Joda ze bo velo dra hamaky ndraiky dra hisondrano vo hagnome. 31 Fa hisy sisa hiboaky boak'agny Jerosalema, boak'agny atendrombohis'i Ziona gny hiavian'ireo sisa sy maty. Gny zoto-pon'i Yaveh toponigny maro gny hanao anizay. 32 Ko zao gny zakan'i Yaveh momba gny pazakan'i Asyria: "Sy hilisy amty tana tihoky izy na handefa zana-sipiky ao. Na avy eo alohany midray amigny ampimga na hanao fahirano anazy. 33 Gny lala izay niaviany avo gny lala hiboahany; sy ho tafilisy amingny tana itihoky izy___izay gny fagnambaran'i Yaveh.'' 34 Fa izaho hiaro vo hagnavosy itiky tana itihoky, gny aminahy vo gny amin'i Davida panopoko.'' 35 Dra tamin'io hariva io dra avy gny azelin'i Yaveh dra nanafiky gny tobin'ireo Asyriana, dra nahafaty maramila 185. 000. aby nifoha aloha gny olo nony maraidray, dra niapasy tegny aby gny gny tafin'olo. 36 Dra nagnenga an'Israely i Sankeriba pazakan'i Asyria dra nandeha noly vo nitoboky tagny Ninive. 37 Taty afara, gny nanao fanopoam-pivavahana tao an-tragnon'i Nisroka andriamaniny izy, dra nivonon'i Andramelaka vo Sarezera zanany lahy tamigny sabatra. Avy eo dra nisoaky tagny amigny tanin'i Ararata izy ireo. Dra Esara-hadona zanany lahy gny lasa pazaka teo amigny toerany.