1 Dra tamizay andro zay dra narary fa ho maty i Hezekia. Dra nagnaton'anazy i Isaia zanak'i Amosa, gny paminany, dra nizaka taminazy ho: "Hoy i Yaveh: "'Arindrao gny tragnonao; fa ho maty hanao, dra sy ho velo."' 2 Dra nitoliky nagnatriky gny rindry i Hezekia dra nivavaky tamin'i Yaveh izy nanao anizahoky: 3 "Ba mengavy re, ry Yaveh oh, ba sarovy gny nandehanako apahatokia teo amigny agnatrehanao tamigny foko manotolo, vo gny nanovako gny soa teo amasonao." Dra nitomagny fatrasy i Hezekia boak'eo 4 Melohanigny niboahan'i Isaia teo agnevonigny tokotany, dra avy taminazy gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 5 "Miheregna, dra zakao i Hezekia, gny pitariky gny oloko ho: 'Zao gny zakan'i Yaveh, Zagnaharin'i Davida razambenao: "Fa reko gny vavakao, dra hitako gny ranomasonao. Hagnasitran'anao Zaho amigny andro fahatelo, dra hiakasy agny atragnon'i Yaveh hanao. 6 Hapiako dimy ambiny folo tao gny andro hiegnanao, dra ho vozeko amigny tagnan'ny pazakan'i Asyria hanao vo ithoky tana tihoky, dra ho arovako itihoky tana tihoky nohon'ny amin'i Davida panopoko.'' 7 Dra hoy Isaia ho: ''Mangalaky fehezan'aviavy.'' Dra nanao izay izy ireo dra napetrany tamigny vai-ny izay, dra sitrany izy. 8 Hiy i Hezekia tamin'i Isaia: ''Ino gny famatara fa hositragnin'i Yaveh zaho, Vo gny tokony hiakarako agny amigny tempoly amigny andro fahatelo?'' 9 Namaly Isaia ho: ''Izao gny famatara ho anao avy amin'i Yaveh, fa i Yaveh dra hanao izay raha nizakany. Tokony handroso dingana folo se gny aliky, sahihemotra dingana folo?'' 10 Namaly i Hezekia: ''Mora ho an'ny aloky gny handroso dingana folo gny aloky.'' 11 Dra nitokatoka an'i Yaveh i Isaia paminany, dra nandesiny nihemosy dingana folo gny aloky, avy tagny amigny nihesehany teo amigny tohos'i Ahaza. 12 Tamin'izay fotoa izay i Merodaka Baladana zanak'i Baladana pazakan'i Babylona dra nandefa taratasy vofagnomeza tany amin'i Hezekia, satria reny fa narary i Hezekia. 13 Niteno izay taratasy izay i Hezekia, dra nasehony ireo pinday hafasy gny lapaaby vo gny zava-sarobidiny, gny volafosy, gny volamena, gny zava-magnisy vo gny menaky sarobidy, dra gny tragno fitehirizany gny fitova-pialiany, izay aby iza dra hita tao amigny tragno fitehirazany. Sy nisy raha izy sy nasehon'i Hazekia anazy ireo tao atragnony, na tao amigny fazakany. 14 Dra Isaia paminany nagnagny amin'i Hezekia pazaka dra nagnotany anazy ho: "Ino gny nizakan'iregny lelahy taminao regny? Avy eza izy regny?" Hoy i Hezekia: "Boak'agny atany lavisy agny Babylona ereo." 15 Nagnotany i Isaia ho: "Ino gny hitan'ereo tao atragnonao?" Namaly i Hezekia aby tato atragnoko. Sy nisy tamireo raha sarobiliko sy nasehoko anereo." 16 Dra hoy Isaia tamin'i Hezekia: "Tenoy gny zakan'i Yaveh: 17 'Igno, fa ho agny gny andro hitona gny raha aby eo amigny lapanao magnagny Babylona, dra reo raha nitehirizinigny razambenao hatramizao andro zao. Sy misy na ono ma ino ho tavela, hoy i Yaveh. 18 Gny zanadahiny teraky avy aminao, ze nitezanao manoka_halan'ereo zay, dra ho lasa tandapa ao amigny lapanigny pazakan'i Babylona ereo. 19 Dra hoy i Hezekia tamin'i Isaia: "Soa gny zakan'i Yaveh ze nizakanao." Akory nihevisy izy ho: "Sy hisy fedagna vo filamina ra zay amigny androko?" 20 Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Hezekia, vo gny heriny aby, dra gny nanovany gny farihy vo gny lakan-drano, dra gny nindesany rano tao amigny tana__moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 21 Nimaty nindray tamireo razambeny i Hezekia, dra i Manase zanadahiny gny nandimby anazy teo amigny toerany.