Toko faha 8

1 Dra Elisa nizaka tami-drapela renigny zaza ze nivelominy. Hoy izy taminazy: "Misangana, dra mandehana mindray amigny havanao, dra mitoera na ezana eza azonao hitoeran'agny atany hafa, akory Yaveh fa nitoka mosary ho avy eto amity tany ty mandrisy gny fito tao." 2 Ko dra nisanga rapela dra nakato gny zakanigny lelahin'agnahary. Nandeha nindray tamireo havany izy dra nitoby tagny amigny taninigny Filistina fito tao. 3 Dra gny faranigny fito tao dra nihery boak'agny amigny Filistina rapela, dra nagnagny amigny pazaka ze ba hengavy gny amigny tragnony vo gny amigny taniny. 4 Dra gny pazaka nizaka tamin'i Gehaza panoponigny lelahin'Agnahary, nanao anizahoky ho: "Ba zakao anahy re reo raha lahibe aby ze nataon'i Elisa." 5 Dra raha nizaka tamigny pazaka gny fomba nameloman'i Elisa gny zaza ze fa maty izy, dra avy gny apela reninigny zazanivelominy ba hengavy gny pazaka gny amigny tragnony vo gny taniny. Hoy i Gehazy : "Ry pazaka, topoko, tiky gny apela, dra tihoky koa gny zanany lahy, ze nivelomin'i Elisa." 6 Gny fa nagnotany an-drapela momba gny zanany gny pazaka, dra nihazavany taminazy zay. Dra nandidy gny mana-pahefa raiky honazy gny pazaka, nanao anizahoky ho: "Aheregno aminazy ze anazy aby dra gny vakasy gny sakany aby hatramigny andro ze agnengany gny tany dra hatramizao." 7 Nagnagny Damaskosy tagny amize nahararian'i Beni-hadada pazakan'i Syria i Elisa. Nizaka gny pazaka ho: "Avy eto gny lelahin'Agnahary." 8 Hoy gny pazaka tamin'i Hazaela: "Mindesa fagnomeza egny atagnanao dra mandehana miseza gny lelahin'Agnahary, dra magnotania an'i Yaveh amigny alalany, manao anizahoky ho: "Ho sitrany amizao aretina zao ra zaho?"' 9 Dra nandeha niseza anazy i Hazaela dra ninday fagnomeza tamin'izay raha-soa isakarazany boak'ao Damaskosy, nandesy rameva efapolo. Dra avy i Hazaela vo nizoro teo anoloan'i Elisa dra nanao anizahoky ho: "Gny zanadahinao Beni-hadada pazakan'i Syria gny nagniraky anahy hoatiky aminao, manao anizahoky ho: 'Ho sitrany amizao arety zao ra zaho?"' 10 Hoy i Elisa taminazy: "Mandehana, zakao i Beni-hadada ho: 'Ho sitrany tokoa hanao', nefa i Yaveh fa napiseho anahy fa ho maty tokoa izy." 11 Dra nibazina an'i Hazaela mandra-pahamegnas'anazy i Elisa, dra nitomagny gny lelahin'Agnahary. 12 Nagnotany i Hazaela ho: "Nagnino hanao tomagnio, ry topoko?" Namaly izy ho: "Akory fatako gny rasy ze hataonao amigny vahoakin'Israely. Hagnoro gny ferova fatrasy ereo hanao, dra hamono gny tovolahin'ereo amigny mesa, handrasa gny zaza madinik'ereo hanao, dra handrasa gny apela bevoka ao amin'ereo." 13 Hazaela namaly ho: "Iza moa ty panoponao, gny hanao anizay raha lahibe zay izy? Amboan'avo izy." Namaly i Elisa ho: "Fa nasehon'i Yaveh anazhy fa ho lasa pazakan'i Syria hanao." 14 Dra nagnenga an'i Elisa i Hazaela dra nagnagny amigny topony, ze nizaka taminazy ho: "Ino gny nizakan'i Elisa taminao?" Namaly izy ho: "Nizaka taminahy izy fa ho sitranytokoa hanao." 15 Dra gny maraindray dra nangalaky bodofosy i Hazaela dra nanoboky anizay teo amigny tarehin'i Beni-hadada ba ho maty izy. Dra lasa pazaka nandimby gny toerany i Hazaela. 16 Tamigny tao fahadimy nazakan'i Jorama zanadahin'i Ahaba, pazakan'Israely, dra nanomboky nazaka i Jehorama. Izy ndra zanadahin'i Josafata pazakan'i Joda. 17 Jehorama dra ro amby telopolo tao gny nanomboky nazaka, dra nazaka nandrisy gny valo tao tao Jerosalema izy. 18 Nandeha tamireo lalanigny pazakan'Israely i Jehorama, manahaky anize nataony gny havan'i Ahaba; akory nangalaky gny zanak'apelan'i Ahaba ho valy izy, dra nanao rasy teo amason'i Yaveh izy. 19 Na dre zay aza, nohonigny amin'i Davida panopony, dra sy te-handrava an'i Joda i Yaveh, akory nizaka taminazy Izy fa hagnome anazy taranaky mandrakariva. 20 Tamigny andron'i Jehorama, dra nikomy nanohisy gny tagnan'i Joda i Edoma, dra nametraky pazaka ho anigny vatany ereo. 21 Boak'eo dra nisaky nindray tamireo pifehiny vo reo kalesany aby i Jehorama. Dra nisanga izy gny hariva dra nanafiky vo namely reo Edomita, ze nagnodidin'anazy vo reo pifehy reo kalesa. Dra nienga tagny atragnon'ereo gny tafik'i Jehorama. 22 Dra nikomy nanohisy gny fisipik'i Joda mandrak'amizao i Edoma. Nikomy avo koa i Libna tamin'io fotoa io. 23 Dra gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Jerohama, ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokin'ireo tataranigny pazaka'i Joda ra zay? 24 Maty dra nisahasy nindray tamireo razany i Jehorama, dra nalevy nindray tamireo razany tao atanan'i Davida. Dra i Ahazia zanany lahy gny hazary pazaka nandimby toerany. 25 Tamigny tao faharo ambiny folo nazakan'i Jorama zanadahin'i Ahaba, pazakan'i Israely, gny nanomboky nazaka i Ahazia, zanadahin'i Jehorama, pazakan'i Joda. 26 Ro amby ropolo tao i Ahazia gny nanomboky nazaka; nazaka nadrisy gny heri-tao tao Jerosalema izy. Gny agnara-dreniny dra Atalia; izy dra zanakapelan'i Omry, pazakan'Israely. 27 Dra nandeha tamireo lalanigny havan'i Ahaba i Ahazia; nanao ze rasy teo amason'i Yaveh izy; manahaky ze nataonigny akohonan'i Ahaba, akory i Ahazia dra vinato lahy tamigny taranak'i ahaba. 28 Nandeha nindray tamin'i Jorama zanadahin'i Ahaba i Ahazia, ba hialy amin'i Hazaela, pazakan'i Syria, ao Ramotagileada. Nandrasy an'i Jorama reo Syriana. 29 Nihery i Jorama pazaka ba hosabon'agny Jezirela amireo rasy ze nataon'ireo Syriana taminazy tao Rama, gny fa nialy tamin'i Hazaela pazaka izy. dra i Ahazia zanadahin'i Jehorama, pazakan'i Joda, nizoso ho agny Jezirela ba hagnety an'i Jorama zanadahin'i Ahaba, akory narasy i Jorama.