1 Hoy Elisa ho: "Tenoy gny zakan'i Yaveh." Zao gny voazakan'i Yaveh: 'Maraindray amigny ora manahaky anizao dra ho sekely raiky gny vilinigny koba soa toto eranigny famaragna, dra ho sekely raiky gny vary hordea ro famaragna, eo am-bavahadin'i Samaria."' 2 Dra namaly gny lelahin'Agnahary gny gny lahibenigny piamby raiky ze nagnakignany gny tagnany, dra nizaka ho: "Ingo, na dre hanao vatrangarakely egny amigny lagnisy aza i Yaveh, hitranga ra ze raha zay?" Dra namaly Elisa ho: "Ingo, hahita gny fitrangan'izay reo masondrareo, kanefa sy hihinan'amizay handrareo." 3 Dra nisy efa-dahy boka teo ivelanigny vavahadinigny tana. Nifapizaka ereo ho: "Nagnino isika gny tokony mizanon'eto mandra-pahafatisika? Raha hizaka isika ho tokony hidisy ao amigny tana isika, kanefa misy mosary ao atana, dra ho maty agny isika. 4 Nefa raha hizanon'eto isika dra bo ho maty avo koa. Dra ndao, ndao isika ho agny amigny tafikin'ireo Syriana. Raha sy mamono asika ereo, dra ho velo isika, fa raha mamono asika ereo, dra ho maty isika 5 Dra nandeha ereo gny menandro ba hagnagny amigny tobinigny Syriana; gny fa avy egny amigny farisy ivelanigny toby ereo, dra sy nisy olo tao. 6 Fa napaharezinigny Topo gny feon'ireo kalesy, vo gny feon'ireo vovala__gny feon'ireo tafiky lahibe hafa, gny tafikigny Syriana, dra nifapizaka ereo ho: "Gny pazakanIsraely dra fa nagnarama reo pazakan'ireo Hetita vo reo Egyptiana ba ho avy hanohisy asika. 7 Dra nenga reo maramila gny menandro; nangan'ereo gny lainy, reo sovalany, reo apondrany, dra manahaky anizay koa gny toby, dra nengaho agny ainy ereo. 8 Gny fa niavy teo amigny farisy ivelanigny toby reo lelahy boka reo, dra nihina vi ninondrano, dra nangalaky volafosy vo volamena dra akazo, dra nandeha vo nanafiky reo. Naheriny ereo dra nilisy tao amigny lay hafa dra nandrobaky gny tao avo koa ereo, dra nandeha dra nagnavony anazy. 9 Boak'eo dra nifapizaka ereo ho: "Sy manao gny mary isika. Andronigny filazasara zao andro zao, nefa mita fahangina momba anizay isika. Raha mandigny mandra-pahazavanigny andro isika, dra hisy famaiza hihasy amisika. Amizao dra, ndao isika handeha dra hizaka gny akohonanigny pazaka." 10 Nandeha ereo dra nitoka reo piamby vavahady tao atana. Hoy reo tamin'ereo: "Nagnagny amigny tobin'ireo Syriana zahay, nefa sy nisy olo tao, sy nisy feon'olo, fa reo sovala vo apondra mifehy gny ao, dra reo lay ze nitobohany." 11 Dra nikioky fatrasy reo vaovao gny piamby vavahady, boak'eo dra nizaka tao amigny akohonanigny pazaka zay. 12 Dra nifoha gny pazaka gny hariva dra nizaka tamireo panopony ho: "Amizao dra zakako amindrareo gny nataon'ireo Syriana tamisika. Fatas'ereo fa resy isika, dra niala gny toby ereo ba hivony agny agnahisy. Hoy ereo: "Gny fa miboaky gny tana ereo, dra hataosika sambo-belo, dra hidirasika gny tana."' 13 Namaly gny raiky tamireo panoponigny pazaka sady nizaka ho: "Mitalaho aminao zaho, angao hangalaky dimy amireo sovala tavela reo lelahy, dra ze tavelatao atana zay. Ereo dra manahaky gny ambin'ireo vahoakin'Israely gny fa ze tavela_fa maty gny akamaroany amizao;aoky isika handefa anereo dra hahita." 14 Dra nangalaky kalesa ro nindray tamigny sovala ereo, dra nirahinigny pazaka hagnoriky reo tafikin'ireo Syriana ereo, nizaka ho: "Mandehana dra atio." 15 Nandeha nagnaraky anereo hatragny Jordana ereo, dra feno fitafia vo fitova ze narian'i Syriana tami-pikoropaha gny lalan'aby. Dra nihery gny pinday hafasy dra nizaka tamigny pazaka. 16 Nienga reo vahoaky sady nandrobaky gny tobin'ireo Syriana. Dra namarosy ho sekely raiky gny koba soa toto eranigny famaragna, dra vary hordea ro famaragna dra sekely raiky, araky gny fa voazakany gny zakan'i Yaveh. 17 Nibekonigny pazaka gny lelahinigny piamby ze mariny anazy ba hiamby gny vavahady, dra voahisakisak'ireo vahoaky teo am-bavahady izy. Dra maty izy manahaky gny fa voazakanigny lelahin'Agnahary, ze nizaka gny fa nizoso aminazy gny pazaka. 18 Dra niseho zay araky gny fa nizakanigny lelahin'Agnahary tamigny pazaka ho: "Amizao fotoa zao eo am-bavahadinigny Samaria, dra azo vily ho sekely raiky gny vary hordea ro famaragna, dra gny koba soa toto raiky famaragna dra ho sekely raiky." 19 Namaly anigny lelahin'Agnahary zay lahibenigny piamby zay sady nizaka ho: "Ingo, na dre hanao vatrangarakely egny an-dagnisy aza i Yaveh, hitranga ra ze raha zay? Fa nizaka i Elisa ho: "Ingo, hahita gny fitrangan'izay amigny masondrareo handrareo, kanefa sy hihinan'aminizay handrareo. 20 Manahaky anizay tokoa gny niseho taminazy, akory voahisaky gny vahoaky teo am-bavahady izy, dra maty.