1 Ereo zanaky gny mpaminany nizaka tamigny Elisa ho: ''Ze toera himpetrahanay miarak'aminao dra tena masaiky loasy ho anay aby. 2 Angao re zahay handeha ho agny Jordana, dra angao gny olon'aby ba hanapaky hazo agny, dra angao zahay hagnory toera hahafahanay mitoby agny." Namaly i Elisa ho: "Afaky mandeha handrareo." 3 Gny raiky tamin'ereo nizaka ho: "Mandehana re mindray amireo panoponao." Dra namaly Elisa ho: "Handeha zaho." 4 Ko nandeha nindray tamin'ereo izy, dra gny fa avy agny Jordana ereo, dra nanomboky nanapaky hazo. 5 Fa raha teo apikapa gny raiky, dra nilasaky tao agnaty rano gny lela-pamaky; nikioky fatrasy izy dra nizaka ho: "Loza, ry topoko, nindraminy igny!" 6 Dra hoy gny lelahin'Agnaharary ho: "Teza gny nilasahany?" Dra natoronigny olo an'i Elisa gny toera. Dra nanapaky tapa-kazo izy, dra nagnary anizay tao agnaty rano, dra napisingeva gny vy. 7 Hoy i Elisa ho: "Alao io." Dra nagnizisy gny tagnany gny olo dra nangalak'anazy. 8 Dra nanangan'aly Tamin'Israely gny pazakan'i Syria. Nizaka tamigny panopony izy, nanao anizahoky ho: "Agny amigny toera manahaky anizao vo manahaky anizao gny hotobiako." 9 Dra gny lelahin'Agnahary ze nalefa tagny amigny pazakan'Israely, nizaka ho: "Mitandrema sy handalo amizay toera zay, fa hizoso agny reo Syriana." 10 Nandefa hafasy tagny amigny toera ze voazaka vo napitandremanigny lelahin'Agnahary anazy gny pazakan'Israely. Sy indray mandeha na indro avo, gny fa nandeha tagny gny pazaka, dra malio izy. 11 Nasiaky fatrasy tamireo fapitandrema gny pazakan'i Syria, dra nitoka reo panopony izy dra nizaka tamin'ereo ho: "Sy nizaka aminahy ea handrareo ho iza eo amindrareo gny miandany amigny pazakan'Israely?" 12 Dra hoy gny raiky tamireo panopony ho: "Aha, ry pazaka, topoko, fa i Elisa paminany ao Israely gny mizaka amigny pazakan'Israely reo zaka ze zakanao ao amigny efitragno fandrianao!" 13 Dra namaly gny pazaka ho: "Mandehana dra taliavo gny misy an'i Elisa ba hahafahako mandefa olo hanambosy anazy." Nizakany taminazy ho: "Ingo, agny Dotana izy." 14 Dra nandefa sovala maro, kalesa, dra tafiky lahibe tagny Dotana gny pazaka. Tamigny hariva izy gny avy dra nagnodidy gny tana igny. 15 Gny fa nifoha maray vo niboaky tagny ivelany gny panoponigny lelahin'Agnahary, dra ingo, gny tafiky lahibe mitikisy sovala vo kalesa nagnodidy gny tana. Hoy gny panopo taminazy ho: "O, ry topoko! Ino gny hataosika?" 16 Elisa namaly ho: "Ka matahosy, fa reo ze mindray amisika dra bo maro kokoa noho reo ze mindray amin'ereo." 17 Nivavaky i Elisa dra nizaka ho: "Ry Yaveh, mitalaho aminao gny ba hanokafanao gny masony ba hahita zaho." Dra nisokafin'i Yaveh gny masonigny panopo, dra nahita izy. Ingo, gny tendrombohisy dra feno sovala vo kalesa afo nagnodidin'an'i Elisa! 18 Gny fa nizoso teo aminazy reo Syriana, dra nivavaky tamin'i Yaveh i Elisa dra nizaka ho: "Mangataka aminao zaho, atovy poaky reo olo reo." Ko nipoahiny gny mason'ereo, araky gny nangatahin'i Elisa. 19 Dra hoy i Elisa tamireo Syriana ho: "Sy io gny lala, na gny tana. oriho zaho, fa handesiko agny amigny olo ze taliavinao handrareo." Boak'eo dra nitarihiny ho agny Samaria ereo. 20 Dra gny avy tagny Samaria ereo, dra hoy i Elisa ho: "Ry Yaveh, sokafo gny mason'ireo olo reo ba hahafahan'ereo mahita." Dra nisokafin'i Yaveh gny mason'ereo dra nahita ereo, dra ingo, teo agnevonigny tanan'i Samaria ereo. 21 Hoy gny pazakan'Israely tamin'i Elisa, gny fa nahita anereo izy: "Ry rako, tokony hovonoko raereo? Tokony hovonoko ra ereo?" 22 Elisa namaly ho: "Aoky sy hamono anereo hanao. Hovononao ra reo ze nobaboanao tamigny sabasy vo gny sipiky? Mametraha mofo vo rano eo anoloan'ereo, ba hihina vo hino ereo, dra mandehana agny amigny topon'ereo." 23 Ko nagnoma sakafo maro ho anereo gny pazaka, dra gny fa nihina vo nino ereo, dra nalefany, vo nihery tagny amigny topony. Sy nihery tagny amigny tanin'Israely nandrisy gny fotoa ela reo tariky gny maramila Syriana. 24 Fotoa fohy tafaran'izay dra namory gny tafiny i Beni-hadada dra nanafiky an'i Samaria vo nanao fahirano anazy. 25 Dra nisy mosary lahibe tagny Samaria. Ingo, nanao fahirano ereo mandra-pahalafo ho sekely volafosy valopolo gny lohan'apondra raiky, dra gny taim-boromailala apahefasy gny kaba ho sekely volafosy dimy. 26 Raha nandalo teo amigny manda gny pazakan'Israely, dra nisy apela nikioky taminazy, nizaka ho: "Vizeo, ry pazaka, topoko." 27 Hoy izy: :Raha sy magnapy anao i Yaveh, ino gny hahafahako magnapy anao? Misy raha ra avy amigny famoloa vo gny famiazam-boaloboky?" 28 Dra nanohy gny pazaka ho: "Ino gny olonao?" Dra namaly izy ho: "Hoy ty apela tihoky taminahy: 'Omeo gny zanakao ba hihinanasika anazy amizao, dra hihina gny zanako isika maraindray."' 29 Dra napangotrahinay gny zanako dra nihaninay, dra nizaka taminazy zaho gny andro magnaraky ho: "Omeo gny zanakao ba hihinanasika anazy, kanefa fa navoniny gny zanany." 30 Dra gny fa nahare reo zakan-drapela gny pazaka, dra naniasy gny akazony izy (dra nandalo teo amigny manda izy). dra nagnety vo nahita fa nanan'atinakazo lamba fandala izy, tagny ambatany. 31 Dra hoy izy ho: "Aoky anie Zagnahary hanao anizay aminahy, mihoasy noho izay aza, raha mitoby ao aminazy gny lohan'i Elisa zanak'i Safata amizao." 32 Fa i Elisa nitoby tao atragnony, dra reo loholo nindray nitoby taminazy. Nandefa olo raiky boak'eo anoloany gny pazaka, nefa gny fa avy tagny amin'i Elisa gny pinday hafasy, dra hoy izy tamireo loholo ho: "Ingo, ino gny fomba nandefasa ty zanaky panopo olo tihoky olo hanapaky gny lohako? Ingo, gny fa avy gny pinday hafasy, dra hilio gny vatrangara, dra hazogny hihily ba sy hidirany gny vatrangara. Moa ra sy feo tombony gny topony zay ao afaran'izay? 33 Raha bo nanohy nizaka tamin'ereo izy, dra ingo, nizoso teo aminazy gny pinday hafasy. Hoy gny pazaka ho: "Ingo, avy amin'i Yaveh zao loza zao. Nagnino Zaho gny tokony bo handigny an'i Yaveh avo?"