1 Dra gny valinigny rany tamireo zanaky gny paminany avy nitomagny tamin'i Elisa, nanao anizahoky ho: "Maty gny valiko gny panoponao, dra fataso fa gny panoponao dra natahosy an'i Yaveh. Amizao gny pamindram-bola dra avy hangalaky reo zanako ro ba ho panopony," 2 Dra hoy i Elisa taminazy: "Ino gny azoko atao honao? Zakao anahy ino aby gny hanagnanao ao atragnonao?" Dra hoy izy: "Sy mana na ino na ino afa-sy dililo tavoara raiky gny panoponao ao atragno." 3 Dra hoy i Elisa: "Mandehana mindra siny agny amireo piray vodirindrin'aminao, siny sy misy na ino na ino." Farak'ze besaky hindramy. 4 Boak'eo dra sy maisy midisy ao agnatiny hanao dra mirindrym-batrangara ao hanao vo reo zanakao lahy, dra mandraraha dililo ao amigny siny aby; dra atokano reo siny ze feno." Dra nagnenga an'i Elisa izy dra nadridrivatrangara izy sy ereo zanany lelahy. Nizaka ereo tao aminy ereo siny, dra nifenony dililo ereo. 6 Raha feno gny siny, dra hoy izy tamin'ereo zanany: ''Hinday siny hafa zaho.'' Fa hoagny gny zanany taminy: ''Sy misy siny sasy.'' Dra sy niraraky sasy gny dililo 7 Dra avy izy dra nizaka tamigny lelahin'i Zagnahary. Hoy izy ho: ''Mandehana, varoty gny dililo; aloavo gny trosanao, dra hivelomy miaraky amin;ereo zanakao lelehy gny amby.'' 8 Ndray andro i Elisa nandeha tagny Sonema agny amize hitobohanigny apela manan-daza raiky; nasainy hindray hihinan'aminazy izy. Dra isika gny handalo izy, dra hizano vo hihina ao. 9 Hoy gny apela tamigny valiny: "Ingo, mahasapa zaho amizao fa izy dra lelahy masin'Agnahary ze mandalo mandrakariva. 10 Handeha sika hanao efisy kely agnabo riha ho an'i Elisa, dra hasiasika fandria ao agnatiny, latabasy, seza, dra ziro. Dra gny fa avy eto amisika izy, dra hizanon'eto." 11 Dra avy ndraiky gny andro dra nizano tao i Elisa, nitoby tao amigny efisy izy dra nangalaky ay tao. 12 Hoy i Elisa tamin'i Gehazy gny panopony: "Tokavo io Sonemita io." Gny fa boaky nitoka anazy izy, dra nisanga teo agnatrehany. 13 Dra hoy i Elisa taminazy: "Zakao amin-drapela ho: 'Fa nagnatiky amizao olo aby zao hanao ba hiahy anay. Dra ino gny azo atao honao? Afaky misolo vava anao agny amigny pazaka na agny amigny lelahinigny tafiky ra zahay?"' Dra namaly izy ho: "Miara-mipetraky amigny vahoakiko zaho." 14 Dra hoy i Elisa: "Ino zay gny azosika atao ho anazy?" Dra namaly i Gehazy ho: "E vatany, sy managnanaky izy, dra fa atisy gny valiny." 15 Dra namaly i Elisa ho: "Tokavo izy." Gny fa boaky nitoka anazy izy, dra nisanga teo amigny vatrangara. 16 Hoy i Elisa: "Amigny fotoa manahaky anizao, afaky heri-tao, dra hotrotro zazalahy hanao." Dra hoy rapela: "Aha, ry topoko sady lelahin'Agnahary, ka mavandy amigny panoponao." 17 fa gny taona magnaraky avo rapela dra navesasy dra niteraky zazalahy, araky ze fa nizakan'i Elisa taminazy. 18 Gny fa niha-lahibe gny zaza, ndraik'andro dra nandeha nindray tamigny rany, ze nindray tamireo paziza izy. 19 Hoy izy tamigny rany: "Gny lohako, gny lohako." Dra hoy gny rany tamigny panopony: "Andeso agny amigny reniny izy." 20 Gny fa nangalaky anazy vo ninday gny zazalahy tagny amigny reniny gny panopo, dra nitoby teo agnevonigny zaza mandra-pitaovovona dra maty boak'eo. 21 Dra nisanga gny apela dra nametraky gny zanadahiny teo amigny fandrianigny lelahin'Agnahary, nagnily gny vatrangara, dra niboaky. 22 Nitoka gny valiny izy, dra nizaka ho: "Ba andefaso raiky amireo panopo vo raiky amireo apondra re zaho ba hahafahako mandeha malaky agny amigny lelahin'Agnahary dra hihery boak'eo." 23 Dra hoy gny valiny: "Nagnino hanao gny te-ho agny aminazy hanao? Sy sinam-bola na Sabata zao." Dra namaly izy ho: "Sy magnino re." 24 Dra nasiany lasely gny apondra raiky dra hoy izy tamigny panopony ho: "Apandehano mora raha sy mizaka zaho." 25 Dra nandeha rapela dra avy tao amigny lelahin'Agnahary tagny amigny Tendrombohisy Karmela. Dra gny fa nahita anazy lavisegny gny lelahin'Agnahary, dra nizaka tamin'i Gehazy panopony izy ho: "Ingo, avy gny apela Sonemita. 26 Mihazakazaha malaky ba hisena anazy vo hizaka aminazy ho: "Milamina ra gny aminao vo gny valinao dra gny zanakao?"' Dra namaly izy ho: "Milamina soa." 27 Gny fa avy teo amigny lelahin'Agnahary tagny atendrombohisy rapela, dra nihazogny gny tombony. Nagnato mariny i Gehazy ba hangalaky anazy kanefa hoy gny lelahin'Agnahary ho: "Angao izy, fa tohy tateraky, dra navonin'i Yaveh taminahy gny olana, dra sy nizaka na ino na ino taminahy izy." 28 Dra hoy rapela: "Nangataky zanaky taminao ra zaho, ry topoko? Sy fa nizaka ra zaho ho: 'Ka fitahy zaho'?" 29 Dra hoy i Elisa tamin'i Gehazy: "Mekazoa dra andeso amigny tagnanao gny tehiko. Mandehana agny atragnony. Raha mifanena amigny olo hanao, dra ka miaraba anazy, dra raha misy olo miarahaba anao, dra ka mamaly anazy. Ateheno eo amigny tarehinigny zaza gny tehiko." 30 Fa gny renigny zaza nizaka ho: "Raha velo koa i Yaveh, dra raha velo koa hanao, dra sy hagnenga anao zaho." Dra nisanga i Elisa dra nagnaraky anazy. 31 Neloha malaky anereo i Gehazy dra nametraky gny tehina teo amigny tarehinigny zaza, nefa sy nizaka na nahare gny zaza, nefa sy nizaka na nahare gny zaza. Dra nihery tagny amin'i Elisa i Gehazy dra nizaka taminazy ho: "Bo sy nifoha gny zaza." 32 Gny fa avy tao atragno i Elisa, dra bo maty teo agnabo fandria gny zaza. 33 Dra nidisy tao i Elisa dra niridrim-batrangara tao izy vo gny zaza dra nivavaky tamin'i Yaveh izy. 34 Nisanga izy dra nandry teo amigny zaza; nanoby gny molany teo amigny molany, gny masony teo amigny masony, dra gny tagnany teo amigny tanany. Nagnizisy gny tagnany teo amigny zaza, dra lasa nafana gny vatanigny zaza haky masaiky. 38 Dra nihery tagny Gilgala ndraiky i Elisa. Nisy mosary tao amigny tany, dra nitoby teo anoloany reo zanaky gny paminany. Hoy izy tamigny panopony: "Atovy eo amigny afo gny siny lahibe dra mahandroa hany ho an'ireo zanaky gny paminany." 39 Nizoso tagny agnahisy ba hitango legioma gny raiky tamin'ereo. Nahita voaloboky izy dra namory tanatanamanga dra ba hamenao gny moro-tomboky gny akazony. Nitapahiny dra natao'ereo tao amigny hany izay, nefa sy nahafatasy gny karazan'izay ereo. 40 Dra nandoasy gny hany ba ho hanin'ireo lelahy ereo. Afaky kelikely, raha teo am-pihinana ereo, dra nikioky fatrasy nanao anizahoky ho: "Ry lelahin'Agnahary, misy mahafaty ao am-bilagny!" Dra sy afaky gny hihinan'anizay sasay ereo. 41 Fa hoy i Elisa ho: "Mindesa koba." Nagnary anizay tao agnaty vilagny izy dra nizaka ho: "Loharo ho anigny olo zay, ba hihina ereo." Dra sy nisy raha mahafaty sasy tao am-bilagny." 42 Nisy lelahy raiky boak'agny Bala-salisa nagnagny amigny lelahin'Agnahary dra ninday mofo vita tamigny vary hordea ropolo vao niziza, dra salohim-bary vao vao tao agnaty kitapony. Hoy izy: "Omeo an'ireo olo reo ba hahafahan'ereo mihina." 43 Hoy gny panopony: "Nagnino gny hagnomezako anizay an'ireo olo zato?" Fa hoy i Elisa ho: "Omeo gny olo tahoky, ba hahafahan'ereo mihina, akory i Yaveh nizaka ho: "Hihina ereo dra hagnenga ambiny." 44 Dra nagnome anizay anazy reo gny panopony; dra nihina ereo, dra nisy sisa tavela, araky gny zakany fapanatenan'i Yaveh.