Toko faha 3

1 Tamigny taona fahavalo ambiny folo nazakan'i Josafata pazakan'i Joda, gny nanomboky nazaka teo amin'Israely tao Samaria i Jorama zanadahin'i Ahaba; nazaka nandrisy gny ro ambiny folo tao izy. 2 Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh izy, fa sy ba manahaky gny rany vo gny reniny; fa nalany gny sangam-bato masy an'i Bala ze namboarinigny rany. 3 Na izay aza dra nihazo reo fahotan'i Jeroboama zanadahin'i Nebata izy, ze napanota an'i Israely, sy nivily tamizay izy. 4 Dra i Mesa pazakan'i Moaba dra niopy agnondry. Sy maisy nagnome zanak'agnondry 100.000 vo volon'agnondry lahy 100.000 ho anigny pazakan'Israely izy. 5 Fa tafaranigny nahafatesan'i Israely gny pazakan'i Moaba. 6 Dra nagnenga an'i Samaria i Jorama pazaka tamizay fotoa zay ba haneta gny Israely aby ho amigny aly. 7 Nandefa hafasy tamn'i Josafata pazakan'i Joda izy, nizaka ho: "Fa nikomy hanohisy anahy gny pazakan'i Moaba. Handeha hiaraky aminahy hifanandry amin'i Moaba ra Hanao?" Namaly i Josafata ho: "Handeha zaho, manahaky anao avo zaho, gny oloko dra manahaky gny olonao, reo sovalako dra manahaky reo sovalanao." 8 Dra nizaka izy boak'eo ho: "Amigny lalan-eza gny tokony hanafihasika?" Namaly i Josafata ho: "Amigny lala mamaky gny efis'i Edoma." 9 Dra nandeha nihodidy nandrisy gny fito andro reo pazakanIsraely, Joda, dra Edoma. Sy nahita rano ho anigny tafik'ereo, gny ho an'ireo sovalany vo reo biby hafa. 10 Ko nizaka gny pazakan'Israely ho: "Fa ino tiky? Moa ra niaso pazaka telo hanolosy ho eo atagnan'i Moaba i Yaveh?" 11 Kenefa nizaka i Josafata ho: "Sy misy paminanin'i Yaveh ra gneto, hahafahasika mangalaky torohevisy amin'i Yaveh amigny alalany? Dra namaly gny raiky tamigny panoponigny pazakan'i Israely nanao anizahoky ho: "Eto i Elisa zanadahin'i Safata, ze nandraraky rano teo atagnan'i Elia." 12 Hoy i Josafata: "Momba anazy gny zakan'i Yaveh." Dra nizoso nagnagny aminazy, i Josafata, pazakan'Israely, dra gny pazakan'i Edoma. 13 Hoy i Elisa tamigny pazakan'Israely: "Pifagnino moa zaho vo hanao? Mandehana magnagny amireo paminany gny ranao vo gny reninao." Dra nizaka taminazy gny pazakan'Israely ho: "Aha, akory i Yaveh nitoka ty pazaka telo tahoky nindray ba hanolosy anazy ho eo atagnan'i Moaba." 14 Namaly i Elisa: "Raha bo velo koa i Yaveh toponigny maro, ze eo agnatrehany gny hijoroako, raha sy nohonigny fagnazako gny fagnatrehan'i Josafata pazakan'i Joda, dra sy niteno anao zaho, na nagnety anao akory. 15 Fa amizao hindeso pitendry raha-magneno zaho." Dra gny fa nitendry gny pitendry lokanga, dra avy teo amin'i Elisa gny tanin'i Yaveh. 16 Nizaka izy ho: "Zao gny nambaran'i Yaveh, 'Fenoy haly kely io lohasahan-driaky maiky io.' 17 Fa hoy i Yaveh: 'Sy hahita rivosy hanao, na ora, fa ho dibo-drano io lohasaha-driaky io, dra hino handrareo, hatrareo vo gny biby tezandrareo vo gny bibindrareo aby.' 18 Zay dra raha mora eo amason'i Yaveh. Hagnome andrareo fandrese eo amireo Moabita avo koa Izy. 19 Hanafiky gny tana voaaro fatrasy vo tana soa aby handrareo, hanapaky gny hazo soa aby, hagnazano gny loharano aby, dra handrava reo tany soa aby amigny vato." 20 Ko tamigny maray nagnodidy gny fotoa fanolora gny soro, dra nisy rano nikoria boak'agny Edoma; dibo-drano gny tany. 21 Dra nony nahare reo Moabita aby fa avy hialy aminazy reo pazaka, dra nindray nivory ereo, reo aby ze afaky nanao akazo ferova, dra nisanga teo amigny sisi-tany ereo. 22 Nifoha maray ereo dra gny masoandro nitarasy teo aminigny rano. Nony nahaita gny rano teo apitany reo Moabita, dra niloko mena manahaky gny lio zay. 23 Nihoraky fatrasy ereo ho: "Lio io! Tena ringa vatany reo pazaka, dra nifamono ereo! Amizao ary, ry Moaba, andeha sika handroba anereo!" 24 Nony nagnagny amigny tobin'Israely ereo, nanapoky reo Israelita ereo dra nanafiky reo Moabita, ze nienga teo agnatrehany. Nitarihinigny tafik'Israely nanera gny tany reo Moabita, dra nivonon'ereo. 25 Nioitehiny reo tana, dra gny velara-tany soa aby dra nifafazanigny lelahy aby vato mandra-paharakosy zay. Nitapenan'ereo gny loharano aby, nikapain'ereo gny hazo soa aby. Dra kiraharesa sisa gny tavela sy nihesiky gny vatony. Fa nididin'ireo maramila pita asamotaly zay dra nitafihiny. 26 Nony hitan'i Mesa pazakan'i Moaba fa resy agnaly izy, dra nangalaky pita mesa fitozato nindray taminazy izy hanafiky gny pazakan'i Edoma, kanefa sy nahomby ereo. 27 Dra nalany gny zanany lahitoka ze tokony nazaka nandimby anazy, dra natolony ho fagnatisy oroa teo agnabonigny manda izy. Dra nisy hatezera lahibe nihasy tamin'Israely, dra nagnenga an'i Mesa pazaka gny tafiky gny Israely dra noly tagny amigny taniny.