1 Dra gny fa handeha hapiakasy an'i Elia tamigny tafio-drivosy ho agny an-dagnisy i yaveh, dra niala tao Gilgala nindray tamin'i Elisa i Elia. 2 Hoy i Elia tamin'i Elisa: "Ba mizanogna eto re, akory fa nagniraky anahy ho agny Betela i Yaveh." Namaly Elisa ho: "Raha bo velo koa i Yaveh, dra raha bo velo koa hanao, dra sy hagnenga anao zaho." Dra nizoso tagny Betela ereo. 3 Nagnagny amin'i Elisa reo zanaky gny paminany ze tagny Betela dra nizaka taminazy ho: "Fatasao ra fa hangalaky gny toponao aminao i Yaveh androany?" Namaly Elisa ho: "E, fataso zay, fa ka mizaka momba anizay sasy. "Eliza, ba mandignisa eto re, akory fa nagniraky anahy ho agny Jeriko i Yaveh." Dra namaly Elisa ho: "Raha bo velo koa i Yaveh, dra raha bo velo koa hanao, dra sy hagnenga anao zaho." Dra nandeha tagny Jeriko ereo. 5 Dra nagnagny amin'i Elisa reo zanaky gny paminany ze tagny Jeriko dra nizaka taminazy ho: "Fatasao ra fa hangalaky gny toponao aminao i Yaveh androany?" Dra namaly Elisa ho: "E, fatako zay, fa ka mizaka momba anizay sasy." 6 Dra hoy Elia taminazy: "Ba mizanogna re, fa Yaveh fa nagniraky anahy ho agny Jordana." Namaly Elisa ho: "Raha bo velo koa Yaveh, dra raha bo velo koa hanao, dra sy hagnenga anao zaho." Dra nandeha ereo ro. 7 Tafarakelin'izay, nisy dimapolo tamireo zanaky gny paminany nisanga nifagnatriky tmin'ereo lavisegny raha nisanga teo amoron'i Jordana ereo ro. 8 Nalan'i Elia gny lambany, nahorongorony, dra nikapohiny tamizay gny rano. Nizara tamigny lafiny ro gny renirano dra nandeha tamigny tany maiky ereo ro. 9 Dra gny fa nisaky ereo, dra hoy Elia Tamin'i Elia: "Angataho aminahy ze tokony hataoko ho anao melohanigny hangalan'abahy aminao." Namaly Elisa ho: "Aoky re ba ho aby aminahy gny avo ro heninigny azara fagnahinao." 10 Namaly Elia ho: "Fa nangataky raha sarosy hanao. Na izay aza, raha hitanao zaho gny fa alan'aminao, dra hitranga aminao zay, fa raha sizy, dra sy hitranga zay." 11 Raha bo nandeha vo nizaka ereo, indro, nisy kalesy afo vo sovala afo niseho, ze nagnasaraky anereo ro lahy, dra niakasy tamigny tafi-drivosy tagny an-dagnisy i Elia. 12 Nahita anizay Elisa dra nikioky fatrasy ho: "Rako o, rako o, reo kalesan'Israely vo reo pitikisy anizay!" Sy hitany sasy i Elia, dra nihazogniny reo akazony dra nitriatiny ro reo. 13 Nalany gny lamban'i Elia zay lasaky boak'egny aminazy, dra nihery ba hizoro teo amoron'i Jordana izy. 14 Nizerany tamigny lamban'i Elia ze lasaky gny rano dra hoy izy: "Eza i Yaveh, zagnaharin'i Elia?" Gny fa nazera gny rano dra nisaky i Elisa. 15 Gny fa hitan'ireo zanaky gny paminany zay boak'agny Jeriko teo apitan'ereo izy, dra hoy ereo: "Mitoera ao amin'i Elisa gny fagnahin'i Elia!" Dra avy ba hisena anazy ereo, dra nekohoky taminigny tany teo agnatrehany. 16 Hoy ereo taminazy: "Indro amizao, misy lelahy mahery dimapolo eo amireo panoponao. Angao ereo handeha, mangataky zahay, ba hitalia gny toponao, soa dra napekary vo narianigny fagnahin'i Yaveh agny amigny tendrombohisy na agny amigny lohasaka izy." Namaly Elisa ho: "Aha, ka magniraky anereo." 17 Nefa gny fa napirisiky an'i Elisa mandra-pahamegnasy anazy ereo, dra hoy izy: "Iraho ereo." Dra nagniraky lelahy dimapolo ereo, dra nitalia nandrisy gny telo andro ereo, kanefa sy nahita anazy. 18 Nihery tagny amin'i Elisa ereo, raha nitoby tao Jeriko izy, dra hoy izy tamin'ereo: "Sy nizaka tamindrareo ra zaho ho: 'Ka mandeha'?" 19 Reo olony gny nizaka tamin'i Elisa ho: "Ingo, mengavy anao zahay, gny raha-misy eto amity tana tihoky dra mahafinarisy, araky zao hitanigny topoko zao, nefa rasy gny rano dra sy mamokasy gny tany." 20 Namaly Elisa ho: "Indeso lovia vaovao zaho dra asio sira ao agnatiny," dra ninday anizay teo aminazy ereo. 21 Niboaky nagnagny amigny loharano Elisa dra nagnary sira tao agnatin'izay; dra hoy izy ho: "Zao gny zakan'i Yaveh: 'Fa nagnasitrany reo rano reo zaho. Manomboky amizao fotoa zao, dra sy hisy fahafatesa na tany sy mahavokasy sasy.'" 22 Ko dra sitrany reo rano mandraka androany, tamigny alalanigny zaka ze nizakan'i Elisa. 23 Dra niakasy boak'ao ho agny Betela Elisa. Gny fa niakasy gny lalany izy, dra nisy tovolahy niboaky gny tana dra nanevateva anazy; hoy ereo taminazy: "Mekara, hanao ry Solaloha! Mekara, hanao ry solaloha!" 24 Nagnety tany afarany Elisa dra nahita anereo; nitoka an'i Yaveh izy ba hagnozon'anereo. Dra nisy beravava reo niboaky boak'ao agnala dra nandrasy ro amby efapolo tamireo tovolahy. 25 Dra niala teo ho agny atendrombohisy Kermela i Elisa, dra boak'eo gny niheregnany ho agny Samaria.