1 Taminigny andron'i Joiakima, dra nanafiky an'i Joda i Nebokadnezara pazakan'i Babylona; lasa panopony nandrisy gny telo tao i Joiakima. Dra nitoliky dra nikomy nanohisy an'i Nebokadnezera i Joiakima. 2 Nandefa gny tariky Kaldeana, Syriana, Moabita vo Amonita hanohisy an'i Joikima i Yaveh; nalefany hanohisy an'i Joiakima i Yaveh; nalefahanohisy an'i Joda ba handrava anizay ereo. Mifagnaraky aminigny zakan'i Yaveh, ze nizakany tamigny alalan'ireo paminany panopony zay. 3 Ka atoka fa taminigny vavan'i Yaveh gny nahavy anizay tamin'i Joda, ba hangalak'anereo sy ho eo amasony, nohonigny fahotan'i Manase, dra ze nataony aby, 4 dra nohonygny lio sy manasigny ze nalasany avo koa, akory nifenony taminigny lio sy manasigny i Jerosalema. Sy nivonona gny hagnenga anizay i Yaveh. 5 Raha gny amireo raharaha hafa aby mahakasiky an'i Joiakima, vo ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay? 6 Nimaty niaraky tamireo razambeny i Joiakima, dra Joiakima, dra joiakina zanany lahy gny lasa pazaka nandimby anazy. 7 Sy nanafiky tagny ivelany gny tanniny sasy gny pazakan'i Egypta, akory gny pazakan'i Babylona dra fa nandresy gny tany aby ze teo ambany fifehezanigny pazakan'i Egypta, hatraminigny Renirano Eofrata. 8 Valo ambiny folo tao i Joiakina gny nanomboky nazaka; nazaka telo vola tagny Jerosalema izy. Gny agnaranigny reniny dra i Nehosta, zanakapelan'i Elnatana boak'agny Jerosalema. 9 Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh izy; nanao ze rehetra nataonigny rany izy. 10 Tamizay fotoa zay gny tafik'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona dra nanafiky an'i Jerosalema dra nanao fahirano gny tana. 11 Avy teo atana i Nebokadnezara pazakan'i Babylona raha bo nanao fahirano zay gny miaramilany, 12 dra i Joiakina pazakan'i Joda nagnagny amigny pazakan'i Babylona, izy, gny reniny, reo panopony, reo andriany, dra reo manapahefany. Nisambosy anizay gny pazakan'i Babylona taminigny tao fahavalo nazakany. 13 Nalan'i Nebokadnezera boak'ao avokoa reo raha sarobily aby tao atragnon'i Yaveh, vo reo tao andapanigny pazaka. Nitapatapahiny gny raha volamena aby ze nataon'i Solomona pazakan'Israely tao amigny tepolin'i Yaveh, araky ze nizakan'i Yaveh fa hitranga. 14 Nataony sesitany i Jerosalema manotolo, gny pitariky aby, vo reo lelahy pialy aby, babo harivaraiky, vo reo panao tao-raha, dra reo panefy aby. Sy nisy nangany hizano afa-sy reo olo mahatra indindra teo amigny tany. 15 Nalan'i Nebokadnezara ho sesitany tao Babylona i Joiakina, bamigny reninigny pazaka, reo valiny, reo manapahefa, dra reo lahiben'ireo lelahy teo amigny tany. Nalany ho sesitany boak'agny Jerosalema agnagny babylona ereo. 16 Reo lelahy pialy aby, miisa fito arivo, panao asa tagna vo panefy vy harivaraiky, izy aby reo dra natao ho amigny aly avikoa__gny pazakan'i Babylona ninday reo lelahy aby reo ho sesitany ho agny Babylona. 17 Nataonigny pazakan'i Babylona ho pazaka handimby anazy i Matania, rahalahin-dran'i Joiakina, dra nivonony ho Zedekia gny agnarany. 18 Raiky amby ropolo tao i Zedekia gny nanomboky nazaka; nazaka nandrisy gny raiky ambiny folo tao tagny Jerosalema izy. Hamotala gny agnaranigny reniny; 19 Nanao ze rasy teo imason'i Yaveh izy; nataony ze rasy aby nataon'i Joiakima. 20 Taminigny fahorian'i Yaveh, gny nisehoan'ireo tranga aby reo tagny Jerosalema vo Joda, mandra-pandroahany anereo reo sy ho eo aminigny fagnatrehany. Dra nikomy nanohisy gny pazakan'i Babylona i Zedekia.