1 Dra tamigny tao fahasivy nazakan'i Zedekia pazaka, taminigny vola fahafolo, dra tamigny andro fahafolonigny vola, dra avy hanohisy an'i Jerosalema i Nebokadnezera pazakan'i Babylona vo reo tafiny aby. Nitoby teo agnilan'izay izy, dra nanangan'ereo rindry magnodidin'anizay. 2 Dra natao fahirano hatramigny faharaiky ambiny folo tao nazakan'i Zedekia pazaka gny tana. 3 Taminigny andro fahasivinigny vola fahaefasy tamizay tao zay, dra namely mafy gny mosary tao atana dra sy nisy sakafo ho anigny vahoakigny tany. 4 Dra vaky gny tana, dra gny lelahy pialy aby nenga taminigny hariva boak'eo amigny lalanigny vavahady teo agnelagnelan'ireo rindry ro, ze eo amigny zaridainigny pazaka, na dre nagnodidy gny tanan'aby aza reo Kaldeana. Nandeha tamigny lala magnagny Araba gny pazaka. 5 Kanefa nagneziky an'i Zedekia pazaka gny tafik'i Kaldeana dra nahatrasy anazy teo amigny lemaky gny lohasaka-dreniranon'i Jordana agnilan'i Jeriko. Dra niparitaky niala taminazy gny tafiny aby. 6 Nisamborin'ereo gny pazaka dra nandesiny niakasy tagny amigny pazakan'i Babylona tagny Ribla, tagny ereo gny nisara anazy. 7 Raha gny amireo zanadahin'i Zedekia koa, nivonon'ereo teo amason'ereo. Boak'eo dra nipisehin'ereo gny masony, nifaheny tamigny ravaky varahy izy, dra nizaka tagny Babylona. 8 Tamigny vola fahadimy, taminigny andro fahafitonigny vola, ze tao fahasivy ambiny folo nazakan'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona, dra nagnagny Jerosalema, i Nebozaradana, panoponigny pazakan'i Babylona vo lahiben'ireo piambiny. 9 Horoany gny tragnon'i Yaveh, gny lapanigny pazaka, dra gny tragno aby tao Jerosalema; dra noroany avo koa ze tragno lahibe manan-daza aby tao atana. 10 Dra reo rindry magnodidin'an'i Jerosalema aby, dra nipotehin'ireo tafiky Babylona ze teo ambany fifahezanigny lahibenigny piamby. 11 Raha gny amireo vahoaky ze sisa tavela tao atana, reo ze nagnenga gny pazakan'i Babylona, dra reo vahoaky ambiny__dra nalefan'i Neborazadana, pifehy gny piamby asisitany ereo. 12 Kanefa gny lahibenigny piamby dra nagnenga gny ilany tamireo mahatra indrindra amigny tany ba hiasa reo tanim-boaloboky vo reo saka. 13 Dra gny amireo andry varahy ze tao atragnon'i Yaveh, vo reo sangana dra reo tavin'andro varahy lahibe ze tao atragnon'i Yaveh, dra nipotepotehin'ireo Kaldeana dra nandesin'ereo nihery tagny Babylona gny varahy. 14 Reo vilagny, lapely, fitoera-ziro, sotro, dra reo fanaky varahy aby ze fapesanigny pisoron'eo atepoly__dra nalan'ireo Kaldeana avokoa. 15 Gny vilagny famafazan-davenoky vo gny lovia ze vita tamigny volamena, dra reo vita tamigny volafosy__dra nalanigny kapiteninigny piamby pazaka avo koa. 16 Reo andry ro, gny koveta, dra reo sangana ze nataon'i Solomona ho anigny tragnon'i Yaveh dra misy varahy sy hita ho zaka. 17 Gny haabonigny andry voalohany dra valo ambiny folo hakiho, dra nihengo kapitaly varahy gny topon'izay. Telo hakiho gny haabonigny kapitaly, miaraky amigny harato vo apongaben-dagnisy magnodidy gny kapitaly aby, natao tamigny varahy avokoa. Mitovy amigny harato voalohany avo gny raiky hafa. 18 Nalanigny lahibeny gny piamby i Seraia lahibenigny pisoro, nindray tamin'i Zefania, pisoro faharo, dra reo piandry vavahady telo. 19 Boak'ato atanany izy gny nangalaky tandapa raiky ho gandra ze nandraikisy reo maramila, dra dimy lahy tamireo dra pagnome hevisy gny pazaka, ze bo tao atana. Nigadrany avo koa gnymana-pahefanigny tafiky gny pazaka ze mendrekisy reo lelahy miofana ho ao amigny tafiky, nindray tamina enipolo lahy mana-kaza boak'amigny tany ao atana. 20 Dra i Nebozaradana, lahibenigny piamby, nangalaky vo naday anereo tagny amigny pazakan'i Babylona tagny Ribla. 21 Nivononigny pazakan'i Babylona tao Ribla tao amigny tany Hamata ereo. Manahaky anizay gny nanova sesitany an'i Joda tagny ivelany gny taniny. 22 Raha gny amireo vahoaky ze nizano tao amigny tanin'i Joda, reo ze nangan'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona, dra nametraky an'i Gedalia zanadahin'i Ahikama zanak'i Safana, hisahan'anereo izy. 23 Dra gny fa ren'ireo lahibenigny maramila aby, ereo vo reo olony, fa nataonigny pazakan'i Babylona governora i Gedalia, dra nandeha tagny amigny Gedalia, dra nandeha tagny amigny Gedalia tagny Mizpa ereo. Tahoky zay lelahy zay, Ismaela zanadahin'i Netania, Johanana zanadahin'i Karea, Seraia zanadahin'iTanometa gny Netofatita, dra i Jazania zanadahin'gny Makatita__ereo vo gny olon'ereo. 24 Nanao fianianana tamin'ereo vo tamireo olony i Gedalia, dra nizaka tamin'ereo ho: "Ka matahosy reo manapahefan'i Kaldeana handrareo. Mitoera eo amigny tany dra manopoa gny pazakan'i Babylona, dra ho soa ho andrareo zay." 25 Kanefa tamigny volana fahafito i Ismaela zanadahin'i Elisama, boak'amigny pianakaviny pazaka, dra nandeha nindray taminy folo lahy dra nanafiky an'i Gedalia. Maty nindray tamireo olon'i Joda vo reo Babyloniana ze nindray taminazy tagny Mizpa i Gedalia. 26 Dra gny vahoak'aby, gny masaiky indrindra dra hatramigny lahibe ndrindra, dra reo lahibenigny maramila, dra niala vo nagnagny Egypta, akory natahosy an'ireo Babyloniana ereo. 27 Taty afara tamigny fahafito amby telopolo tao naha-sesitany an'i Joakina pazakan'i Joda, gny vola faharo ambiny folo, andro fahafito amby ropolonigny vola, dra namotosy an'i Joakina pazakan'i Joda tagny apoza i Evila-merodaka pazakan'i Babylona. Tamigny tao nanombohan'i Evila-merodaka nazaka zay gny niseho. 28 Nizaka taminazy tamigny Hasoa-fagnahy gny nagnome seza fiandriana mana-kaza kokoa noho gny an'ireo pazaka hafa ze nindray taminazy tao Babylona izy. 29 Nalan'i Evila-merodaka gny akazo maha-gadra an'i Joakina, dra i Joakina dra nihina teo aminigny latabasy gny pazaka nandrisy gny andro-piegnany. 30 Name solo-sakafo isan'andro izy nadrisy gny andro-piegnany.