1 Dra nagniraky pinday hafasy teo aminazy ze napivory teo aminazy reoloholon'i Joda vo Jerosalema aby gny pazaka. 2 Dra niakasy tao atragnon'i Yaveh gny pazaka, vo reo olon'i Joda aby dra reo ponin'i Jerosalema aby nindray taminazy, vo reo pisoro, reo paminany, dra reo vahoak'aby, hatramigny kely dra hatramigny lahibe. Nivakiny teo asofon'ereo gny zakany gny bokinigny Fagneken'aby ze hita tao atragnon'i Yaveh. 3 Nizoro teo agnilanigny andry gny pazaka dra nanao fagneke teo agnatrehan'i Yaveh, ba hagnaraan'i Yaveh vo hitandry reo didiny, reo fisipiny, dra reo lalany, amigny fony aby vo gny fagnahiny aby, ba hagnamafy reo zakan'izay fagneke zay ze voasorasy ao amity boky ty. Dra nagneky hakato gny fagneke gny vahoaky aby. 4 Dragny pazaka nandidy an'i Hilkia pisorom-be, reo pisoro ambany fahefa, dra reo piamby vavahady ba hamoaky boak'ao amigny tepolin'i Yaveh reo fanaky aby ze natao ho an'i Bala vo Astarta, vo ho an'ireo kitanigny lagnisy aby. Nagnoro anizay tany ivelan'i Jerosalema tagny asaka tao amigny lohasakan'i Kidrona ereo ninday gny lavenok'ireo tany Betela. 5 Nagnafoa reo pisoro panopo sapy ze nifilin'ireo pazakan'i Joda hagnoro liti-kazo magnisy tao amireo toera abo tao amireo tanan'i Joda vo tao amireo tanan'i Joda vo tao amireo nagnodidin'an'i Jerosalema izy__dra reo ze nagnoro liti-kazo magnisy ho an'i Bala, ho anigny masoandro vo gny volana, ho an'ireo planeta, dra ho an'ireo kitanigny lagnisy aby. 6 Namoaky gny baon'Aseraha boak'ao amigny tepolin'i Yaveh izy, tagny ivelan'i Jerosalema tagny an-dohasakan'i Kidrona dra nagnoro anizay teo. Nitorotorony ho vovoky zay dra nariany teo amireo lolom-bahoaky ze vovoky zay. 7 Nilioviny reo efitragnon'ireo lelahy pivavaky mivaro-tegna ze tao atepolin'i Yaveh, ze nanenonan'ireo apela akazo ho an'i Aseraha. 8 Ninday reo pisoron'aby tagny ivelanigny tanan'i Joda i Josia dra nandoto reo toera abo ze agnoroan'ireo pisoro liti-kazo magnisy, nanomboky tao Geba hatragny Beri-sheba. Noravany reo toera abo teo amireo vavahady ze teo amigny fidira magnagny amigny vavahadin'i Josoa (tananigny governora), teo amigny ilany akavianigny vavahadinigny tana. 9 Na dre sy nanga nisoro teo amigny alitaran'i Yaveh tao Jerosalema aza reo pisoron'ireo toera abo reo, dra nihina mofo sy misy masirasira teo amireo rahalahiny ereo. 10 Niloton'i Josia i Tofeta, ze tao amigny lohasakan'i Beni-hinoma, ba sy hisy olo hagnoro ao agnaty ao gny zanadahiny na gny zanakapelany ho soro ho an'i Moloka. 11 Nalany reo sovala ho an'i Moloka. 11Nalany reo sovala ze namen'ereo pazakan'i Joda gny masoandro. Teo amigny farisy teo amigny farisy ho ao atepolin'i Yaveh, agnilanigny efitragnon'i Natana-melaky, tandapa reo. Noroan'i Josia reo kalesinigny masoandro. 12 Niravan'i Josia pazaka reo alitara ze teo amigny tafonigny efitragnon'i Ahaza farany agnabo, ze namboarinigny pazakan'i Joda, vo reo alitara ze nataon'i Manase tao amireo kiazanigny tepolin'i Yaveh rolahy. Nitorotoron'i Josia reo dra nariany tao amigny Lohasakan-driak'i Kidrona. 13 Niravanigny pazaka reo toera abo asignanan'i Jerosaleka, asimonigny tendrombohisy gny faharasia ze namboarin'i Solomona pazakan'Israely ho an'i Astarta, gny sapy marikorikon'ireo Sidoniana; ho an'i Kemosy, gny sapy maharikorikon'i Moaba; dra ho an'i Moloka, gny sapy marikorikon'ireo vahoakin'i Amona. 14 Nitorotoro reo sangam-bato dra nokapaina reo baon'Aseraha dra nifenony tolan'olombelo reo toera reo. 15 Niravan'i Josia tateraky avo koa gny alitara ze tao Betela vo gny toera ze namboaran'i Jeroboama zanadahin'i Nebata (Gny raiky ze napanota gny Israely). Noroany avo koa zay alitara zay vo gny toera abo dra nitorotorony ho bony. Noroany avo koa gny baon'Aseraha. 16 Raha nagnety gny farisy Josia, dra sikariny reo lolo ze teo amigny havoa. Nagniraky lelahy ba hangalaky gny tolany boak'ao amireo olo izy; dra noroany teo amigny alitara reo, ze nandoto anizay. Zay dra araky gny zakan'i Yaveh ze nozakanigny lelahin'Agnahary, dra gny lelahy ze nizaka reo raha reo meloha. 17 Dra hoy izy: "Sangambato ino ty hitako ty?" Reo lelahiny tana nizaka taminazy ho: "Io dra lolonigny lelahin'Agnahary ze boak'agny Joda dra nizaka momba reo raha ze vo nataonao tamigny alitaran'i Betela." 18 Dra hoy i Josia: "Angao zay. Sy misy olo tokony hamondra reo tolany." Dra nangan'ereo, nindray tamireo tolanigny paminany ze boak'agny Samaria gny tolany. 19 Dra nalan'i Josia reo tragno aby tagny amireo toera abo ze tagny amireo tananigny Samaria, ze nataon'ireo pazakan'Israely, dra ze nahavy an'i Yaveh ho ory. Nataony mitovy sy misy valaky tamizay natao tagny Betela reo. 20 Nivonony teo amireo alitara reo pisoronigny toera abo aby dra nagnoro tolan'alombelo teo amireo izy. Boak'eo dra nihery tagny Jerosalema. 21 Dra nandidy gny vahoaky aby gny pazaka, nanao anizahoky ho: "Tandremo gny Paskan'i Yaveh Zagnaharindrareo, araky ze voasorasy ao amity Bokinigny Fagneke ty." 22 Sy nisy fakalaza gny Paska notandrema toy zay hatramigny andron'ireo pisara ze nanapaky teo amin'Israely, na tamigny andron'ireo pazaka ze nanapaky gny Israely, na tamireo andron'ireo pazakan'Israely na Joda aby. 23 Fa tamigny taona fahavalo ambiny folo nazakan'i Josia pazaka gny nakalaza tagny Jerosalema zay Paskan'i Yaveh zay. 24 Niroahin'i Josia avo koa reo ze nizaka tamigny maty na tamigny fagnahy. Niroahiny avo koa reo terafima, reo sapy, dra reo raha mapangelakelaky aby ze hita tao amigny taninigny Joda vo tagny Jerosalema ,ba hagnamafisa reo zakani gny lalana ze voasorasy tao amigny boky ze hitan'i Hilkia pisoro tao atragnon'i Yaveh. 25 Talohan'i Josia, dra sy bo nisy pazaka manahaky anazy, ze nihery tamin'i Yaveh tamigny fony aby, gny fagnahiny aby, dra gny heriny aby, ze nagnaraky gny lalan'i Mosesy aby. Sady sy nisy pazaka manahaky an'i Josia nisanga tao afarany. 26 Na iza na iza, dra sy nisahasy gny firehetanigny fahatezera lahiben'i Yaveh, ze nirehisy tamin'i Joda noho reo fanopoa-sapy aby ze nihasian'i Manase Anazy. 27 Ko hoy i Yaveh: "Alao sy ho eo amasoko avo koa i Joda, Manahaky gny nangalako siteo an'Israely, dra hariako ty tana ze nifiliko ty, dra i Jerosalema, vo gny tragno ze nizakako ho: 'Ho ao gny agnarako."' 28 Raha gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Josia, gny raha aby ze nataony, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda ra zay?" 29 Tamigny androny, i Farao-neko, pazakan'i Egypta, dra nandeha ba hialy tamigny pazakan'i Asyria tao amigny Ony Eofrata. Nandeha nisena an'i Neko tao agnaly i Josia pazaka, dra nivonon'i Neko tao Megido izy. 30 Reo panopon'i Josia ninday anazy fa maty tao agnaty kalesy boak'agny Megido, ninday anazy tagny Jerosalema, dra nandevin'anazy tao amigny lolony manoka. Dra nalanigny vahoakiny tagny i Joahaza zanadahin'i Josia, nosorany, dra nataony ho pazaka nandimby gny toeranigny rany. 31 Telo amby ropolo tao i Joahaza gny nanomboky nazaka, dra nazaka nandrisy gny telo vola tao Jerosalema izy. Gny agnaran-dreniny dra i Hamotala; izy dra zanakapelan'i Jeremia boak'agny Libna. 32 Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh i Joahaza, manahaky gny raha aby ze nataon'ireo razambeny. 33 Nifahen'i Farao-neko rozo tao Ribla tao amigny tanin'i Hamata izy, ba sy hazakany ao Jerosalema. Dra napagnefan'i Neko taleta volafosy zato vo taleta volamena raiky i Joda. 34 Nataon'i Farao-neko ho pazaka teo amigny toeran'i Josia rany i Eliakima zanak'i Josia, dra novany ho Joiakima gny agnarany. Nefa ninday an'i Joahaza nagnagny Egypta izy, dra maty tagny i Joahaza. 35 Nandoa gny volafosy vo volamena tamin'i farao pazaka. Ba hamalia gny fangatahan'i Farao pazaka, dra napandoa hetra gny tany i Joiakima dra nitereny ba handoa volafosy vo volamena aminazy araky gny tomban'ereo olo sirairay tamireo vahoakigny tany. 36 Dimy amby ropolo tao i Joiakima gny nanomboky nazaka, dra nazaka raikambiny folo taona tao Jerosalema izy. Gny agnaran-drenigny dra i Zebida; izy dra zanakapelan'i Pedaia boak'agny Romaha. 37 Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh i Joiakima, manahaky ze nataon'ireo razambeny.