1 Volo tao i Josia gny nanomboky nazaka; raikambiny telopolo tao gny zanakany tao Jerosalema. Jedida gny agnaranigny reniny (zanakapelan'i Adaia boak'agny Bozkata). 2 Nanao mary teo amason'i Yaveh izy. Nandeha tamireo lalan'aby i Davida razambeny izy , Dra sy nive lala nagnakavia na akavana. 3 Dra teo amigny fahavalo ambiny folo taon'i Josia pazaka, dra nandefa an'i Safana zanak'i Azalia zanak'i Mesolama, gny panora-dalana, tagny atragnon'i Yaveh izy, nanao anizahoky ho: 4 "Mekara agny amin'i Hilkia gny pisorom-be dra zakao izy ba hanisa gny vola ze nandesy tagny atragnon'i Yaveh, ze navorinigny piamby gny tepoly tamigny vahoaky. 5 Aoky ze home eo atragnonigny piasa ze mendrekisy gny tragnon'i Yaveh, dra aoky ereo hagnome anizay anigny piasa ze ao atragnon'i Yaveh, ba hamboara ze sola ao amigny tepoly. 6 Aoky ereo hagnome vola ho an'ireo pandrafisy, reo pagnori-tragno, dra ba hivily hazo vo vato voapaiky avo koa ba hamboara gny tepoly." 7 Fa sy ho take amin'ereo gny atotanigny vola, akory mapiasa anizay apatokia ereo. 8 Hoy i Hilkia pisorom-be tamin'i Safana panora-dalana ho: "Hitako tao amigny tragnon'i Yaveh gny bokinigny lalana." 9 Dra namen'i Hilkia an'i Safana gny boky, dra namaky anizay izy. Lasa i safana dra nangalaky gny boky tegny amigny pazaka, dra hitatisy aminazy avo koa, manao anizahoky ho: "Reo panoponao dra nandany gny vola ze hita tao atepoly dra natolos'ereo teo atagnan'ireo piasa ze magnara-maso gny fikarakara gny tragnon'i Yaveh zay." 10 Dra hoy i Safana panora-dalana tamigny pazaka: "Hilkia pisoro gny nagnome anahy gny boky." Dra nivakin'i Safana tamigny pazaka zay. 11 Dra gny fa nahare reo zakanigny lalana gny pazaka, dra naniasy gny akazony izy. 12 Nandidy an'i Hilkia pisoro, vo Ahikama zanak'i Safana, i Akbora zanak'i Mikaia, Safana gny panora-dalana, dra i Asaia, gny panopony, gny pazaka, dra nanao anizahoky ho: 13 "Mandehana dra mizaka amin'i Yaveh honahy, dra ho an'ireo vahoaky vo reo Joda aby, noho reo zakanity boky ty. Fa mafoza gny haorian'i Yaveh ze mirehisy nohonigny sy fitenoan'ireo razambesika reo zakanity boky tihoky dra gny hoe hakato ze voasoras'aby momba asika." 14 Noho zay i Hilkia pisoro, Ahikama, Akbora, Safana, dra i Asaia gny nandeha nagnagny amin'i Holda gny paminany vavy, valin'i Saloma zanak'i Tikva zanak'i Hrasa, gny pikarakara gny fitafia (nitoby tao Jerosalema tao amigny farisy faharo izy), dra nizaka taminazy ereo. 15 Hoy rapela tamin'ereo: "Zao gny nizakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely: 'Zakao gny olo ze nadefa andrareo atiky aminahy ho: 16 "Zao gny zakan'i Yaveh: 'Ingo, hinday loza amity toera tihoky vo reo poniny Zaho, araky gny raha voasoras'aby ao amigny boky ze nivakinigny pazakan'i Joda. 17 Akory nahafo Anahy dra nagnoro liti-kazo magnisy ho an'ireo zagnahary hafa ereo, ba hiasy Anahy ho ory amireo asa aby ze nataon'ereo--noho zay gny haoriako dra nirehisy tamity toera ty, dra sy ho maty zay."' 18 Fa ho anigny pazakan'i Joda, ze nandefa anao ba hagnotany gny sitrapon'i Yaveh, dra zao gny ho zakanao aminazy: "Yaveh, gny Zagnaharin'Isrealy nizaka anizao:" Momba reo zaka ze renao, 19 akory so-po hanao, dra nagnety vata teo agnatrehan'i Yaveh hanao, gny fa renao ze nizakako tamity toera tihoky vo reo olony, fa ho avy faharava vo ozona ereo, vo akory hanao dra naniasy gny akazonao dra nitomagny teto agnatrehako, dra niteno anao avo koa Zaho__zay gny fagnambaran'i Yaveh. 20 Ingo, Hanambasy anao amireo razanao Zaho, dra handray apedagna ao andolonao hanao. Sy hahita reo loza aby ze handesiko amity tora ty gny masonao.""" Ko dra nandesinigny lelahy tagny amigny pazaka zay hafasy zay.