Toko faha 21

1 Ro ambinifilo tao i Manase gny nanomboky nazaka; nazaka nandrisy gny dimy amby dima-polo tao tao Jerosalema izy. Gny agnaranigny reniny dra i Hefziba. 2 Fa nanao rasy teo amason'i Yaveh izy, manahaky reo raha manarikorikonigny firenena ze niroahin'i Yaveh teo agnatrehan'ireo Israely. 3 Fa nagnery nagnory reo toera abo ze nisolan'i Hezekia rany izy, dra nagnory reo alitara ho an'i Bala, nanao baon'Aseraha raiky, manahaky gny nataon'i Ahaba pazakan'Israely, dra nekohoky tamireo kitanigny rehetra dra nanopo reo. 4 Manase dra nagnory alitara fanopoa-sapy tao atragnon'i Yaveh, na dre nandidy anazy i Yaveh ho: "Ho mandrakizay ao Jerosalema gny agnarako." 5 Nagnory reo alitara ho anigny kitanigny lagnisy aby izy tao amireo kiaza ronigny tragnon'i Yaveh. 6 Nataony tao agnaty afo gny zanany; sady nanandro vo nanao sikily dra nangalaky hevisy tamireo ze mizaka amigny maty vo reo ze mizaka amigny fagnahy izy. Nanao rasy maro teo amason'i Yaveh izy dra nihasy an'Agnahary tamigny fahoriany. 7 Gny sary sokis'i Astarta ze nataony, dra napetrany tao atragnon'i Yaveh zay. Dra momba anizay tragno zay gny nizakan'i Yaveh tamin'i Davida vo Solomona zanany; hoy izy ho: "Tato amity tragno tihoky dra tao Jerosalema, ze nisafidiko tamireo fokon'Israely aby, gny hametrahako gny agnarako mandrakizay. 8 Dra sy hapirenireny gny tombok'Israely hiboaky amigny tany ze nameko gny razan'ireo sasy zaho, raha manakato soa reo ze nandidiako ereo aby, dra hagnaraky gny lalan'aby ze nandidian'i Mosesy panopoko anereo." 9 Fa sy niteno reo vahoaky, dra i Manase gny nitariky anereo hanao rasy mihoasy noho reo firenena ze niravan'i Yaveh teo agnatrehanigny vahoakin'Israely. 10 Dra nizaka tamigny alalan'ireo paminany panopony i Yaveh, nanao anizaohoky ho: 11 "Akory i Manase pazakan'i Joda dra nanao reo rasy maharikoriko reo, dra nanao rasy mihoasy noho ze nataon'ireo Amorita aby ze nanao anizay talohany, dra napanota an'i Joda avo koa tamireo sapiny, 12 noho zay i yaveh, gny Zagnaharin'i Israely, nizaka anizao: Ingo, hahavy loza manahaky anizay eo amin'i Jerosalema vo Joda Zaho dra ze mahare anizay aby, dra hangorisiky gny sofiny ro. Hagnizisy gny taly fandrefesa apesany hanoheran'an'i Samaria amin'i Jerosalema zaho, dra gny pilao fandrefesa apesa hagnoregna gny fianakavian'i Ahaba; hagnalio an'i Jerosalema, manahaky gny olo magnalio sakafo, mikosoky anizay dra magnodikodin'anizay ambony ambany zaho. 14 Hagnary reo lovako sisa tavela zaho dra hagnome anizay ho eo apelatagnanigny fahavalon'ereo. Ho avy niharam-boy vo babon'ireo fahavalony aby ereo, 15 akory fa nanao rasy teo amasoko ereo, dra nihasy anahy tamigny fahatezera, hatraminigny andro niboahanigny razam-ben'ereo boak'ao Egypta, mandrak'androany." 16 Fagnapin'izay, i Manase dra nandasa-dio sy mmana-signy maro be, mandra-pahafenoiny fahafatesa tamigny rany hatramigny raiky hafa an'i Jerosalema. Zay dra fagnapinigny fahota ze napagnotany an'i Joda, gny fa nanao rasy teo amason'i Yaveh ereo. 17 Dra raha gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky an'i Manase, ze nataony aby, dra gny fahotany ze nataony, moa ra sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazakan'i Joda zay? 18 Dra nimaty tagny amireo razany dra nalevy tao amigny zaridainigny tragnony avo i Manase, tao azaridain'i Oza. Dra i Amona zanany gny lasa pazaka teo amigny toerany. 19 Teo amigny faharo amby ropolo taony i Amona gny nanomboky nazaka; nazaka nandrisy gny ro tao tao Jerosalema izy. GNy agnaran-dreniny dra i Mesolemeta; zanakaepalan'i Haroza boak'agny Jotba. 20 Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy, manahaky gny nataon'i Manase rany. 21 Nagnaraky reo lalan'aby ze nandehananigny rany dra nanopo reo sapy ze notoponigny rany, dra nekohoky amin'ereo i Amona. 22 Nagnenga an'i Yaveh, gny Zagnaharin'ireo razany izy, dra sy nandeha tamigny lalan'i Yaveh. 23 Reo panopon'i Amona dra nitetiky hanohisy anazy dra namono gny pazaka tao atragnony avo. 24 Fa reo vahoakigny tany dra namono ze nitetiky aby hanohisy an'i Amona pazaka, dra ereo gny nanao an'i Josia zanadahiny ho pazaka teo amigny toerany. 25 Raha gny amigny raharaha hafa mahakasiky ze nataon'i Amona, moa ra sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataran'ireo pazakan'i Joda zay? 26 Reo vahoaky dra nandevy anazy tao amigny lolony tao azaridai' Oza, dra i Josia zanany gny lasa pazaka teo amigny toerany.