1 Fa gny vitan'i Solomona gny famangana gny tragnon'i Yaveh vo gny laoany pazaka, dra fa gny nahatateraky anizay aby niriny ho vita izy, 2 dra niseho fagnindroany tamin'i Solomona i Yaveh, manahaky gny nisehoany taminazy tao Gibeona. 3 Dra hoy Yaveh taminazy ho:''Fa reko gny vavakinao vo gny fangatahanao zay nataonao teo anatrehako.Fa nataoko ho anahy, itio tragno ze nasanganao itio, ba hametrahako gny agnarako ho ao mandrakizay. Gny masoko vo gny foko dra ho eo avo amy fotoa aby. 4 Dra ianao, raha handeha eo anatrehako manahaky gny nandehan'i Davida ranao tamy fahisim-po vo tamy fahamarigna, hankato ze nandidiako anao aby, dra hitandry reo lalako vo reo didiko , 5 dra hametraky gny sezany fiandriana gny fazakanao eo amy Israely mandrakizay zaho, manahaky gny nampanatenako tamin'i Davida ranao, ho:'Gny taranakao dra sy hiala eo amy seza fiandrian'Israely mihisy.' 6 Fa raha mivily ianao , na reo zanakao, ka sy mitandry reo didiko vo reo lalako zay napetrako eo anatrehanao, dra raha mandeha ka manompo Zagnahari-kafa dra miankohoky eo amin'ereo ianao, 7 dra ho alako amy tany ze nomeko anazy reo Israely;dra itio tragno ze fa natokako ho agny agnarako itio, dra ho alako sy ho hiyany masoko, dra Israely dra ho avy manahaky gny raha faneso vo hihomeheza eo amin'ereo vahoaky iaby. 8 Ho rava ho antotam-bato itio tempoly itio, dra zay aby miriosy eo amin'izay dra ho latsa (gaga) ka hisiosioky.Hagnontany ereo ho:'Nanao akory i Yaveh gny nanao zao tamin'itio tany vo tragno itio?' 9 Gny hafa hamaly ho:'Satria nahafo an'i Yaveh Zagnahariny nereo, zay ninday gny razam-ben'ereo niboaky gny tany Egypta, dra nipitiky tamin'ereo zagnahari-kafa ka niankoholy dra nanompo anazy reo. Zay gny antony nindesan'i Yaveh zay loza aby zay tamin'ereo.''' 10 Fa gny tapisy gny ropolo tao ze nahavitan'i Solomona gny fanagnana reo tragno lahibe ro, gny tempolin'i Yaveh vo gny lapany pazaka. 11 Dra Hirama pazakan'i TYra, dra namaha hazo sedera vo Kypreso, dra volamena an'i Solomona zay aby nirin'i Solomona ka dra nomen'i Solomona Pazaka tana ropolo tao amy tanin'i Galilia i Hirama. 12 Nivbiaky laha tao Tyro i Hirama ba hagnety reo tana ze nomen'i Solomona anazy, Kanefa sy nahafaly anazy zay. 13 Dra hoy i Hirama:''Fa tana ino tahoky omenao anahy tahoky, ry ralahiko?''Nitokavin'i Hirama ho Tany kobola reo, zay bo hitokava anazy reo hatragny mandraky androany. 14 Nampagnatisy taleta volamena 120 ho agny pazaka i Hirama. 15 Zao magnaraky zao gny antony fitakia amy asa ze napetrak'i Solomona Pazaka:ba hananga gny tempolin'i Yaveh vo gny lapany, ba hananga an'i Milo vo gny rindrin'i Jerosalema, dra gny ba hananga gny manda fiarovan'i Hazora, Megido, dra Gazera. 16 Niakasy dra nangalaky an'i Gazera i Farao Pazakan'i Egypta. Nohoroany zay dra novonony reo Kananita tao an-tagnany. Dra nomen'i Farao agny zanakapelany, valin'i Solomona, ho fagnomeza ho agny fampiakam-baly gny tana. 17 Ka dra naherin'i Solomona nasangan'i Gazera vo Beti-horona Ambay, 18 Beleta vo Tadmora agny an'esisy agny amy tany Joda, 19 vo reo tana fagnaza aby ze nanagnany , vo reo tanan'ereo kalesiny dra reo tanany mpitikisy sovalany, dra zay aby niriny ho asanga ho fahafinaretany tao Jerosalema, tao Libanona, dra tamy tany aby eo ambaniny fifehezany. 20 Dra reo vahoaky sisa tavela tamin'ereo Amorita, Hitita, Perizita, Hivita, dra Jebositam zay sy vahoaky Israely, 21 reo taranak'ereo ze tavela niaraky tamin'ereo tao amy tany, zay sy vitany olon'Israely gny nadrava anazy tateraky nataon'i Solomona mpiasa an-terivozo ereo, mandrak'[androany. 22 Na dra zay avo, dra sy nataon'i Solomona mpiasa an-terivozo reo vahoakin'Israely . Fa koa, nandeha miaramilany vo mpanompony, manam-pahefany, vo manam-boninahisy dra mpifehy reo kalesiny dra mpitikisy sovala nereo. 23 Tahoky avo koa reo lahibeny manam-pahefany misahana reo mpagnara-maso zay teo amy asan'i Solomona, 550 tamin'ereo, zay nagnara-maso gny vahoaky ze niasa. 24 Nifindra laha tao amy tanan'i Davida ba ho agny amy tragno ze nasangan'i Solomona ho anazy gny zanakapelan'i Farao. Tatio afara, dra nananga an'i Miloo i Solomona. 25 Manolosy fagnatisy oroa vo fagnati-pihavana in-telo isan-tao eo agnabony alitara ze naoriny ho an'i Yaveh i solomona, magnoro litin-kazo magnisy miaraky amin'ereo eo agnabony alitara ze eo anatrehan'i Yaveh. Ka vitany tempoly dra ampiasany zay amizao. 26 Nagnamboasy andia-sambo tao Ezion-gebera i Solomona Pazaka, zay mariny Elota, teo amorony Ranomasy Mena ,tao amy tany Edoma. 27 Nandefa mpanompo ho agny andia-sambon'i Solomona i Hirama, tasambo zay nahay gny ranomasy , niaraky tamin'ereo mpanompon'i Solomona. 28 Nandefa tagny Ofira niaraky tain'ereo mpanompon'i Solomona ereo. Laha tagny gny nindesan'ereo taleta volamena 420 an'i Solomona Pazaka.