1 Fa gny nahare gny lazan'i Solomona momba gny agnaran'i Yaveh gny mpazakan'i Sheba, dra avy hisapa anazy amy fagnontania saroay izy. 2 Avy laha tagny Jerosalema niaraky taminahy Rodobe lava dra lava, nisy rameva ninday raha-magnizy , volamena be, dra vato sarobily maro izy.Raha avy izy, dra nambarany tamin'i Solomona avo koa ze tao am-pony aby. 3 Nivalian'i Solomona gny fagnontaniany aby.Sy nisy sy voavakiny pazaka gny fagnontaniany. 4 Fa gny nahita gny fahendren'i Solomona aby gny Pazakavavin'i Sheba, gny lapa ze naoriny, 5 gny sakafo teo an-databany, gny sezany mpanompony, gny asan'ereo mpanompony vo gny fiakazoan'ereo, dra gny mpinday gny kapoakiny avo koa , vi gny fomba nanolorany fagnatisy oroa tao an-tragnon'i Yaveh, dra talazo vatany izy. 6 Hoy izy tamy Pazaka:''Mary vatany, gny tatisy ze reko tany amy taniko momba gny zakanao vo gny fahendrenao. 7 Sy nino zaho raha sy avy tetio, dra nahita maso zay zaho amizao.Sy ampy asasany amy fahendrena vo harenanao gny voatatara taminahy!Nihoasy ze reko gny lazanao. 8 Sambasy erio reo valinao , dra sambasy avo ko reo mpanomponao ze mizano manoloa anao avo, satria manare gny fahendrenao ereo. 9 Hoderay se i Yaveh Zagnaharinao, zay mahita sitraky aminao, vo nametraky anao teo amy seza fiandrianan'i Israely.Satria tian'i Yaveh mandrakizay Israely, nataony Pazaka ianao, ba hanovanao gny rariny vo gny fahamarigna!'' 10 Nomeny taleta volamena 120 dra raha-magnisy maro vo vato sarobily gny Pazaka.Sy nisy nagnome raha-magnisy maro manahaky reo ze nomen'i Pazakavavin'i Sheba an'i Solomona Pazaka sasy. 11 Dra gny andia-sambon'i Hirama, ze ninday volamena laha tagny Ofira, ninady hazo almoga vo vato sarobily maro avo koa. 12 Nataony Pazaka sangam-bato ho agny tragnon'i Yaveh vo gny lapany Pazaka , dra lokanga vo valiha ho an'ereo mpihira gny hazo almonga.Sy nisy hazo almoga maro manahaky zay avy na hita koa mandrak'androany. 13 Nomen'i Solomona zay aby niriny gny Pazakavavin'i Sheba, na ino na ino nangatahiny, miampy an'izay fagnomezan'i Solomona anazy amy fagnomen'i Pazaka.Ka dra nihery tamy taniny niaraky tamin'ereo mpanompony . 14 Dra gny volamena avy tao amin'i Solomona tao agnatiny heritao dra taleta volamena milaza 666, 15 afa-sy gny volamena nandesin'ereo mpanakalo vo mpivarosy.Reo mpazaka aby tagny Arabia vo reo governora tao amy firenena avo koa dra ninday volamena vo volafosy tagny amin'i Solomona. 16 Nanao ampinga lahibe ro-zato vita tamy volamena voatefy i Solomona Pazaka . Sekely volamena enizato gny nanovany gny raiky tamin'izay. 17 Nanao ampinga telo-zato vita tamy volamena voatefy avo koa izy.Ka volamena telo mane gny nanovany gny raiky tamy ampinga;napetraky gny Pazaka tao amy lapany Alan'i Libanonana ereo. 18 Dra nanao seza fiandriana agnevo lahibe gny Pazaka dra nifognosiny tamy volamena faran'izay matify zay. 19 Nisy atagnan-tohasy enina nagneo amy seza fiandriana, dra boribory gny fiakinany .Nisy fametrahan-tagna isaky gny sisiny seza, dra liona ro misanga mariny eo. 20 Liona ro ambiny folo gny nisanga teo amin'ereo atagnan-tohasy enina.Sy nisy seza fiandriana manahaky anizay teo amy firenena hafa aby. 21 Gny kapoaky finoman'i Solomona Pazaka aby dra vita tamy volamena avo koa , dra gny koky finoma tao amy Lapany alan'i Libanona dra vita tamy volamena sy misy fangarony avo koa. Sy nisy volafosy reo, satria sy nirambesiny ho sarobily zay tamy andron'i Solomona . 22 Nana andia-sambo mpitety ranomasy gny Pazaka, niaraky tamy andia-sambon'i Hirama.Draiy mandeha agnatiny telo tao ivory reo adia-sambo, dra razako vo gidro avo koa. 23 Nihoasy tamy fanagnan-karena vo tamy fahendre noho gny an'ereo Pazaka aby teto an-tany gny an'i Solomona Pazaka. 24 Nitalia gny hifagnatriky tamin'i Solomona gny tany raiky manotolo ba hahare gny fahendreny, zay napetrak'Agnahary tao am-pony. 25 Ninday fagnomeza reo ze namangy, fanaky volafosy vo volamena , dra akazo ,akazo fiarova , dra raha-magnisy, sovala vo ampondra avo koa, isa-tao isa-tao. 26 Nagnoro kalesa vo mpitikisy sovala i Solomona . Nana kalesa 1. 400 vo pitikisy sovala ro arivo vo ray aly izy zay nazanony tao amy tana fipetrarany kalesa vo niaraky taminazy tagny Jerosalema. 27 Nana volafosy tao Jerosalema gny mpazaka , maro manahaky vato teo amy tany zay. Nataony maro manahaky gny hazo aviavy tegny amy tany lemaky gny hazo sedera. 28 Nana sovala ze niviliny tagny Egypta vo Silisia i Solomona. Niviliny mpivarosy gny Pazaka isan'andiany ereo, dra samy nana gny viliny aby gny andiany raiky. 29 Gny kalesy dra tany ambalikin'i Egypta gny niviliny dra sekely voladosy eni-zato gny raiky, dra sovala 150 sekely gny raiky.Maro tamin'ereo gny naviliny tamy Pazakan'i Hetita vo gny Pazakany Syriana aby.