1 Dra i Solomona Pazaka dra nitia ampela vahiny maro:gny zanakapelan'i Farao vo reo ampelan'i Moabita, Amonita , Edomita, Sidoniana, dra reo Hetita- 2 reo firenena voakasin'izay nizakan'i Yaveh tamin'ereo vahoakin'i Israely ho:''Sy handeha eo amin'ereo ianao ba hanambaly, na ereo ho eo aminao, satria ereo dra hampitoliky gny fonao amin'ereo zagnaharin'ereo vatany.''Kanefa i Solomona tia an'ereo ampela reo. 3 Nana valy andrimbavy fito-zato vo vadisindrano telozato i Solomona. Nampitoliky gny fony reo ampela reo. 4 Fa gny niha-atisy i Solomona , dra nampitoliky gny fony tamin'ereo zagnahari-kafa reo valiny;fa sy tena nanakim-po tateraky tamin'i Yaveh Zagnahariny,manahaky gny fon'i Davida rany. 5 Fa i Solomona dra nagnaraky an'i Astarta, gny zagnahari-ampelan'ereo Sidoniana, dra nagnraky an'i Milkoma izy, gny sampy vetabetan'ereo Amonita . 6 Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh i Solomona ;sy nagnaraky tateraky an'i Yaveh izy , manahaky nataon'i Daviga rany. 7 Dra nananga toera abo ho an'i Kemosy i Solomona, gny sapy vetavetan'i Moaba, teo amy havoany asignanan'i Jerosalema , dra ho an'i Moloko avo koa, gny sapy vetavetany vahoakin'i amona. 8 Nananga toera abo avo koa izy ho an'ereo ampela vahininy aby, zay nagnoro litn-kazo mganisy vo nanao soro ho an'ereo zagnaharin'ereo tamin'ireo. 9 Ory tamin'i Solomona i Yaveh , noho gny niviliny fony niala taminazy, gny Zagnaharin'Israely m na dra niseho indro taminazy avo Izy 10 dra nandidy anazy momba io raha io mihisy, fa sy tokony hagnaraky reo zagnahari-hafa izy. Fa i Solomona dra sy mankato ze didin'i Yaveh. 11 Noho zay dra hoy i Yaveh tamin'i Solomona :''Satria nanao anizay ianao dra sy nita gny fanekam-pihavana vo reo lalako ze nandidiako anao, dra ho alako aminao vatany gny fazaka dra homeko gny mpanomponao. 12 Kanefa , noho gny amin'i Davida ranao, dra sy hanao anizay amy androm-piaignanao aby zaho, fa hangalaky anizay amy tagnany zanakao. 13 Sy bo hangalaky gny fazaka aby aminao zaho;fa hagnome foko raiky ho agny zanakao noho amin'i Davida , vo nohony amin'i Jerosalema, zay nifiliko.'' 14 Dra nananga fahavalo raiky ho an'i Solomona i Yaveh, dra i Hadada gny Edomita. Laha tamy fianakavian'andrian'i Edoma izy. 15 Fa gny tao Edoma i Davida , dra niakasy ba handevy gny maty i Joaba gny lahibeny tafiky, gny olo-iaby ze voavono tao Edoma. 16 Nitoesy tao nandrisy gny anim-bola i Joaba vo Israely aby mandra-pahamaty gny lelahy aby tao Edoma. 17 Fa i Hadada dra nalan'ereo mpanompony rany tao Egypta niaraky tamin'ereo Edomita hafa, satria i Hadada dra bo zaza masaiky. 18 Niala tao Midiana ereo dra avy tao Parana, zay nangalan'ereo olo miaray aminazy ho agny Egypta, ho agny amin'i Farao Pazakan'i Egypta, zay nagnome tragno vo tany dra sakafo ho anazy. 19 Nahita sitraky lahibe teo amason'i Farao i Hadada, ka nomen'i Farao valy izy , dra gny rahavavim-baliny, gny rahavavin'i Tapanesa Pazakavavy. 20 Niteraky zanadahy tamin'i Hadada gny rahavavin'i Tapanesa. Nomen'iero gny agnara ho Genobata izy. Nisangan'i Tapanesa tao amy lapan'i Farao izy. Ka nipetraky tao amy lapan'i Farao teo amin'erero zanak'i Farao i Genobata. 21 Raha bo tao Egypta izy, dra nahare i Hadada fa nimaty agny amin'ereo razany i Davida dra i Joaba gny kapitaniny miaramila dra maty,hoy i Hadada tamin'i Farao:''Angao zaho handeha , ba ho afaky ho agny amy fireneko.'' 22 Dra hoy i Farao taminazy:''Fa ino gny sy apy anao eto aminahy , gny mitalia ho agny amy firenenao ianao amizao?''Dra namaly i Hadada ho:''Sy misy . Ba angao handeha ra zaho.''' 23 Nanangam-pahavalo hafa an'i Solomona avo kkoa Zagnahary, dra i Rezona zanak'i Eliada, zay nilomay an'i Hadadezera Pazakan'i Zoba tompony . 24 Nagnoro olo ho anazy i Rezona ka lasa kapiteny masaiky izy, fa gny nandresy gny olon'i Zoba i Davida . Reo lelahin'i Rezona dra nagnany Damaskosy dra nipetraky tagny, ka nifehezin'i Rezona i Damaskosy. 25 Fahavalon'i Israely izy nandrisy gny andron'i Solomona aby, niaraky tamy koronta zay nataon'i Hadada. sy tia an'i Israely i Rezona dra nazaka teo amin'i Arama. 26 Dra i Jeroboama zanak'i Nebata, Efraimita laha tagny Zereda, manam-pahefan'i Solomona , zay Zeroa gny agnaran-dreniny, mpinday vata raiky, dra nananga gny tagnany tamy Pazaka avo koa. 27 Gny antony nananganany tagna tamy Pazaka dra satrai nagnory toera tao Milo vo nanapy gny lavaky tamy rindry tanan;i Davida rany i Solomona. 28 Jeroboama dra lelahy raiky mahery. Hitan'i Solomona fa zatovolahy miasa izy , ka nomeny alala nibaiko reo asaaby tao amy tragnon'i Josefa. 29 Tamin'izay fotoa zay, fa gny niboaky an'i Jerosalema i Jeroboama , dra nahita anazy tegny amy lalany i Ahia Silonita mpaminanyDra niakazo vaovao i Ahia dra izy rolahy dra raiky tao an-tanimbony . 30 Dra nangalaky gny akazo vaovao ze tegny aminazy i Ahia ka nizarazara anizay ho ro ambinifolo. 31 Hoy izy tamin'i Jeroboama:''Mangalaky tapatapany folo, fa i Yaveh , gny Zagnaharin'i Israely, nizaka ho:''Ingo , hangalaky gny fazaka eo amy tanan'i Solomona zaho ka hagnome foko folo ho anao 32 (fa i Solomona dra hana foko raiky, noho amin'i Davida vo noho amin'i Jerosalema gny tana ze nifiliko tamin'ireo fokon'i Israely aby), 33 Satria nahafo anahy ereo dra nanompo an'i Astarta gny zagnahari-bavin'ereo Sidoniana, Kemosy gny zagnaharin'i Moaba , dra Moloka gny zagnahariny gny vahoakin'i Amona. Sy nandeha tamy lalako ereo, ba hanao ze mary eo amazoko, vo hitandry reo lalako vo reo didiko, manahky gny nataon'i Davida rany. 34 Kanefa , sy hangalaky gny fazaka raiky manotolo amy tanan'i Solomona zaho . Fa koa, nanao anazy hoi mpanapaky amy andro aby hiaignany, noho amin'i Davida mpanompoko ze nifiliko, gny raiky ze nitandry reo didiko vo reo lalako. 35 Fa hangalaky gny fazaka eo an-tagnany zanany zaho ka hagnome anizay anao, dra reo foko folo. 36 Hagnome foko raiky ho agny zanak'i Solomona zaho , ba hana fanilo mandrakariva eo anatrehako ao Jerosalema i Davida mpanompoko, tana ze nifiliko ba hasiany gny agnarako. 37 Hangalaky anao zaho , ka hanapaky ianao ba hagnatateraky anizay aby irinao, dra ho pazaka eo amin'Israely ianao. 38 Raha miteno anizay hadidiko anao, dra araha mandeha amin'ireo lalako vo manao ze mary eo amasoko, ma hitandry reo lalako vo reo didiko , manahaky gny nataon'i Davida mpanompoko, dra hiaraky aminao zaho dra hananga tragno azo antoky ho anao, manahaky gny nananganako ho an'i Davida , dra hagnome anao an'Israely zaho. 39 Hagnasazy reo taranak'i Davida zaho, fa sy ho mandrakizay.''' 40 Dra nizaka gny hamono an'i Jeroboama i Solomona. Fa i Jeroboama nindray nandososy tagny Egypta, tagny amin'i Sisaka pazakan'i Egypta, dra nizano tao Egypta izy mandra-pahafatin'i Solomona. 41 Raga gny amy raharaha hafa mikasiky an'i Solomona , zay aby nataony vo gny fahendreny, moa se sy voasorasy ao amy boky ereo tatara momba an'i Solomona reo? 42 Nazaka tao Jerosalema tamin'ereoIsraely aby i Solomona nandrisy gny efapolo tao. 43 Nimaty tagny amin'ereo razambeny izy dra nalevy tao amy tanan'i Davida rany. Dra lasa Pazaka tafaran'i Rehoboama zanadahiny.