1 Dra nagnagny Sekema i Rehoboama, Satria gny Isrealy aby gny avy tao Sekema ba hanao anazy ho pazaka. 2 Nandre zay Jeroboama zanaky lahin'i Nebata (fa izy bo tagny Egypta, tagny ami'zay nilomesany gny fagnatrehan'i Solomona pazaka), satria Jeroboama nitoboky tao Egypta. 3 Dra nampagniraky vo nitoka anazy izy reo, dra Jeroboama vo reo fengonana'ny Isrealy aby avy dra nizaka taminazy Rehoboama ho: '' 4 Nataon'ny babanao mavesasy gny zioganay. Dra hamevegno gny asa fatrasy babanao, dra hamavegno gny zioga mavesasy zay nampandesiny anay, dra hanopo anao izahay.'' 5 Rehoboama nizaka tamin'azy ho: ''Mandehana mandrisy gny telo andro dra miharegna atiky aminahy.''' koa gny nadeha gny vahoaky. 6 Nangalaky hevisy tami'reo lelahy zokin'olo zay nagnatriky an'i Solomona babany fony izy bo velo i Rehoboama pazaka, dra hoy izy ho: ''Ino gny torohevisindrareo hon'ahy ba hamaliako reo vahoaky reo?'' 7 Nizaka taminahy ereo dra nanao ho: ''Gny ho panopon'ireo vahoaky reo hanao anio dra hanopo anazy reo, dra hamaly anazy reo amigny zaka soa, dra ho panoponao mandrakariva izy reo.'' 8 Fa i Rehoboama nanda gny torohevisy zay namen'ny zokin'olo anazy dra nitalia hevisy tami'reo tovolahy zay nindray lahibe taminazy vo nagnatriky anazy. 9 ho izy tamin'ereo ho: ''Ino gny torohevisy amendrareo anahy zay mety havaliasika reo vahoaky zay nizaka taminahy ho: ''Hamavegno gny zioga zay napetraky gny babanao taminay?'' 10 Reo zatovolahy zay nindray lahibe tamin'i Rehoboama nizaka taminazy dra nanao ho: ''Mizaka ami'reo vahoaky zay nizaka taminao fa i Solomona babanao dra nanao gny ziogan'izy reo ho mavesasy kanefa hanao sy maisy hagnamevan'anazy. tokony hizaka amin'ereo hanao ho: ''Gny zanakakihoko dra lahibe noho gny valahan'i babako. 11 Gny akehitriny, na dre nampinday zioga mavesasy adrareo aza gny babako, dra bo hagnapy gny ziogandrareo zaho. Gny babako nagnafay andrareo tamigny karavasy fa izaho koa hagnafay andrareo amigny maingoka.''' 12 Dra avy tagny amin'i Rehoboama tamigny andro fahatelo i Jeroboama vo gny vahoaky aby, araky gny nandidian'ny pazaka gny nizaka izy ho: ''Miharegna eto aminahy amigny andro fahatelo.'' 13 Gny pazaka namaly gny vahoaky tamigny zaka fatrasy dra nanda gny torohevisy zay namen'ireo zokin'olo anazy. 14 Nizaka tamin'ereo izy araky gny torohevis'ereo zatovolahy; hoy izy ho: ''Nampinday andrareo zioga mavesasy gny babako, kanefa bo hagnapy gny ziogandrareo zaho.Nagnafay andrareo tamigny karavasy gny babako, fa izaho koa hagnafay andrareo amigny maingoka.''' 15 Dra sy niteno gny vahoaky gny pazaka, fa avy amin'i Yaveh zay raha zay, ba hahafahany magnatateraky gny zakany zay nizakany tamigny alalan'i Ahia ilay Silonita tamin'i Jeroboama zanaky lahin'i Nebata. 16 Gny fa hitan'ny Isrealy aby fa sy niteno anazy reo gny pazaka, dra namaly anazy gny vahoaky dra nanao ho: ''Ino gny ba azaranay ao amin'i Davida? Sy mana lova ao amigny zanaky lahin'i Jese izahay! Mandehana agny an-daindrareo, ry Isrealy. Akehitriny atio gny akohonanao, ry Davida.'' Dra nihery tagny an-dainy gny Isrealy. 17 Fa reo vahoakin'i Israely zay nitoboky tao atanan'i joda, dra i Rehoboama gny lasa pazakan'ereo. 18 Dra i Rehoboama pazaka nagniraky an'i Adorama, zay nifehy piasa an-terivozo, fa gny Isrealy aby nitoraky vato anazy dra maty izy. Rehoboama pazaka nandososy malaky tagny Jerosalema nindray tamigny Kalesiny. 19 Noho zay Israely dra nikomy tamigny taranak'i davida mandrak'androany. 20 Gny fa ren'ny Israely aby fa nihery i Jeroboama dra nampagniraky nampitoka anazy ho ao amigny fivorian'ereo, dra nanao anahy ho pazakanigny Israely aby. Sy nisy olo dre raiky aza nagnoriky gny fianakavian'i Davida, afa-sy gny fokon'i Joda raiky avo. 21 Gny fa avy tao Jerosalema Rehoboama, dra namory reo taranak'i Joda vo reo fokon'i Benjamina aby; nisy lelahy voafily 180. 000 ze maramila, ba hialy amigny taranak'Israely, ba hagnery gny fazakan'i Rehoboama zanadahin'i Solomona. 22 Fa gny zakan'Agnahary avy tamin'i Semaia, gny lelahin'Agnahary; voazaka ho: 23 "Zakao i Rehoboama zanadahin'i Solomona, pazakan'i Joda, gny taranak'i Joda vo i Benjamina aby, dra reo olo ambiny aby; zakao ho: 24 'Zao gny zakan'i Yaveh: Ka manafiky na mialy amigny rahalahinao vahoakin'i Israely hanao. Gny lelahy sirairay dra sy maisy mihery agny amigny tragnony, akory boak'aminahy zao raha zao." Dra niteno gny zakan'i Yaveh ereo, dra nihery vo nitakasy gny lalany, dra nakato gny zakany ereo. 25 Dra Jeroboama nagnory an'i Sekema teo amigny tany havoan'i Efraima, dra nony teo. Niboaky boak'ao izy dra nagnory an'i Pehoela. 26 Jeroboama nanao anaka-po ho: "Hihery ho anigny taranak'i Davida gny fazaka amizao. 27 Raha miakasy ba hanao soro ao amigny tepolin'i Yaveh ao Jerosalema reo vahoaky reo, dra nihery amigny topon'ereo, dra amin'i Rehoboama pazakan'i Joda ndraiky gny fon'ireo vahoaky reo. Hamono anahy ereo dra hihery amin'i Rehoboama pazakan'i Joda." 28 Dra Rehoboama pazaka tehy hery dra namboasy zanak'agnomby volamena ro; dra hoy izy tamigny vahoaky: "Sarosy ho andrereo gny hiakasy ho agny Jerosalema. Ingo, tahoky gny zagnaharindrareo, ry Israely, ze ninday andrareo niakasy niala gny tany Egypta." 29 Napetrany ta Betela ao gny raiky dra gny hafa tagny Dana. 30 Dra lasa fahota izay fihesiky zay. Gny vahoaky nandeha tamigny raiky na gny hafa, tamigny lalan'aby magnagny Dana. 31 Jeroboama nagnory reo tragno tamigny toera abo dra nanendry pisoro boak'amireo vahoaky aby, ze sy avy teo amireo zanadahin'i Levy avo koa izy. 32 Nanendry andro firavoravoa i Jeroboama tamigny vola fahavalo, tamigny andro faha dimy ambiny folonigny vola, manahaky gny firavoravoa ze agny Joda, dra niakasy tegny amigny alitara izy. Ta Betela agny gny nanovany anizay, nanao soro tamigny zanak'agnomby ze namboariny, dra napetrany tagny Betela reo pisoro tao amigny toera abo ze nataony. 33 Niakasy tagny amigny lagnisy ze namboariny tao Betela i Jeroboama tamigny andro faha dimy ambiny folo tamigny vola fahavalo, tamigny vola ze niheverinigny sainy manoka; nanendry andro firavoravoa ho anigny vahoakin'i Israely izy, dra niakasy tagny amigny alitara ba hagnoro liti-kazo magnisy.