Toko faha 4

1 Pazaka teo amin'i Israely aby i Solomona pazaka. 2 Tahoky reo mana-pahefany: Azaria zanak'i Zadoka gny pisoro. 3 Elihorefa vo Ahia zanak'i Sisa, gny pita-sorasy. Josafata zanak'i Ahiloda gny pitam-boky. 4 Benaia zanak'i Joiada gny nisaha gny tafiky. Zadoka vo Abiatara gny pisoro. 5 Azaria zanak'i Natana gny nifehy reo mana-paheha. Zaboda zanak'i Natana dra pisoro vo namanigny pazaka. 6 Ahisara gny nifehy gny toka-tragno. Adonirama zanak'i Abda dra reo amireo olo ze gny nifehy reo panao asa a-terivozo. 7 Nana mana-pahefa ro ambiny folo i Solomona manera an'Israely aby, ze niatoky gny sakafo ho anigny pazaka vo gny akohonany. Gny lelahy vo gny akohonany. Gny lelahy sirairay aby dra niatoky gny tahiri-sakafo mandrisy gny volany raiky ao agnatinigny tao. 8 Tahoky aby gny agnarany: 9 Beni-hora, boak'agny atany havoan'Efraima; Beni-dakera tao Makaza, Salbima, Beti-semesy, vo Elon-betihanana; 10 Beni-haseda, tao Arobota (Anazy i Soko vo gny tany aby tao Hefera); 11 Beni-Ahihadaba, teo amigny distrikan'i Dora aby (Tafata zanakapelan'i Solomona gny valiny); 12 Bana zanak'i Ahiloda, tao Tanaka vo Megido, vo Beti-sana aby ze teo agnilan'i Zaretana ambanin'i Jezirela, boak'eo Beti-sana dra hatragny Abela-mehola lavisy gny rivon'i Jokneama Abela-mehola lavisy gny siok'i Jokneama; 13 Beni-gabera tao Ramota-gileada (Anazy gny tagnan'i Jaira azak'i Manase, ze tao Gileada, dra gny faris'i Argoba dra anazy, ze tagny Basana, tana lahibe enipolo misy rindry vo hilim-batrangara varahy); 14 Ahinadaba zanak'i Ido, tao Mahaniama; 15 Ahimaza, tao Naftaly (nivaliny avo koa i Basemata zanakapelan'i Solomona); 16 Bana zanak'i Hosay, tao Asera vo Bealota; 17 Josafata zanak'i Peroa, tao Isakara; 18 Simey zanak'i Ela, tao Benjamina; 19 dra Gabera zanak'i Ory, agny amigny tanin'i Gileada, tanan'i Sihona pazakanigny Amorita vo Oga pazakan'i Basana, dra izy raiky gny mana-pahefa ze tao amigny tany. 20 Joda vo Israely dra maro manahaky gny fasy amoron-dranomasy. Nihina vo nino ereo dra faly. 21 I Solomona dra nandidy gny fazakan'aby hatreo amigny Ony dra hatragny ataninigny Filistina vo gny sisi-tanin'i Egypta. Ninday fagnomezam-boninahisy vo nanopo an'i Solomona ereo nandrisy gny andro-piegnany aby. 22 Gny tahirik-an'i Solomona agnatinigny andro raiky dra koba soa lisa telopo kora vo sakafo enipolo kora, 23 agnomby matavy folo, agnomby sy nihina-bilo ropolo, dra agnondry zato, afa-sy gny serfa, gazela, kapreola, dra voro nihatavezy. 24 Akory nana-pahefa tamigny farisy aby magnila gny ony igny izy, boak'eo Tifsa dra hatragny Gaza, mihoasy reo pazaka aby ze nagnila gny Ony, dra nana fedagna tamigny fagnodidigna anazy aby izy. 25 Niania apitonia i Joda vo Israely, gny olon'aby vo gny aviaviny, dra eo Dana hatragny Beri-sheba, tamigny andron'i Solomona aby. 26 Nana tragno sovala efasaly izy ho anigny kalesany, dra pitikisy sovala ro arivo vo ray aly. 27 Reo manam-boninahisy reo dra niatoky sakafo ho an'i Solomona pazaka vo ho an'ireo ze avy teo amigny latabas'i Solomona aby, gny olon'aby tamigny volany avy. Dra sy nalevin'ereo ho sy apy gny raha aby. 28 Ninday vary hordea vo mololo ho an'ireo sovala pitariky kalesa vo sovala fitikira ereo, samby minday ze aviny voak'agny sirairay. 29 Namen'Agnahary fahedrena vo fahazava-say be i Solomona, dra fivelara-say manahaky gny fasy egny amoron-dranomasy. 30 Gny fahendren'i Solomona dra nihoasy gny fahendren'ireo olon'aby tagny asignana vo gny fahendren'i Egypta. 31 Nana-pahendrena noho gny olon'aby izy_noho i Etana Ezrahita, Hemana, Kalkola vo Darda zanak'i Mahola_dra gny lazany dra avy tagny amigny firenena magnodidin'aby. 32 Nizaka ohabola telo arivo izy dra dimy arivo gny hirany raha hisahy. 33 Namarisy gny raha magniry izy, boak'amigny sedara tagny Libanona dra hatramigny Hysopa ze magniry magnaraky gny rindry. Nagnazava momba reo didy avo koa izy, reo voro, reo raha mandaly, dra gny hazan-drano. 34 Avy boak'amigny firenena aby gny olo ba hiteno gny fahendren'i Solomona. Ereo dra avy amireo pazaka aby ze tagny fa nahare gny fahendreny.