Toko faha 3

1 Nanao dina tamin'i Farao pazakanigny Egypta tamigny alalanigny fanambalia i Solomona. Nangalaky gny zanakapelan'i farao izy dra ninday anazy tao amigny tanan'i Davida mandra-pahavitany nagnory gny tragno manoka, gny tragnon'i Yaveh, dra gny manda magnodidin'an'i Jerosalema. 2 Tegny amireo toera abo gny nanovan'ireo olo soro, akory bo sy nisy tragno niory ho anigny agnaran'i Yaveh. 3 Nahare gny fitiavany an'i Yaveh i Solomona tamigny fandehana araky gny lalan'i Davida rany, hafa sy ze nanovany soro vo nagnoro liti-kazo magnisy tegny amireo toera abo izy. 4 Nagnagny Gibeona gny pazaka ba hanao soro tegny, akory toera abo lahibe zay. Nanolosy fagnatisy oroa arivo teo agnabonizay alitara zay i Solomona. 5 Tao Gibeona dra niseho tamigny nofy tamin'i Solomona Yaveh nony hariva; hoy izy ho: "Angataho! Ino gny tokony hameko anao?" 6 Ko hoy i Solomona ho: "Hanao fa naneho sy fivadiha-pagneke lahibe tamigny panoponao, dra i Davida rako, akory nandeha teo agnatrehanao tamigny fahamendreha-pitokisa, tamigny fahamarigna, dra tamigny fahisi-po izy. Nihazogninao honazy ty sy fivaliha-pagneke lahibe ty dra namenao zanadahy hipetraky eo amigny seza fiandrianany izy amizao. 7 Amizao ry Yaveh Zagnahariko, fa nanao gny panoponao ho pazaka teo amigny toeran'i Davida rako Hanao, na dre bo zaza avo aza zaho. Dra sy fataso ho ino gny fomba hiboaha na hilira. 8 Gny panoponao dra eo agnevon'ireo olo ze nisafidinao, vahoaky lahibe, maro sy vita isahy na sy voaisa. 9 Ko ameo gny panoponao gny fahazava-po hisara gny olonao, ba hahafahako magnazava gny soa vo gny rasy. Fa iza moa gny mahay misara anizao vahoakao marobe izao?" 10 Nahafaly gny topo zay fangatahan'i Solomona zay. 11 Dra hoy Zagnahary taminazy ho: "Akory fa nangataky anizay raha zay hanao dra sy nangataky ho anigny vatanao ba ho lava andro hiegna na harena na gny ain'ireo fahavalonao, fa nangataky fahazava-say ho anigny vatanao ba hamatara gny rariny. 12 Ingo, amizao hataoko ze nangatahinao taminahy aby gny fa namenao Anahy gny fangatahanao. Omeko fo hendry vo mahay hanao, ba sy hisy hanahaky anao teo alohanao, dra sy hisy manahaky anao hisanga ao afaranao. 13 Fa nameko anao avo koa ze sy nangatahinao, dra gny harena vo gny voninahisy, ba sy hisy hanahaky anao eo amireo pazaka amigny andronao aby. 14 Raha handeha araky gny lalako hanao dra hintandry reo lalako vo reo didiko, manahaky gny nandehananigny ranao, dra hagnalava gny andronao Zaho." 15 Dra nifoha i Solomana, dra ingo, nofo izay. Avy tao Jerosalema izy dra nisanga nanoloa gny fiaranigny fagnekenigny topo. Nagnatisy fagnatisy oroa vo fagnati-pihavana izy, dra nanao fanasa ho an'ireo panopony aby. 16 Dra nisy apela ro ze pivaro-tegna avy teo amigny pazaka dra nisanga teo agnatrehany. 17 Hoy gny apela raiky igny ho: "O, ry topoko, izaho vo ty apela tihoky dra mindray tragno, dra niteraky zaza tao amigny tragno niarahako taminazy zaho. 18 Dra tamigny andro fahatelo tafaranigny niterahako dra niteraky koa ty apela raiky tihoky. Nindray zahay. Sy nisy olo hafa niaraky taminay tao atragno, fa izahay ro lahy avo. 19 Boak'eo maty gny zanakigny apela raiky igny amigny hariva igny, akory voasindriny izy. 20 Dra nisanga izy gny sasak'aly dra nangalaky gny zanadahiko boak'eo agnilako, dra napetrany teo atratrany, vo napetrany teo atratrako gny zanadahiny igny. 21 Gny fa nifoha hapinono gny zanako zaho gny maray, dra fa maty izy. Fa gny fa nagnety anazy soa zaho gny maray, dra sy zanako, dra sy gny zanako igny izy." 22 Fa gny apela raiky igny nizaka ho: "Aha, gny raiky velo igny gny zanako, dra gny raiky maty igny zanakao." Gny apela volohany nizaka ho: "Aha, gny maty gny zanakao, dra gny velo zanako." Izay gny fomba nizakan'ereo teo agnatrehanigny pazaka." 23 Dra hoy gny pazaka ho: "Gny raiky tamindrareo mizaka ho: 'Ty velo tihoky gny zanako, dra gny maty gny zanakao,' dra gny raiky mizaka ho: 'Aha, gny maty gny zanakao, dra gny velo zanako."' 24 Hoy gny pazaka ho: "Indeso sabasy zaho." Dra nandesin'ereo teo agnatrehanigny pazaka gny sabasy. 25 Dra hoy gny pazaka ho: "Zarao ro gny zaza velo, dra ameo ty apela tihoky gny asasany dra ameo gny raiky koa gny asasany." 26 Dra gny apela ze velo-zanaky nizaka tamigny pazaka, fa feno fangoraha-po ho anigny zanany gny fony, dra hoy izy ho: "O, ry topoko, ameo anazy gny zaza velo, dra sy midika zay ho mamono anazy." Fa hoy gny apela raiky: "Sy honahy na honao akory izy. Zarao izy." 27 Boak'eo namaly gny pazaka dra nizaka ho: "Ameo gny apela volohany gny zaza velo, dra sy midika izay ho mamono anazy. Fa izy gny reniny." 28 Gny fa ren'Israely aby gny fisara ze nataonigny pazaka, dra natahosy gny pazaka ereo, akory hitan'ereo fa tao aminazy gny fahendren'Agnahary handesiny misara.