1 Gny fa mariny gny andro nahafatesan'i Davida, dra nandidy an'i Solomona zanany izy, nanao anizahoky ho: 2 "Handeha amigny lalanigny tany aby zaho. Matazaky, noho izay, dra asehoy fa lelahy gny vatanao. 3 Tano reo didin'i Yaveh zagnaharinao ze mandeha amigny lalany, akatoavo reo lalany, reo fanapaha-keviny, dra reo didim-pagnekeny, mitandrema amize voasorasy ao amigny lalan'i Mosesy, ba hambiny amize ataonao aby hanao, na eza na eza alehanao, 4 ba hahafahan'i Yaveh magnatateraky gny zakany ze nizakany mahakasiky anahy, manao anizahoky ho: 'Raha magnety soa gny fitondra-tegna reo zanadahinao, dra handeha eo alohako apitokia miaraky amigny fo vo fagnahin'ereo manotolo, dra sy hisahasy gny hana lelahy eo amigny seza fiandrianan'Isrealy hanao.' 5 Hanao avo koa dra mahafatasy ze nataon'i Joaba zanak'i Zeroia, dra ze nataony tamigny pifehy ro gny tafik'Israely, dra tamin'i Abnera zanadahin'i Nera, dra tamin'i Amasa zanadahin'i Jetera, ze nivonony. Nizarany ta-pedagna gny lion'aly dra napetrany teo amigny fehi-troky nagnodidy gny valahiny vo tamigny kapa teo atombiny gny lion'aly. 6 Mifanera amin'i Joaba amigny alalanigny fahendrena fa nindesanao, saiky ka anga hizoso agny amigny lolo apedagna gny volo fosy. 7 Na dre izay aza, manehoa hasoa-fagnahy amireo zanadahin'i Barzilay Giledita, dra angao ho isan'ireo ze hihina eo an-databasao ereo, fa avy aminay atiky ereo gny fa nienga boak'agny amin'i Absaloma rahalahinao zaho. 8 Ingo, fa mindray aminao i Simey zanadahin'i Gera, gny Benjamita boak'agny Behorima, ze nagnozo anahy tamigny ozo mahery vaiky tamigny andro nandehanako tagny Mahanaima. Dra nizoso hihao taminahy tagny Jordana i Simey, dra niania taminazy tamigny alalan'i Yaveh zaho, nanao anizahoky ho: 'Sy hamono anao amigny sabasy zaho.' 9 Ko amizao ka anga ho afaky amigny seza izy. Lelahy hendry hanao, dra ho fatasao ze tokony hataonao aminazy. Handesinao mizoso agny amigny lolo miaraky amigny lio gny volo fosiny." 10 Boak'eo i Davida dra nimaty niaraky tamireo razambeny dra nalevy tao amigny tanan'i Davida. 11 Efapolo tao teo reo fotoa nazakan'i Davida teo amireo Isrealy. 12 Nazaka nandrisy gny fito tao tagny Hebrona izy dra tagny Jerosalema nandrisy gny tolopolo tao. Dra nipetraky teo aseza fiandrianan'i Davida rany i Solomona, dra tafapetraky soa gny fitondrany. 13 Dra avy tagny amin'i Batseba renin'i Solomona i Adonia zanadahin'i Hagita. Hoy izy ho: "Avy ba hihava ra hanao?" Namaly izy ho: "Hihana." 14 Dra hoy izy ho: "Misy raha ho zakako anao." Dra namaly izy ho: "Fatasao fa anahy gny fazaka, dra gny Israely dra fa nanatena anahy ho pazaka. Saiky niova gny raha aby, dra natolosy ho anigny rahalahiko gny fazaka, fa anazy boak'amin'i Yaveh zay. 16 Amizao dra mana fangataha raiky aminao zaho, dra ka lagny zaho." Hoy Batseba taminazy ho: "Zakao" 17 Dra hoy izy: "Zakao re Solomona pazaka, fa sy hagnenga anao izy, ba hahafahany magnome anahy an'i Abisaga gny Sonemita ba ho valiko." 18 Hoy i Batseba: "E dra, hizaka amigny pazaka zaho." 19 Noho izay dra nandeha tagny amin'i Solomona pazaka i Batsela ba hizaka aminazy ho an'i Adonia. Dra nisanga gny pazaka hihao taminazy dra niondriky teo aminazy. Boak'eo dra nipetraky teo amigny seza fiandrianany izy dra nana seza fiandriana nandesy ho anigny reninigny pazaka. Dra nipetraky boak'eo akavanany izy. 20 Dra hoy izy ho: "Ba te-hanao fangataha kely aminao zaho, akory sy handa anahy hanao." Dra namaly anazy gny pazaka ho: "Angataho, ry reniko, fa sy handa gny Sonemita ba hatolosy an'i Adonia rahalahinao ho valiny. 22 Namaly i Solomona pazaka dra nizaka tamigny reniny ho: "Nagnino hanao gny mangataky an'i Abisaga Sonemita ho an'i Adonia? Nagnino hanao gny sy nangataky gny fazaka honazy avo koa, akory izy gny lahimatoa__honazy, ho an'i Abiatara pisoro, dra ho an'i Joaba zanadahin'i Zeroia ra?" 23 Boak'eo dra niania tamin'i Yaveh i Solomona pazaka, nanao anizahoky ho: "Enga anie Zagnahary hanao anizay aminahy, dra bebe kokoa, raha sy nanohisy gny ainy tamizay zaka zay i Adonia. 24 Dra noho izay raha bo velo koa i Yaveh, ze nametraky anahy vo nanao anahy teo amigny seza fiandrianan'i Davida rako, dra fa namboasy tragno honahy araky gny napanatenany taminahy, dra azo atoky fa hovono i Adonia amizao." 25 Dra nagniraky an'i Benaia zanak'i Joiada i Solomona pazaka, dra nahita an'i Adonia i Benaia dra namono anazy. 26 Boak'eo dra hoy Abiatara pisoro tamigny pazaka ho: "Mandehana agny Anatota, agny amireo sahonao. Fa mandriky gny ho maty hanao, saiky sy hagnenga anao ho maty amizao fotoa zao zaho, akory ninday gny fiaran'i Yaveh topo teo agnatrehan'i Davida rako hanao dra nizaly tamigny fomba aby nizalianigny rako." 27 DRa naroson'i Solomona sy ho pisoron'i Yaveh i Abiatara, dra mety hagnatateraky reo zakan'i Yaveh izy, araky ze fa nizakany momba gny akohonan'i Ely tao Silo. 28 Avy tagny amin'i Joaba reo vaovao, fa Joaba nanohan'an'i Adonia, fa sy nanohan'an'i Absaloma. Dra nienga tagny amigny tragno lain'i Yaveh i Joaba dra nihazo gny tandroky gny alitara. 29 Nizaka tamin'i Solomona pazaka fa i Joaba dra nienga tagny amigny tragno lain'i Yaveh dra eo agnilanigny alitara amizao. Boak'eo dra nagniraky an'i Benaia zanak'i Jehodia i Solomona, nanao anizahoky ho: "Mandehana, vonoy izy." 30 Dra avy tagny amigny tragno lain'i Yaveh i Benaia dra nizaka taminazy ho: "Hoy gny pazaka ho: 'Miboaha."' Namaly i Joaba ho: "Aha, ho maty eto zaho." Dra nihery tagny amigny pazaka i Benaia, nanao anizahoky ho: "Nizaka i Joaba fa te-ho maty ao amigny alitara noho izy." 31 Dra hoy gny pazaka taminazy: "Atovy araky ze nizakany. Vonoy izy dra alevegno ba hafahanao miala aminahy vo amigny taranaky gny rako gny lio ze nalasak'i Joaba tamigny sy misy atony. 32 Enga anie i Yaveh hagnery gny liony ho eo an-dohany, akory nanafiky lelahy ro feno fahamarigna vo soa noho gny vatany izy dra namono anereo tamigny sabasy, dra i Abnera zanadahin'i Nera, filihanigny tafik'Israely, vo Amasa zanadahin'i Jetera, filihanigny tafik'i Joda, dra sy nahafatasy anizay i Davida rany. 33 Ko enga anie gny lion'ereo hiherin'egny an-dohan'i Joaba vo egny an-dohan'ireo taranany mandrakizay. Fa amin'i Davida vo reo taranany, amigny fianakaviany, dra amigny seza fiandrianany, dra enga anie hisy fiadagna mandrakizay boak'amin'i Yaveh. 34 Boak'eo i Benaia zanak'i Jehodia niakasy dra nanafiky an'i Joaba dra namono anazy. DRa nalevy tagny amigny tragnony tagny agnefisy avo izy. 35 Gny pazaka dra nametraky an'i Benaia zanak'i Joiada teo amigny tafiky hisolo gny toerany, dra nametraky an'i Zadoka pisoro tagny amigny toeran'i Abiatara. 36 Boak'eo gny pazaka dra nagniraky dra napitoka an'i Simey, dra nizaka taminazy ho: "Magnoregna tragno raiky agny Jerosalema hanao dra mitoboha agny, dra ka miboaky ao amize magnagny amigny toera-hafa. 37 Fa amigny andro ze hiboahanao, vo handalovaoa egny amigny Lohasakan-driaky Kidrona, dra fataro mary fa ho vono vatany hanao. Ho eo amigny lohanao gny lionao." 38 Dra hoy I Simey tamigny pazaka ho: "Soa zay zakanao zay. Araky ze nizakanigny pazaka topoko, dra hataonao panoponao." Dra nitoby tagny Jerosalema nandrisy gny andro maromaro i Simey. 39 Fa gny fa tapisy gny telo tao, dra nienga tagny amin'i Akisa zanak'i Maka pazakan'i Gata reo panopo ro an'i Simey. DRa nizaka tamin'i Simey ereo, nanao anizahoky ho: "Ingo, reo panoponao dra agny Gata." 40 Dra nisanga i Simey, dra nagnisy lasely gny borikiny dra nandeha tagny amin'i Akisa tagny Gata ba hitalia reo panopony. Dra nandeha izy dra nandesiny nihery boak'agny Gata reo panopony. 41 Gny fa nizaka i Solomona fa i Simey dra nandeha boak'agny Jerosalema ho agny Gata dra fa nihery, 42 dra nagniraky vo napitoka an'i Simey gny pazaka, dra nanao anizaohoky ho: "Sy fa napiania anao tamin'i Yaveh ra zaho dra nizoro vavolombelo taminao, nanao anizahoky ho: 'Fataro tateraky ze andro hiboahanao vo handehananao agny amigny toera-kafa, fa ho maty vatany hanao'? Boak'eo dra hoy hanao taminahy ho: 'Soa zay zakanao zay.' 43 Nagnino dra hanao gny sy mita gny fianiananao tamin'i Yaveh vo gny baiko ze nameko anao?" 44 Hoy koa gny pazaka tamin'i Simey: "Fatasao ao aponao reo harasi-fagnahy aby ze nataonao tamin'i Davida rako. Noho izay dra hherin'i Yaveh eo agnobo lohanao gny harasi-fagnahinao. 45 Fa ho tahy i Solomona pazaka dra gny seza fiandriana'i Davida dra hipetraky eo agnatrehan'i Yaveh mandrakizay." 46 Boak'eo gny pazaka nagnome baiko tamin'i Benaia zanadahin'i Joiada. Dra niboaky izy dra namono an'i Simey. dra napetraky soa teo agnatrehan'i Solomona gny findesa.