Toko faha 5

1 Hirama pazakan'i Tyro dra nandefa reo panopony ho agny amin'i Solomona akory reny fa voahosos'ereo handimby an-drany izy; akory Hirama dra fa tia an'i Davida avo hatramizay. 2 Napinday zaka ho agny amin'i Hirama i Solomona, nizaka ho: 3 "Fatasao fa i Davida rako dra sy afaky namboasy tragno ho anigny agnaran'i Yaveh Zagnahariny noho reo aly ze nagnodidignan'anazy, fa nandrisy gny andro-piegnany i Yaveh dra nametraky reo fahavalony teo ambany faladia-tombony. 4 Fa amizao, Yaveh Zagnaharinao dra fa nagnome anahy fisahara amigny lafiny aby. Sy misy na pifanandry na loza. 5 Ko dra mikasa gny hagnory tepoly ho anigny agnaran'i Yaveh Zagnaharinao zaho, araky ze nizakan'i Yaveh tamin'i Davida rako, nanao anizahoky ho: "Gny zanadahinao, ze hapetrako eo amigny seza fiandriananao eo amigny toeranao, gny hananga gny tepoly ho anigny agnarako.' 6 Dra amizao mandidia ba hanapahan'ereo hazo Sedera boak'agny Libanona honahy. Hindray amireo panoponao reo panopoko, dra izaho gny handoaa gny karaman'ireo panoponao ba ho voakarama aran-drariny hanao gny amigny raha aby ze nekenao atao. Akory fatasao fa sy misy eo aminay mahay gny fomba anapaha hazo manahaky reo Sidoniana." Raha nahare gny zakan'i Solomona i Hirama, dra niravoravo indrindra izy dra nizaka ho: "Hoderay anie Yaveh amizao, ze nagnome an'i Davida zanadahiny hendry ho eo amity vahoaky lahibe tihoky." 8 Napanday zaka ho an'i Solomona i Hirama, nizaka ho: "Fa reko gny hafasy ze nalefanao honahy. Hamasy gny hazo Sedera vo kypreso aby ze irinao zaho. 9 Handesin'ireo panopoko mizoso boak'agny Libanona magnagny amigny ranomaso reo hazo, dra ho faheko agnaty vata-kazo reo dra hisikafo amigny ranomasy magnagny amigny toera ze tondronao handefasako anazy. Agny gny hapanapahako anereo, dra halanao reo. Hataonao ze iriko amigny fagnomeza sakafo gny akohonako." 10 Ko namen'i Hirama an'i Solomona gny hazo sedera vo gny hazo kesika aby ze niriny. 11 Namen'i Solomona varimbazaha ro aly kora ho sakafo ho anigny akohonany i Hirama dra dililo sy mitapoky ropolo kora. Namen'i Solomona ho an'i Hirama isa-tao zay. 12 Namen'i Yaveh fahedrena i Solomona, araky ze fa napanatenany anazy. Nisy fihavana teo amin'i Solomona vo Hirama, dra nanao fagnekena izy ro tota. 13 Napitoka panao asa aterivozo tamigny Israely aby i Solomona pazaka. Miisa telo aly reo lelahy panao asa aterivozo. 14 Nalefany tagny Libanona ereo, raialy gny mifandimby isam-bola. Volany raily ereo gny tagny Libanona dra ro vola tagny atragno. I Adonirama gny nanapaky teo amireo lelahy ze napagneke ho amigny asa aterivozo. 15 Dra i Solomona nana pinday eta fito aly vo pamaky vato valo aly ze tagny a-tendrombohisy, 16 akoasy reo 3. 300 lahibenigny mana-pahefan'i Solomona ze nanapaky gny asa dra ze nagnaramaso reo piasa. 17 Araky gny didinigny pazaka dra nandrafisy vato lahibe soa kalitao ba hapetraky amigny fagnoregna gny Tepoly ereo. 18 Dra reo pagnori-tragnon'i Solomona vo reo pagnori-tragnon'i Hirama dra reo Gebalita gny nanao gny fikapa vo gny fikarakara gny hazo vo reo vato hamboara gny tepoly.