1
Fotoa siapy tatiky afara, nana tanivoloboky tao Jezirela i Nabota gny Jezirelita, teo agnilan'ny lapan'i ahaba, pazakan'i Samaria.
2
Nizaka tamin'i Nabota i Ahaba i Ahaba nanao ho: ''Omeo anahy gny tanivolobokao, ba ho zaridaina legiomako zay, satria agnilan'ny tragnoko. Ho takalon'izay, homeko tanivoloboky soasoa kokoa hanao, na gny tianao, dra homeko vola sandan'izay hanao.
3
Nabota namaly an'i Ahaba ho: ''Ho raran'i Yaveh zale zay tokony lovan'ireo razambeko omeko anao.''
4
Dra nandeha tao amigny lapany tampahatezera dra hasoregna i Ahaba nohon'ny vali-zaka namen'i Nabota gny Jezerelita anazy ho: ''Sy homeko anao gny lovan'ireo razambeko.'' Nandry nisilagny teo am-pandriany izy, nagnodidy gny tavany, dra sy mety nihina-kany izy.
5
Jezebela valiny nagnao aminazy dra nanao taminazy ho: '' Nanaoakory gny malahelo loasy gny fonao, zay se gny sy hihinananao hany?''
6
Namaly anazy izy ho: ''Nizaka tamin'i nabota gny Jezirelita zaho dar nanao taminazy ho: ''Omeo anahy gny tanivolobokao atakalo vola, na gny tianao dre homeko tanivoloboky hafa hoa anao hanao.'' Dra namaly anahy izy ho: ''sy homeko anao gny tanivoloboko.'''
7
Dra Jezebela valiny namaly ho: ''Fa sy bo manapaky gny fazakan'ny Israely se moa hanao? Misangana dra mihinana; aoka ho faly gny fonao. Halako hon'ao gny tanivolobok'i Nabota gny Jezirelita.'''
8
Dra i Jezebela nanorasy taratasy amigny agnaran'i Ahaba, nitombohiny tamigny tombo-kaseny izay, dra nalefany tagny ami'reo loholo vo reo panakarena zay nitoboky taminazy tao amigny fihogna, dra reo zay nitoboky agnilan'i Nabota zay.
9
Nisoratiny tao amigny taratasy ho: ''Mizaka fifalia-kany dra atobeo agnabon'ny vahoaky i Nabota.
10
Mametraky avo koa olo sy mary ro mindray aminazy dra aoka izy reo hiampaka anazy ho: ''Nagnozoan'i Zagnahary vo gny pazaka hanao.''' Dra aboaho izy dra toraho vato ho maty.
11
Dra nanao zay nifarifaritan'i Jezebela tamin'izy reo, araky gny voasorasy ao amigny taratasy zay nalefany ho anazy reo gny lelahin'ny tanany, reo loholona vo gny panakarena zay nitoboky tao amigny tanan'i Nabota.
12Nizaka fifadian-kina vo nametraky an'i nabota teo agnobon'ny vahoaky izy reo.
13
Nilisy reo lelahy sy marina ro dra nitoboky teo alohan'i Nabota; niampanga an'i Nabota teo amigny fagnatrehan'ny Nabota izy reo, dra nanao ho: ''nagnozo ani Zagnahary vo gny pazaka i Nabota.'' Dra nandesin'izy reo niboaky gny tana izy dra nitorahi-vato ho maty.
14
Avy ei dra loholona dra nandefa zaka ragny amin'i Jezebela nanao ho: '' Nitorahi-vato i Nabota dra maty.''
15
Dra gny ren'i jezebela fa nitorotoro-vato i Nabota dra maty, dra hoy izy ramin'i Anaba: ''Misangana dra alao ho fanagna gny tanivolobok'i Nabota gny Jezirelita, zay nanda gny hagnome anao gny vola ho sandany, satria fa sy velo sasy i Nabota, kay fa maty.''
16
Gny fa ren'i Ahaba fa maty i Nabota, dra nisanga izy dra nizoso tagny amigny tanivolobok'i Nabota gny Jezirelita nangalaky zay ho fanagna.
17
Dra avy tamin'i Elia gny Tisbita gny zakan'i Yaveh manao ho:
18
''Misangana dra mandehana mihaona amin'i Ahaba pazakan'Israely, zay mitoboky agny Samaria. Ao amigny tanivolobok'i Nabota izy, agny amin'izay nandehanany ba sy halany ho fanagna.
19
Sy maisy mizaka aminazy hanao dra zakao ho izao gny lazan'i Yaveh: Sady fa nagnova se hanao gny ba nangalaky ho fanagnanao avo koa?'' Dra hozakanao anazy ho izao gny lazan'i yaveh:'' Eo amigny toera zay nilelarin'ny amboa gny ran'i Nabota, gny nilelaran'ny amboa gny lionao koa, egny gny lionao.'''
20
Hoy i Ahaba tamin'i Elia: ''dra nahita anahy hanao, ry fahavaloko:'' dra namaly i Elia ho: ' fa hitako hanao, satria fa namarosy gny tegnanao ba hanao zay rasy eo amason'i Yaveh hanao.
21
Izao gny zakan'i Yaveh aminao: ''Ingo, hinday loza eo aminao vo hanola tanteraky dra mahongosy eo aminao gny zanaky lahy lelahy aby vo gny andevo dra gny lelahy afaky ao Israely zaho.
22
Hataoko manahaky gny fianakavin'i Jeroboama zanaky lahin'i Nebata gny fianakavianao, dra manahaky gny fianakavian'i Basa zanaky lahin'i Ahia, satria nihasy anahy tamigny fahatezera dra ninday an'ny Israely hanota hanao.''
23
Yaveh avo koa dra nizaka momban'i jezebela ho: ''Hihina an'i Jezebela eo agnilan'i mandan'i Jezirela gny momba.''
24
Izay an'i Ahaba aby dra maty tao atana, dra hohanin'ny amboa; dra reo voro egny amigny lagnisy hihina reo aby zay maty egny asaha.'''
25
Sy nisy olo manahaky an'i Ahaba, zay namarosy gny vatany ba hanao zay rasy eo amason'i Yaveh, zay napirisihin'i Jezebela valiny hanota.
26
Nanao asa vetaveta ho an'ny sampy orihiny i Ahaba, manahaky zay aby fa nataon'ireo Hamorita, reo zay nalan'i Yaveh teo agnatrehan'ny olon'Israely.
27
Gny fa ren'i Ahaba reo zaka reo, dra naniasy gny akazon'ny izy dra nanao akazo fisogna dra nifaly hany, dra nandry tamigny akazo fisogna vo tena nanahelo fatrasy.
28
Dra avy tamin'i Elia gny Tisbita gny zakan'i yaveh ho:
29
Hitanao se gny fagnetre-tegnan'i Ahaba eto agnatrehako? satria gny vatany eto agnatrehako izy, dra sy hinday gny loza fa ho avy ami'reo androany zaho; amigny andron'ny zanany lelahy gny handesako loza eo amigny fianakaviany.'''