Toko faha 22

1 Nandrisy gny telo tao lasa dra sy nisy aly teo amin'i Arama vo i Isrealy. 2 Dra tamigny tao fahatelo, dra nizoso tagny amigny pazakan'i Isrealy i Josafata pazakan'i Joda. 3 Dra gny pazakan'i Israely dra fa nizaka tamigny panopony ho: "Ba fatandrareo ra fa Ramota-gileada dra asika, saiky sy manao na ino na ino isika ba hangala anizay eo atagnan'i pazakan'i Arama?" 4 Dra hoy izy tamin'i Josafata: "Hindray aminahy hialy agny Ramata-gileada ra hanao?" Josafata namaly gny pazakan'i Israely ho: "Izaho dra manahaky anao, dra reo sovalako dra manahaky reo sovalanao." 5 Hoy i Josafata tamigny pazakan'Israely ho: "Mitaliava re tari-dala avy amigny zakan'i Yaveh gny amizay tokony hataonao volohany." 6 Dra napivory reo paminany niaraky gny pazakan'i Israely, lelahy efazato, dra zakao ereo ho: "Tokony ho agny Ramota-gileada ra zaho ba hialy, sa sytokony? Dra hoy ereo ho: "Manafiha, fa gny topo hagnome anizay ho eo atagnanygny pazaka." 7 Fa hoy i Josafata ho: "Sy misy paminanin'Agnahary hafa zemety hahazoasika hevisy sasy ra eto?" 8 Dra hoy gny pazakan'Israely tamin'i Josafata ho: "Bo misy lelahy raiky mety hahazoasika hevisy avy amin'i Yaveh ba ho fagnapia, Mikaia zanadahin'i Jimai, saiky halako izy akory sy ba maminany raha soa mahakasiky anahy, fa loza avo." Fa hoy i Josafata ho: "Sy hizaka zay anie gny pazaka." 9 Dra nitoka manapahefa raiky gny pazakan'i Israely dra nagnome baiko ho: "Andeso atiky i Mikaia zanadahin'i Imla, zao dra zao." 10 Dra i Ahaba pazakan'Israely vo i Josafata pazakan'i Joda dra samy nipetraky tamigny seza fiandriana aby, nekazo gny akaon'ereo, teo amigny toera malalaky teo amigny fidiranigny vavahadin'i Samaria, dra reo paminany aby dra naminany teo alohan'ereo. 11 Zedekia zanadahin'i Kenana vatany dra nanao tandroky vy dra nizaka ho: "Izao gny voazakan'i Yaveh: 'Amitahoky gny hanotoanao Syriana mandra-paharingany."' 12 Dra gny paminany aby naminany nitovy, nanao anizahoky ho: "Tafiho Ramota-gileada dra mahazoa fandresena, fa i Yaveh fa nanolosy anazy ho eo atagnanigny pazaka." 13 Gny pinday hafasy ze nandeha nitoka an'i Mikaia nizaka taminazy, nanao anizahoky ho: "Ingo, amizao, gny zakan'ireo paminany dra magnambara raha soa ho anigny pazaka tamigny vava raiky. Aoky re gny zakanao ba hanahaky gny raiky amireo dra mizaka raha soa." 14 Dra namaly Mikaia ho: "Raha bo velo koa i Yaveh, dra ze zakan'i Yaveh aminahy gny ho pazaka izy, dra hoy gny pazaka taminazy ho: " 15 Gny fa avy teo amigny pazaka izy, dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Ry Mikaia, tokony handeha hialy agny Ramota-gileada ra zahay, sa sizy?" Mikaia namaly anazy ho: "Manafiha dra mabrese. Hanolosy anazy ho eo atagnanigny pazaka i Yaveh." 16 Dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Ipiry moa zaho gny nitalia anao hianiagna ba sy hizaka na ino na ino aminahy amigny agnaran'i Yaveh afa-sy gny mary avo?" 17 Dra hoy i Makaia ho: "Hitako niely tegny an-tendrombohisy gny Israely aby, manahaky gny agnondry sy misy piamby, dra Yaveh nanao anizahoky ho: 'Sy mana piamby reo. Aoky gny lelahy sirairay holy soa ama-sara agny atragnony."' 18 Dra hoy gny pazakan'Israely tamin'i Josafata ho: "Sy fa nizaka taminao ra zaho fa sy mety maminany raha soa mahakasiky anahy izy, fa loza avo?" 19 Dra hoy Mikaia ho: "Noho izay tenoy gny zakan'i Yaveh: nahita an'i Yaveh nipetraky teo amigny seza fiandrianany zaho, dra reo maramilanigny lagnisy aby dra nizoro teo agnilany teo akavanany vo teo akaviany. 20 Hoy i Yaveh ho: "Iza gny hitao an'i Ahaba, ba hiakasy izy dra ho lavo agny Ramota-gileada?' Gny raiky tamin'ereo nizaka anizao dra gny raiky hafa nizaka anizao. 21 Boak'eo dra nisy fagnahy raiky nagnato, nizoro teo anoloan'i Yaveh, dra nanao anizahoky ho: 'Izaho gny hitao anazy .' Draa hoy Yaveh taminazy ho: 'Amigny fomba akory?' 22 Dra namaly gny fagnahy ho: 'Hiboaky zaho dra ho fagnahy mavandy eo am-bavan'ireo paminany aby.' Yaveh namaly ho: 'Hahatao anazy hanao, dra hahomby avo koa. Ko mandehana dra atovy zay.' 23 Dra ingo, Yaveh nametraky fagnahy mavandy teo am-bavan'ireo paminaninao aby reo, dra Yaveh fa nizaka ho anao." 24 Dra Zedekia zanadahin'i Kenana, niakasy, namelaky gny takolan'i Mikaia, sady nanao anizahoky ho: "Teza gny lalanigny fagnahin'i Yaveh niala ba hizaka aminao?" 25 Dra hoy i Mikaia ho: "Ingo, ho fatasao zay amizay andro zay, gny fa milisy gny efisy agnatiny ba hivony hanao." 26 Hoy gny pazakan'Israely tamigny panopony ho: "Sambory Mikaia dra andeso agny amin'i Amona, gny governoranigny tana, dra agny amin'i Joasy, zanadahiko. 27 Zakao izy ho: 'Apidiro apoza ty lelahy tihoky hoy gny pazaka, dra fahano mofo kely vo rano kely avo izy, mandra-pahaviako soa ama-sara. 28 Dra hoy i Mikaia ho: "Raha tahy dra tafahery soa amasa-sara hanao, dra sy napizakan'i Yaveh zaho sy akory." Dra napiany ho: "Tenoy zay, ry vahoaky aby." 29 Dra niakasy ho agny Ramota-gileada i Ahaba, pazakan'Israely. vo Josafata, pazakan'i Joda. 30 Gny pazakan'i Israely nizaka tamin'i Josafata ho: "Hanao olo-kafa zaho dra hirosaky ao agnaty aly, fa hanao koa hagnisy gny akazonigny pazaka avo." Dra nanao sary olo-hafa gny pazakan'Israely dra nirosaky tagny agnaty aly. 31 Dra nandidy gny Kapiteninigny kalesiny ro amby telopolo gny pazakan'i Syria, nanao anizahoky ho: "Ka manafiky gny maramila kely na lahibe. Fa gny pazakan'i Israely avo gny tafiho." 32 Dra gny nahita an'i Josafata reo kapiteninigny kalesy dra nanao anizahoky ho: "Igny vatany gny pazakan'i Isrealy." Nihody ereo ba hamely anazy, dra niasoaso fatrasy i Josafata. 33 Dra gny fa hitan'ireo pifehy gny kalesy fa sy igny gny pazakan'i Israely, dra nihery tamigny fagnezeha anazy ereo. 34 Fa nisy lelahy raiky nandefa gny zana-sipiky kitoatoa dra nahavoa gny pazakan'Isrealy teo agnelagnelan'ireo fiarova-tratrany. Dra i Ahaba nizaka tamigny pamarosy gny kalesiny ho: "Mihodidy dra andeso miboaky gny aly zaho, fa narasy fatrasy zaho." 35 Nihafatrasy gny aly tamizay andro zay dra gny pazaka dra nitihagna hisanga tao amigny kalesiny nagnatriky gny Syriana. Maty izy nony hariva. Nizininiky boak'eo amigny rasiny dra hatragny amigny voli-kalesy gny lio. 36 Dra nony fa hiletiky gny masoandro, dra nisy asoasoa fatrasy nanera gny tafiky, nanao anizahoky ho: "Samia moly agny amigny tanany aby gny lelahy; dra samia moly agny amigny faritaniny aby gny lelahy aby!" 37 Dra maty i Ahaba pazaka dra nandesy tagny Samaria, dra nalevin'ereo tao Samaria izy. 38 Nisasan'ereo teo amigny farihin'i Samaria gny kalesy, dra nilefinigny amboa gny liony (teo gny fandron'ireo apela zanga), araky ze fa nambaranigny zakan'i Yaveh. 39 Dra gny raharaha hafa mahakasiky an'i Ahaba, vo ze nataony ahy, gny tragno ivory ze naoriny, dra reo tana aby ze naoriny, moa ra sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazakan'Israely reo? 40 Dra nimaty tagny amireo razambeny i Ahaba, dra i Ahazia zanadahiny gny lasa pazaka nandimby gny toerany. 41 Dra i Josafata zanadahin'i Asa nanomboky nazaka nanera an'i Joda tamigny tao faha-efasy nazakan'i Ahaba pazakan'Israely. 42 Dimy amby telopolo tao i Josafata gny nanomboky nazaka, dra nazaka tao Jerosalema nandrisy gny dimy amby ropolo tao izy. Azoba gny agnaran-dreniny, gny zanakapelan'i Silo. 43 Nagnaraky gny fomban'i Asa rany izy; sy niala tamireo izy; nanao ze mary teo amason'i Yaveh izy. Kanefa gny toera abo dra sy ba niravany. Fa gny vahoaky bo nanao soro vo nagnoro liti-kazo magnisy teo amireo toera abo avo. 44 Dra i Josafata nihava tamigny pazakan'i Israely. 45 Dra gny raharaha hafa mahakasiky an'i Josafata, vo gny hery ze nasehony, dra gny fomba nialiany, moa ra reo sy fa voasorasy ao agnatinigny bokinigny tatarany pazakan'i Joda? 46 Nalany teo amigny tany reo sisa tavela tamigny olo nanolo-tegna hizangazanga ho fanopoa-sapy ze bo tamigny andron'i Asa rany. 47 Sy nisy pazaka tao Edoma, fa olo voatendry gny nintondra tao. 48 Josafata nanao sambo fitatera an-dranomasy; nandeha nagnagny Ofira ereo hangalaky volamena, kanefa sy lasa akory nikaso tao Ezian-gebera reo sambo. 49 Dra hoy Ahazia zanadahin'i Ahaba tamin'i Josafata ho: "Aoky ba hindray sambo amigny panoponao gny panopoko." Fa i Josafata vsy nagnenga anizay. 50 Nimaty tagny amireo razambeny i Josafata dra nalevy niaraky tamin'ereo tao atanan'i Davida, razambeny; dra Jerohama zanadahiny gny lasa pazaka nandimby gny toerany. 51 Ahazia zanadahin'i Ahaba dra nanomboky nazaka nanera an'Israely tagny Samaria tamigny tao faha-fito ambiny folo nazakan'i Josafata pazakan'i Joda, dra nazaka ro tao teo amin'i Israely izy. 52 Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy dra nagnaraky gny fombanigny rany, tamigny fombanigny reniny, dra tamigny fomban'i Jeroboama zanadahin'i Nebata, ze nitarihiny gny Israely hanota. 53 Nanopo an'i Bala vo nivavaky taminazy izy dra nanao ze nahaory an'i Yaveh, gny Agnaharin'Israely, manahaky gny fa nataon-drany avo.