1 Namory gny tafiny hatambany i Beni-hidada oazakan'i Syria. Nisy pazaka masaiky ro amby telopo niaraky atminazy, dra sovala vo kalesa. Niakasy izy, nanao fahirano an'i Samaria vo nialy nanohisy anizay. 2 Nandefa iraky nagnagny amigny tana ho an'i Ahaba pazakan'Israely izy, dra nizaka taminazy ho: "Izao gny zakan'i Beni-hadada ho: 3 'Gny volafosinao vo gny volamenanao dra anahy. Reo valinao vo gny zanakao avo koa, reo soa indrindra, dra anahy amizao."' 4 Namaly gny pazakan'Israely dra nanao anizahoky ho: "Ho tateraky araky gny zakanao zay, ry pazaka, topoko. Izaho vo ze hanagnako aby dra anao." 5 Avy ndraiky reo iraky dra nanao anizahoky ho: "Izao gny zakan'i Beni-hadada ho: "Nandefa zaka taminao zaho fa hanao dra sy maisy hanolosy gny volafosinao, gny volamenanao, reo valinao, dra reo zanakao ho anahy. 6 Nefa hagniraky reo panopoko agny aminao zaho maraindray amigny ora manahaky anizao, dra hitalia gny tragnonao vo gny tragnon'ireo panoponao ereo. Hanambosy amigny tagnany ereo dra hangalaky anizay aby tianigny mason'ereo."' 7 Dra nitoka reo loholonigny tany aby niaraky gny pazakan'Israely dra nanao anizahoky ho: "Ba reso asorasy dra atio gny fomba hitaliavanity lelahy tiho olo. Fa nandefa zaka taminahy izy ba hangala reo valiko, reo zanako, dra gny volafosiko vo gny volamenako, dra sy bo nanda anazy zaho." 8 Reo loholo aby vo gny vahoaky aby nizaka tamin'i Ahaba ho: "Ka miteno anazy na magneky anize fangatahany." 9 Dra hoy i Ahaba tamireo irak'i Beni-hadada ho: "Zakao gny pazaka topoko ho: 'Magneky gny raha aby ze nagnirahanao gny panoponao hatao tamigny volohany zaho, kanefa sy afaky hagneky ty fangataha faharo tihoky zaho.'" 10 Dra lasa reo iraky dra ninday anizay zali-zaka zay teo amin'i Beni-hadada. Dra nandefa gny vali-zaka ho an'i Ahaba i Beni-hadada, dra nanao anizahoky ho: "Enga anie reo zagnahary hanao anizay aminahy dra mitenoa, raha ho apy hana eranigny tana boak'amigny lavenok'i Samaria reo vahoaky aby ze magnaraky anahy." 11 Namaly gny pazakan'Israely dra nanao anizahoky ho: "Zakao i Beni-hadada ho: 'Sy misy olo mametraky gny feliany, dra tokony hirehareha ho amigny nangalany anizay.'" 12 Dra niteno anizay hafasy zay i Beni-hadada raha nino izy, dra izy vo reo pazaka ambaniny ze tao agnatinigny lain'ereo. Beni-hadada nandidy reo lelahiny ho: "Milahara ho amigny aly handrareo." Dra nagnoma gny zakan'ereo ho amigny aly ereo ba hamely gny tana. 13 Dra ingo, nisy paminany avy teo amin'i Ahaba pazakan'Israely dra nanao anizahoky ho: "Hoy i Yaveh: 'Fa hitanao ra ty tafiky lahibe tihoky? Ingo, hametraky anizay eo atagnanao zaho amizao, dra ho fatasao vatany fa Izaho gny Yaveh."' 14 I Ahaba namaly ho: "Amigny alalan'iza?" Dra namaly Yaveh dra nanao anizahoky ho: "Amigny alalan'ireo tanora mana-pahefa ze manopo reo governoranigny distriky." Dra Ahaba nanao anizahoky ho: "Iza gny hanomboky gny aly?" Yaveh namaly ho. "Hanao." 15 Dra nanambasy reo tanora mana-pahefa ze nanopo gny komandinigny isan'atokony i Ahaba. Niisa 232 ereo. Tafaran'ereo dra nanambasy reo maramila aby izy; gny tafik'Israely aby; niisa fito arivo. 16 Niboaky tamigny mitatao vovogna ereo. Beni-hadada dra fa avy nitoka dra nahamamo gny vatany tao an-daiky, izy vo reo pazaka masaiky ro amby telopolo ze nanohagna anazy. 17 Reo tanora mana-pahefa ze nanopo gny komandinigny isan'atokony gny nandroso meloha. DRa napahalalan'ireo tily ze nirahiny i Beni-hadada ho: "Misy lelahy miboaky boak'ao Samaria." 18 Hoy i Beni-hadada ho: "Na tamigny filamina na tamigny aly gny niboahan'ereo, dra sambory velo ereo." 19 Dra niboaky gny tana reo tanora mana-pahefa ze nanopo reo governoranigny isan'atokony dra nagnaraky anereo gny tafiny. 20 Namono gny fahavalony aby ereo dra nienga reo Syriana. Nagnitriky anereo gny Israely. Beni-hadada pazakan'i Syria koa nienga tamigny sovala niaraky tamireo pitikisy sovala ilany. 21 Dra niboaky gny pazakan'Israely dra nanafiky reo sovala vo reo kalesy, dra namono reo Syriana tamigny famonoa lahibe. 22 Dra nagnato gny pazakan'Israely gny paminany dra nizaka taminazy ho: "Mandehana, atazaho gny vatanao, dra takaro vo omano ze ataonao, akory amigny heritao dra hiakasy hanohisy anao ndraiky gny pazakan'i Syria." 23 Reo panoponigny pazakanigny Syria nizaka taminazy ho: :Gny zagnaharin'ereo dra zagnahary gny havoa. Izay gny atony napatazaky anereo hialy amin'ereo egny amigny lemaky, dra ho azo atoky fa ho fatrasy noho ereo isika. 24 Noho izay dra izao gny sy maisy ataonao: alao eo amigny toeranigny fahefany reo pazaka aby dra soloy pifehy maramila ereo. 25 Manangana tafiky manahaky gny tafiky maty teo__sovala solonigny sovala dra kalesy solonigny kalesy__ba hahafahasika mialy amin'ereo egny amigny lemaky. Dra ho azo atoky fa hahery noho ereo isika." Dra niteno gny torohevis'ereo i Beni-hadada dra nanao ze natoron'ereo. 26 Tafaranigny fa fiatombohanigny taom-baovao, dra nanambasy ho agny Afeka ba hialy amin'Israely. 27 Navory reo vahoak'Israely dra nivasia ba hialy amin'ereo. Nitoby teo anoloan'ereo manahaky gny andian'osy masaiky ro toko gny vahoakin'Israely, nefa reo Syriana nagneniky gny tany. 28 Dra nagnato mariny gny lelahin'Agnahary raiky dra nizaka tamigny pazakan'Israely ho: "Hoy Yaveh ho: 'Akory reo Syriana fa nizaka fa Yaveh dra zagnahary gny havoa, fa sy ba zagnaharin'ireo lohasaka tihoky, dra ho fatasao fa Izaho gny Yaveh."' 29 Dra nitoby nifanandrify reo tafiky nandrisy gny fito andro. Dra nanomboky gny aly tamigny andro fahafito. Namono Syriana pandeha atomboky 100. 000 gny vahoakin'Israely tagnatinigny andro eaiky. 30 Gny sisa nienga tagny Afeka, tao amigny tana fito arivo vo ro aly ze tavela gny manda. Nienga i Beni-hadada dra nagnagny amigny tana, tagnaty efitragno raiky. 31 Nizaka taminazy reo panopon'i Beni-hadada ho: "Ingo, amizao, renay fa reo pazakanigny zanak'Israely dra pazaka pamindra fo. Ba angao re zahay hagnisy lamba fandala eo amigny valahanay vo taly eo amigny pazakan'Israely. Mety hamindra fo aminao angamba izy." 32 Dra nisiky lamba fandala tegny am-balahany ereo dra boak'eo nagnagny amigny pazakan'Israely dra nanao anizahoky ho: "Beni-hadada panoponao nizaka ho: 'Ba angao re zaho ho velo.'" Hoy i Ahaba ho: "Bo velo ra izy? Rahalahiko izy." 33 Dra niteno ze ho famata boak'amin'i Ahaba reo lelahy, dra namaly anazymalaky ereo ho: "E, Beni-hadada rahalahinao dra velo." Dra hoy i Ahaba ho: "Mandehana dra andeso izy." Boak'eo dra avy teo aminazy i Beni-hadada, dra tafakasy tagny amin'i Ahaba tamigny kalesiny izy. 34 Beni-hadada nizaka tamin'i Ahada ho: "Aheriko aminao reo tana ze nalanigny rako tamigny ranao, dra afaky manao fivarona ho anao agny Damaskosy hanao, manahaky gny nataonigny rako tagny Samaria." Namaly i Ahaba ho: "Angako handeha miaraky amity fifagneke-pihavana tihoky hanao." Dra nanao fifagneke-pihavana taminazy i Ahaba dra boak'eo nagnenga anazy handeha. 35 Nisy lelahy raiky, raiky amireo zanadahin'ireo paminany, nizaka tamigny raiky tamireo paminany namany tamigny zakan'i Yaveh ho: "Ba velezo zaho:" Saiky nanda gny hamaly anazy gny lelahy. 36 Dra nizaka tamigny paminany namany gny paminany ho: "Akory hanao sy hakato gny feon'i Yaveh, dra raha vo magnenga anahy hanao, dra hisy liona hamono anao." Raha vo nagnenga anazy gny lelahy, dra nisy liona nisapy taminazy dra namono anazy. 37 Boak'eo dra nahita lelahy hafa raiky ndraiky gny paminany dra nizaka ho: "Ba veleso zaho." Dra namely anazy gny lelahy dra nandrasy anazy. 38 Dra niala gny paminany dra niala gny paminany dra nandigny gny pazaka teo amoron-dala; nagnova gny endriny tamigny fotosy teo amigny masony izy. 39 Raha nandalo igny gny pazaka, dra nitoka fatrasy gny pazaka gny paminany dra nizaka ho: "Niboaky ho agny agnaty aly mangotraky gny panoponao, dra maramila raiky gny nanaka vo ninday fahavalo ho anahy dra nizaka ho: 'Jeriko ty lelahy tihoky. Raha sy hita amigny fomba aby izy, dra gny ainao gny hame ho solonigny ainy, na raha sy izay dra hagnenga taleta volafosy hanao.' 40 Nefa akory gny panoponao dra bo rekisy tamigny fandehana esy sy teroa, dra nienga gny maramila fahavalo." Boak'eo dra nizaka taminazy gny pazakan'Israely ho: "Izao gny ho sazinao__gny vatanao zao mihisy gny fa nanapa-kevisy anizay.? 41 Dra nangalaky malaky gny fatosy tegny amigny masony gny paminany, dra fatasy gny pazakan'Israely fa raiky tamireo paminany izy. 42 Hoy gny paminany tamigny pazaka ho: "Yaveh mizaka ho: 'Akory fa nanganao handeha avy teo atagnanao gny lelahy ze nididiko ho maty, dra gny ainao gny hisolo toera gny ainy, dra gny vahoakao ho solonigny vahoany."' 43 Dra ory vo nasiaky fatrasy gny pazakan'Israely nagnagny atragnony, dra avy tagny nSamaria.