1 Nizakan'i Ahaba tamin'i Jezebela avokoa ze nataon'i Elia aby vo gny namonoany reo paminany aby tamigny sabasy. 2 Dra Jezebela nandefa pinday hafasy tagny amin'i Elia, nizaka ho: "Hataon'ireo zagnahariko manihaky anie zay, mihoasy noho izay aza. raha sy hataoko hanahaky gny ainigny raky tamireo paminany ze maty raiky gny ainao maraindray amigny fotoa manahaky anizao." 3 Gny fa ren'i Elia zay, dra nisanga izy dra lasa nienga namozy gny ainy dra nagnagny Beri-sheba, ze an'i Joda, dra nangany teo gny panopony. 4 Fa izy nandeha lalana ndraiky andro tagny agnefisy, dra avy nitoboky teo ambany hazo kifafavoninahisy. Nangataky gny ho maty izy, dra nanao ho: ''Ampy zay, akehitriny, ry Yaveh; Alao gny aiko, satria sy soa noho reo razambeko zaho.'' 5 Dra nandry nisilany teo ambany kifafavoninahisy izy. Tapoky teo dra nisy azely nisapa anazy dra nizaka taminazy ho: ''Mifohaza dra mihinana.'' 6 Nagnety i Elia, dra teo agnilan'ny lohany dra nisy mofo voaendy tamigny vato mafana vo rano raiky tavoara. Dra nihina vo nino izy dra nandry nisilany ndraiky. 7 Avy fagnindrony ndraiky gny azelin'i Yaveh, dra nisapa anazy dra nizaka ho: ''Miharegna dra mihinana, satria ho lava aminao gny lia.'' 8 Dra nisanga izy dra nihina vo nino, dra nandeha tamigny hery azony tamin'izay sakafo zay mandrisy gny efapolo andro vo efapolo hariva ho agny Horeba, gny tendrombohisy Zagnahary. 9 Nandeha tao amigny zahy raiky tagny izy dra nitobokyu tao ami'zay. Dra avy tamigny gny zakan'i Yaveh dra nizaka taminazy ho: ''Ino gny ataonao ato, ry Elia?'' 10 Elia namaly ho:'' Be zoto-po ho an'i yaveh Zagnahary tompon'ny maro zaho, satria fa nahafo gny fagnekenao gny olon'Israely, nandrava reo alitaranao, dra namono reo paminaninao tamigny sabatra. Akehitriny izaho, dra izaho raiky, gny sisa tavela dra mikasiky gny hofofo gny aiko koa izy reo.'' 11 Yaveh namaly ho: ''Miboaky dra misanga eo amigny tendrombohisy eo alohako.'' Dra niriosy i Yaveh, dra nisy sioky mahery namaly gny tendrombohisy dra namaky reo vatolapy ho torotoro teo agnatrehan'i Yaveh, kanefa si tao agnatin'ny sioky i Yaveh. Dra tafaran'i sioky, dra nisy horohoron-tany avy, kanefa sy tao agnatin'ny horohoron-tany i Veh. 12 Dra yafaran'ny horohoron-tany dra vay gny afo, kanefa sy tao agnatin'ny afo i yaveh. Dra tafaran'ny afo, dra nisy feo malefaky avy. 13 Gny ren'i elia gny feo, dra nitakonany tamigny lambany gny tavany, niboaky izy, dra nisanga teo amigny filiran'ilay zohy. Dra nisy feo avy taminazy nanao ho: ''Ino gny ataonao eto, ry Elia?'' 14 Elia namaly ho: 'be zotom-po ho an'i Yaveh, Zagnahary tompon'ny maro zaho, fa gny olon'Isrealy nahafo gny fagnekenao, nandrava reo alitaranao, dra namono reo paminaninao tamigny sabatra. Akehitriny, izaho dra izaho raiky, gny sisa tavela dra mikasiky gny hifofo gny aiko izy reo.''' 15 Dra Yaveh nizaka taminazy ho: ''Mandehana, mihery amigny lalanao ho agny agnefis'i Damaskosy, dra gny fa avy agnuy hanao dra hanososy an'i Hazaela ho pazakan'i Asyria, 16 Dra hanao honososy an'i Jeho zanaky lahin'i Nismy ho pazakan'ny Israely, dra hanao hanososy an'i elia zanaky lahin'i safata avy agny Abela-mehola ho paminany handimby gny fitobohanao. 17 Dra ami'zay dra havonon'i Jeho zay aby tagasoaky tamigny sabatr'i Hazaela, hovonon'i elia zay aby tafaenga amigny sabatr'i jeho. 18 Kanefa zaho hagnenga olo fito arivo anahy agny Israely, reo zay nandohaliky dra sy niakohoky tamigny bala, vo reo vava zay sy bo nagnoroky anazy.'' 19 Dra niala teo i Elia dra nahita an'i Elisa zanadahin'i Safata, ze niasa niaraky tamigny ziogan'agnomby ro ambiny folo nanoloa anazy, dra izy vatany avo gny niasa niaraky tamigny zioga faha-ro ambiny folo. Nisaky nagneo amin'i Elisa i Elia nanaro gny lambany taminazy. 20 Boak'eo dra nandoa reo agnombiny i Elisa dra nihazakazaky nagneziky an'i Elia; hoy izy: "Angao re zaho hagnoroky gny rako vo gny reniko, dra hagnaraky anao zaho boak'eo." Dra hoy i Elia taminazy: "Miheregna moa, kanefa saigno ze fa nataoko taminao." 21 Dra nahery boak'agny amin'i Elia i Elisa dra nangalaky gny ziogan'agnomby, namono reo biby, dra nahandro gny hena tamigny hazo ziogan'agnomby, dra nameny gny olo zay dra nihina ereo. Boak'eo dra nisanga izy, nagnaraky an'i Elia dra nanopo anazy.