1 Dra gny fa afaky andro maromaro dra avy tamin'i Elia gny zakan'i Yaveh, tamigny tao fahatelonigny hai-tany, nanao anizahoky ho: "Mandehana, mesehoa amin'i Ahaba dra handefa ara amigny tany zaho." 2 Nandeha niseho tamin'i Ahaba Elia; dra fatrasy gny mosary tagny Samaria. 3 Ahaba nitoka an'i Abadia, ze nisaha gny lapa. Dra Obadia dra nagnome voninahisy an'i Yaveh vatany, 4 dra gny fa namono reo paminanin'i Yaveh Jezebela, dra nangalaky reo paminany zato dra namony anereo isa-dimapolo tao an-davabato dra namahan'anereo tamigny mofo vo rano i Obadia. 5 Dra hoy Ahaba tamin'i Obadia: "Mandehana mitety gny tany hatragny amigny loharano vo reo lohasakan-driaky aby. Fa mety hahita ahi-meso hameloma gny sovala vo gny apondra isika, ba sy hisy ho levo gny biby teza aby." 6 Ko nifapizaran'ereo gny tany ba handehanany amizay dra italiavany rano. Ahaba nandeha tamigny lala raiky dra Obadia nandeha tamigny lala hafa. 7 Raha bo tegny an-dala i Obadia, dra nifanena tapoky tamin'i Elia izy. Obadia nahay anazy dra napekohoky gny tavany tamigny tany. Hoy izy ho: "Hanao ra tihoky, ry Elia topoko?" 8 Elia namaly anazy ho: "Izaho tiky. Mandehana zakao gny toponao ho: 'Ingo, ato Elia"' 9 Dra namaly obadia ho: "Ino gny fahotako, gny atolosao eo atagnan'i Ahaba gny panoponao, ba hamonoany anahy? 10 Raha bo velo koa Yaveh Zagnaharinao, dra sy misy firenena na fazaka ze sy nandefasanigny topoko olo hialy anao. Na ombia na ombia gny misy firenena na fazaka mizaka ho: 'Sy ato Elia, dra apanovin'i Ahaba fianiana hiania fa sy nahita anao ereo. 11 Nefa amizao hoy hanao: 'Mandehana, zakao gny toponao fa atiky i Elia.' 12 Vatany vo miala aminao zaho, gny fagnahin'i Yaveh hinday anao agny amigny toera sy fataso. Dra raha handeha zaho dra hizaka amin'i Ahaba, dra raha sy hahita anao izy, dra hovonony zaho. Kanefa zaho, panoponao, dra nanopo an'i Yaveh hatramigny fahatanorako. 13 Moa sy nizakany taminao ra, ry topoko, ze nataoko gny fa nivonon'i Jezebela gny paminanin'i Yaveh, gny fomba nagnavoniako gny paminanin'Yaveh zato dra dimapolo aby gny tao agnaty lava-bato vo gny namahanako mofo vo rano anereo? 14 Amizao hoy hanao aminahy: "Mandehana dra zakao gny toponao fa eto Elia, dra hovonony zaho." 15 Dra namaly Elia ho: "Raha bo velo koa Yaveh toponigny maro, ze hisanganako eo agnatrehany, dra hiseho amin'i Ahaba vatany zaho androany." 16 Dra lasa Obadia nandeha ba hagnety an'i Ahaba, dra nizaka taminazy ze nizakan'i Elia. Dra nandeha nihao tamin'i Elia gny pazaka. 17 Gny fa nahita an'i Elia i Ahaba, dra hoy izy taminazy: "Hanao ra io? Hanao gny raiky ze minday korota ho an'Israely!" 18 Dra namaly Elia ho: "Sy ninday korota ho an'Israely zaho, fa hanao vo gny fianakavianigny ranao gny olo napisy korota tamigny alalanigny fialandrareo tamigny didin'i Yaveh vo gny fagnarahanao an'i Bala. 19 Ko amizao, mandefasa zaka dra havory eto aminahy gny Israely aby ao atendrombohis'i Karmela, miaraky amireo paminanin'i Bala 450 vo reo paminanin'i Aseraha efazato ze nihina teo an-databas'i Jezebela." 20 Dra nandefa zaka tagny amigny vahoakinigny Israely aby vo namory niaraky reo paminany tao an-tendrombohis'i Karmela i Ahaba. 21 Dra Elia nagnato gny vahoaky aby dra nizaka ho: "Mandra-kombia hanao gny hiova hevisy hatragny? Raha i Yaveh gny Zagnahary, dra magnaraha anazy. Fa raha i Bala gny Zagnahary, dra magnaraha anazy." Fa gny olo sy namaly zaka anazy. 22 Dra hoy i Elia tamigny vahoaky ho: "Izaho, dra izaho raiky avo, gny sisa paminanin'i Yaveh, nefa gny paminanin'i Bala dra olo 450. 23 Ko aoky reo gny hagnome agnomby ro ho asika. Aoky ereo hisafily agnomby raiky ho an'ereo vo handrasarasa anizay, dra hapandry anazy eo amigny hita, nefa sy handrehisy afo eo ambanin'izay. Dra hikarakara gny agnomby raiky hafa zaho dra hametraky anizay eo amigny hita, dra sy hagnisy afo eo ambanin'izay 24 Dra hitoka gny agnaranigny zagnaharindrareo handrareo, dra izaho hitoka gny agnaran'i Yaveh, dra gny Zagnahary ze hamaly amigny afo, dra aoky izy gny ho zagnahary." Ko namaly gny olon'aby dra nizaka ho: "Mety izay." 25 Dra hoy i Elia tamireo paminanin'i Bala: "Mifiliana agnomby raiky ho andrareo, dra hamono meloha anizay, fa olo maro handrareo. Dra tokavo gny agnaranigny zagnaharindrareo, nefa ka asia afo eo ambaninigny agnomby." 26 Dra nangalaky gny agnomby ze name anazy ereo dra nikarakara zay, dra nitoka gny agnaran'i Bala hatramigny maray mandra-pitatao-vovona ereo, nanao anizahoky ho: "Ry Bala o, mitenoa anay." Nefa sy nisy feo, na nisy namaly akory. Nisizaky nagnodidy gny alitara namboariny ereo. 27 Nony mitatao-vovogna dra naneso anereo i Elia nanao anizahoky ho: "Mitava fatrasy avo! fa zagnahary izy! angama bo mierisiserisy izy, na magnameva gny tagnany, na nisy lia nandehanany, na angamba mandry izy dra tokony nifihazy." 28 Fa bo nitoka fatrasy avo ereo, dra nandrasa gny vatan'ereo, araky gny fanaony matetiky miaraky amigny sabasy vo lefo, mandra-pahalao-dio gny vatan'ereo. 29 Lasa gny mitatao- vovogna, dra bo nisafoaky avo izy hatramigny fotoanigny fagnatisy hariva, nefa sy nisy feo na nisy namaly akory; sy nisy niteno gny fitalahoagnan'ereo. 30 Dra hoy i Elia tamigny olon'aby: "Magnatogna eto aminahy," dra nagnaton'anazy gny olon'aby. DRa namboasy gny alitaran'i Yaveh ze rava tateraky izy. 31 Nangalaky vato ro ambiny folo Elia, gny vato aby dra nameko gny raiky amireo fokon'ireo zanadahin'i Jakoba_gny Jakoba niavianigny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: "Israely gny ho agnaranao." 32 Tamireo vato reo gny nagnoregna gny alita tamigny agnaran'i Yaveh dra izy nandavaky haly masaiky magnodidy gny alitara lahibe agnomby vo raha indronigny famaragna. 33 Nandahasy gny hita ho anigny afo izy, nandrasarasa gny agnomby, dra nametraky reo agnomby voasorasy teo amigny hita. Hoy izy ho: "Fenoy rano gny siny efasy dra araraho eo amigny fagnatisy oroa vo eo amigny hita." 34 Dra hoy izy: "Atovy fagnindronyzay,'' dra nataon'ereo fagnindrony zay. Dra hoy ndraiky izy: "Atovy fagnitelony zay," Dra nataon'ereo fagnitelony. 35 Dra niraraky nagnodidy gny alitara gny rano dra nagnome gny haly masaiky. 36 Nitranga zay tamigny fotoanigny fagnatisy tamigny soro amigny hariva, dra Elia paminany dra nagnato mariny dra nizaka ho: "Ry Yaveh, Zagnaharin'i Abrahama, vo Isaka, dra Israely, aoky ho fatasy eto amizao fa hanao gny Zagnahary eto amigny Israely, dra Izaho panoponao, dra nanao anizao raha aby zao araky gny zakanao zaho. 37 Mitenoa anahy, ry Yaveh, mitenoa anahy, ba hahafataranity olo tahoky fa hanao, Yaveh, dra Zagnahary, dra hanao gny napitoliky gny fon'ereo taminao ndraiky." 38 Dra gny afon'Yaveh nilasaky dra nandevo gny fagnatisy oroa, vo meraky gny hita, reo vato, dra gny vovoky, dra nandrisy gny rano ze tao amigny haly masaiky. 39 Gny fa nahita anizay gny olon'aby, dra napekohoky gny tavany teo amigny tany dra nizaka ho: "Yaveh, izy gny Zagnahary! Yaveh, Izy gny Zagnahary!" 40 Dra hoy i Elia tamin'ereo: "Sambory reo paminanin'i Bala. Ka anga hisy hienga ereo na dre raiky aza." Ko nisamboriny ereo, dra i Elia ninday reo paminanin'i Bala nizoso tagny amigny lohasakan-driaky Kisona dra namono anereo tagny. 41 Hoy i Elia tamin'i Ahaba: "Misangana, mihinana dra minoma, fa izay gny feonigny oram-be." 42 Ko niakasy ba hihina vo hino i Ahaba. Dra niakasy teo atapon'i Karmela i Elia, niondriky teo amigny tany izy, dra nametraky gny tavany teo agnelagnelanigny lohaliny. 43 Dra hoy izy tamigny panopony: "Mekara amizao, dra magnatia egny amigny ranomasy." Dra niakasy gny panopony dra nitalaky vo nanao anizahoky ho: "Sy misy na ino na ino." Dra hoy ndraiky i Elia: "Mandehana ndraiky, ipito." 44 Dra nony fagni-pitony dra hoy gny panopony: "Ingo, misy raho miakasy avy amigny ranomasy, masaiky manahaky gny tagnan'olo." Dra namaly i Elia ho: "Mekara dra zakao amin'i Ahaba ho: 'Atovy vonona gny kalesinao dra mandehana melohanigny hanakanagny ora anao"' 45 Dra vetivety moza raha niha-mety gny raho vo gny rivosy gny lagnisy, dra nisy oram-be. Dra i Ahaba nitikisy kalesy dra niakasy nagnagny Jezirela, 46 fa gny tagnan'i Yaveh dra nomba an'i Ahaba. Nisiky gny akazony teo amigny feho-troky izy dra nihazakazaky teo alohan'i Ahaba teo amigny fidira magnao Jezirela.