Toko faha 17

1 Elia ilay Tisbita, avy agny Tisba agny Gileada, nizaka tamin'i Ahaba ho: ''Gny bo velo koa i Yaveh, ilay Zagnahariny Israely, zay izoroako eo alohany, dra sy hisy ando na ora amitiky tao tiky gny sy mizaka zaho.'' 2 Avy tamin'i Elia gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 3 ''Miala eto dra mandehana magnasignana; mivonia ao amigny lohasahan-driaky Kerita, asignanan'i Jordana. 4 Dra hino gny rano avy ao amigny lohasahan-driaky hanao, dra fa nandidy reo koaky zaho hamaha anao agny.'' 5 Dra nandeha i Elia dra nanao araky ze nandidianigny zakan'i Yaveh. Nandeha izy ba hipetraky eo amigny lohasakandriaky Kerita, asignanan'i Jordana. 6 Ninday mofo vo hena ho anereo koaky gny mary dra mofo vo hena gny hariva, dra nino tamigny lohasakan-driaky izy. 7 Fa gny fa afaky kelikely dra risy gny lohasakan-driaky akory sy nisy ora gny tany. 8 Avy taminazy reo gny zakan'i Yaveh, mizaka ho: 9 "Misangana, mandehana agny Zarefata, ze nandidy pitondrategna tagny zaho ba hapisakafo anao." 10 Dra nisanga izy dra nandeha tagny Zarefata, dra gny fa avy teo am-bavahadinigny tana izy dra nisy pitondrategna raiky namory tapa-kazo. Dra nitoka anazy izy vo nanao anizahoky ho: "Ba andeso rano keliky agnaty siny re zaho ba hahafahako mino rano." 11 Raha nandeha hangalaky rano izy dra nitoka anazy izy, dra hoy izy: "Ba andeso mofo raiky egny atagnanao re zaho." 12 Dra namaly izy ho: "Raha bo velo koa Yaveh zagnaharinao, dra sy mana mofo zaho, fa sakafo eranigny tagna agnaty siny vo menaky keliky agnaty botela avo. Ingo, mamory tapa-kazo ro zaho ba hahafahako milisao dra mahandro anizay ho anahy vo ho anigny zanako, ba hihinananay anizay, dra ho maty." 13 Hoy Elia taminazy: "Ka matahosy. Mandehana dra atovy araky ze fa nizakanao, nefa amboaro mofo masaiky zaho aloha dra andeso miboaky aminahy eto zay. Dra gny fa vita zay dra manova ho anao vo ho anigny zanakao. 14 Fa Yaveh, gny Zagnahary gny Israely, mizaka ho: 'Sy ho foana gny sini-sakafo, na hizano hikoria gny botelanigny menaky, mandra-pahaviany gny andro handasahan'i Yaveh gny ora atany eto." 15 Dra nanao araky ze nizakan'i Elia taminazy izy. Izy vo i Elia, niaraky tamigny akohonany, dra nihina nandrisy gny andro maro. 16 Sy foa gny sini-sakafo, na nizano nikoria gny botela menaky, araky ze fa nizakanigny zakan'i Yaveh, araky ze voazakany tamin'i Elia. 17 Tafaran'ireo raha reo, dra narary gny zanaky rapela, ze toponigny tragno. Tena nahery vaiky vatany gny areti dra sy niay sasy izy. 18 Dra hoy gny reniny tamin'i Elia: "Ino gny olanao aminahy, ry lelahin'Agnahary? Avy aminahy eto ba hapasiahy anahy gny fahotako dra hamono gny zanako ra hanao?" 19 Dra namaly anazy Elia ho: "Ameo anahy gny zanadahinao." Nalany tamigny sandriny gny zazalahy dra nandesiny niakasy tao amigny efisy ze nizanognany, dra napandreny teo amigny fandriany gny zaza. 20 Nihiaky tamin'i Yaveh izy dra nizaka ho: "Yaveh zagnahariko o, moa ra ninday loza teo amigny pitondrategna ze hizanognako avo koa hanao, tamigny famonoa gny zanany?" 21 Boak'eo dra nanizisy gny vatany itelo teo amigny zaza i Elia; nihiaky fatrasy tamin'i Yaveh izy dra nizaka ho: "Yaveh zagnahariko o, mitalaho aminao zaho, angao re hihery ao aminazy gny ainity zaza ty." 22 Niteno gny feon'i Elia Yaveh; dra nihery taminazy gny ainigny zaza, dra angao ndraiky izy. 23 Nalan'i Elia gny zaza dra nandesiny niboaky tao amigny efitragnony hilisy ho ao atragno; dra natolony an-dreniny gny zaza dra hoy izy: "Ingo, velo gny zanakao." 24 Hoy rapela tamin'i Elia: "Amizao fatako fa lelahin'Agnahary hanao, dra gny zakan'i Yaveh ao am-bavanao dra mary."