Toko faha 16

1 Avy tamin'i Jeho zanak'i hanany gny zakan'i Yaveh hanohisy an'i Basa, nanao ho: 2 Na dre fa nangalaky anao hiala amigny botany aza zaho vo nanao anao ho pitariky eo amin'Israely vahoako, dra nagnoriky gny fomban'i Jeroboama hanao dra napanota an'ny Israely vahoako, ba hahaory anahy amigny fahotan'izy reo. 3 Ingo, haringako tateraky i Basa vo gny ankohonany dra hanao gny ankohonanao hanahaky gny ankohonan'i Jeroboama zanak'i Nebata zaho. 4 Hohanin'ireo amboa gny olon'i Basa zay maty ao atana, dra reo voron'ny lagnisy dra hihina gny olo zay maty egny asaha.'' 5 Gny ami'reo raha hafa mahakasiky an'i Basa, zay nataony, vo gny heriny, moa se io sy fa voasorasy ao amigny bikin'ny tantaran'ireo pazakan'Israely reo? 6 Nodimandry nindray tamin'ireo razambeny mi Basa dra nalevy tagny Tieza, dra Elaha zanany gny lasa pazaka teo amigny fitobohany. 7 Dra avy nanohisy an'i Basa vo gny fianakaviany gny zakan'i yaveh tamigny alalan'ny Jeho paminany zanak'i Hanany, nohon'ny rasy aby zay nataony teo amason'i Yaveh, ba hahaory anazy amigny asan'ny tagnany, manahaky gny fianakavian'i Jeroboama, dra fa namono gny fianakavian'i Jeroboama aby avo koa izy. 8 tamigny fahaenina amby ropolo tao nazakan'i Asa pazakan'i Joda, dra nanomboky nazaka teo amigny Israely tagny Trza i Ela zanak'i Basa; nazaka nandrisy gny ro tao izy. 9 Zimry panopony, kapitenin'ny asasaky gny kalesiny, dra nitetiky hanohisy anazy. dra tagny Tizra i Ela, napimamo gny tegnany ao atragnon'i Arza, zay teo amigny ankohonan'i Trza. 10 Dra nilisy i Zmry, nanafiky vo namono anazy, tamigny faha fito amby ropolo tao nazakan'i Asa pazakan'i Joda, dra lasa pazaka nisolo gny fitobohany. 11 Gny fa nanomboky nazaka vo napetraky teo amigny Seza fiandrianany i Zimry, dra namono gny fianakavian'i Basa aby izy. Sy nagnenga lelahy dre raiky tamigny havany vo naman'i Basa ho velo izy. 12 Dra niringanin'izy Zmry gny fianakavian'i Basa aby, araky gny zakan'i Yaveh ze nizakan'ny hanohisy an'i Basa tamigny alalan'ny Jeho paminany, 13 Nohon'ny fahotan'i Basa aby vo gny fahotan'i Ela zanany zay nataon'izy reo, vo gny nitarihan'izy reo gny Israely hanota, ba ho nahafahan'izy reo nihasy an'i Yaveh, ilay Zagnaharin'Israely, ba ho ory amigny sapin'izy reo. 14 Gny ami'reo raha mahakasiky an'i Ela, zay aby nataony, moa se igny sy fa voasorasy tao amigny bokin'ny tantaran'ireo pazakan'i Israely? 15 Tamigny fahafito amby rampolo taona nazakan'i Asa mpazakan'i josy dra nazaka tany tirza naharisy gny fito andro moza i Zmry. Dra nitoboky tao Gibetona, zay an'ireo Filisitina gny tafiky. 16 Reo tafiky nitoboky tagny dre nahare gny zaka ho: ''Nikonokono i Zmry dra fa namono gny pazaka.'' Dra tami'zay andro zay dra tagny an-toby, gny Israely aby dra zinaka an'i Pmry, ho pamehy gny tafiky, ho pazaka eo amin'i Israely. 17 Nandefa nindray avy tagny Gibetona i Omry vo reo Israely aby nindray taminazy, dra nanao fahirano an'i trza izy reo. 18 Gny fa hitan'i Zimry fa azo gny tana, dra nilisy tao amigny fiarova matrasy zay nikamba tamigny lapan'ny pazaka izy dra nagnoro gny tragno teo aminazy; tamin'izay fomba zay gny nahafatezany tao agnaty afo. 19 Zay dra nohon'ny fahota vitany tamigny fonova zay rasy teo amason'i Yaveh, tamigny fagnaraha gny fomban'i Jeroboama vo tamigny fahota zay fa nataony, ba hitariky gny Israely hanota. 20 Gny am'reo raharaha hafa mahakasiky an'iZmry, vo reo fivaliha zay nataony, moa sea reo sy fa voasorasy ao amigny bokin'ny tantaran'ireo pazakan'Israely? 21 Avy eo dra nizara ho atoko ro reo vahoakin'Israely. Nagnoriky an'i Tibny zanak'i Ginata gny asasaky gny vahoaky, ba hanao anazy ho pazaka, dra gny asasaky nagnoriky an'i Omry.

22Fa nahery nihoasy reo olo nagnara-lia an'i Tibny zanak'i Ginata reo olo nagnaralia an'i Omri. Dra maty i Tbnia; dra lasa pazaka i Omri.
23 Nanomboky nazaka teo amigny Israely tamigny faha raiky amby telopolo tao nazakan'i Asa pazakan'i Joda i Omry, dra nazaka nandrisy gny ro ambin'ny folo tao. Nazaka tagny Tirza nandrisy gny eni-tao izy. 24 Niviliny tamin'i Samera tamigny taleta volafosy ro gny havoan'i Samaria. Nagnory tana teo amigny havoana izy dra nanao gny agnaran'ny tana ho Samaria, araky gny agnaran'i Samera, ilay topon'ny havoana teo aloha. 25 Nanao zay rasy teo amason'i yaveh i Omry dra rasy fagnahy mihoasy zay aby teo alohany. 26 Fa nandeha tamigny lala aby an'i Jeroboama zanak'i Nebata vo gny fahotany zay nitarihany gny Israely hanota, ba hiasy an'i Yaveh, ilay Zagnaharindr'Israely, ba ho ory amigny sapin'izy reo zay sy misy dikany izy. 27 Gny amigny raharaha hafa mahakasiky zay nataon'i Omry, vo gny hery zay nasehony, moa sy fa voasorasy ao amigny bokin'ny zakan'ireo pazakan'Isrealy se ereo? 28 Dra nodimandry nindray tamin'ireo razany i Omry dra nalevy tagny samaria dra Ahaba zanany lahy gny lasa pazaka nandimby gny fitobohany. 29 Tamigny fahavalo amby telopolo tao nazakan'i Asa pazakan'i Joda, dra nanomboky nazaka teo amigny Israely Ahaba zanak'i Omry. nazaka teo amigny Israely tao Samaria nandrisy gny ro amby ropolo tao i Ahaba zanak'i Omry. 30 Nanao zay rasy teo amason'i yaveh i Ahaba zanak'i Omry, mihoasy noho reo aby zay teo alohany. 31 Raha sy nisy dikany tamin'i Ahaba gny nandeha tamigny fahotan'i Jeroboama zanak'i nebata, koa dra nalany ho valiny i Jezebela zanaky vavin'i Etibala, pazakan'ireo Sidoniana; nandeha dra nanopo an'i Bala izy dra niakohoky taminazy. 32 Nagnory alitara ho an'i Bala tao atragnon'i bala izy, zay naory tagny Samaria. 33 Dra nagnamboasy baon'Aseraha i Ahaba. Bo nanao mihoasy noho zay aza i ahaba ba hahaory an'i Yaveh, lay Zagnarin'Israely, mihoasy an'ireo pazakan'Israely aby teo alohany. 34 Nandrisy gny fitondran'i Ahaba, dra nagnery nagnory an'i jeriko i Hiela avy agny Betela. Hiela dra nametraky gny fotosy gny tana tamigny ain'i Abirama, zanany lahimatoany; dra Segoba, faralahiny; dra namoy gny ainy gny nagnoregnany reo vavahadin'ny tana, araky gny zakan'i Yaveh zay nizakany tamin'i Josoa zanak'i Nona.