Toko faha 15

1 Tamigny tao fahavalo ambiny folo nazakan'i Jeroboama zanadahin'i Nebata, dra nanomboky nazaka teo amin'i Joda i Abia. 2 nanapaky telo tao tao Jerosalema izy. Imaka gny agnaranigny reniny. Zanakapelan'i Absaloma izy. 3 Nandeha tamigny fahota aby ze nataon-drany talohanigny fotoany izy; gny fony dra sy ba voatoka ho an'i Yaveh Zagnahariny manahaky gny fon'i Davida, razambeny. 4 Na izay aza, noho gny amin'i Davida, Yaveh Zagnahariny dra nagnome fanilo anazy tagny Jerosalema tamigny alalanigny fananganany gny zanany handimby anazy ba hapatazaky an'i Jerosalema. 5 Nataon'Agnahary zay akory Davida dra nanao gny mary teo amasony; nandrisy gny andro aby niegnany, sy ba nivily tamizay aby nandidiany anazy izy, afa-sy tamigny raharahan'Oria gny Hetita avo. Dra nisy aly teo amin'i Rehoboama vo Jeroboama nandrisy gny andro-piegnan'i Abia aby. 7 GNy amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Abia, dra ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tatarany pazakan'i Joda ra reo? Nisy aly teo amin'i Abia vo Jeroboama. 8 Nimaty niaraky tamireo razambeny i Abia, dra nalevin'ereo tagny amigny tanan'i Davida izy. Asa zanany gny lasa pazaka teo amigny toerany. 9 Tamigny tao faha ropolo nazakan'i Jeroboama pazakanigny Israely, dra nanomboky nazaka teo amin'i Joda i Asa. 10 Nanapaky nandrisy gny raiky amby efapolo tao tao Jerosalema izy. Imaka gny agnaranigny nenibeny, gny zanakapelan'i Absaloma. 11 Nanao gny mary teo amason'i Yaveh i Asa, manahaky anize nataon'i Davida razambeny. 12 Niroahiny sy ho amigny tany reo lelahy pizangazanga amigny fanopoa-sapy dra nalany avokoa reo sapy ze namboarin'ereo razambeny. 13 Nalany tamigny maha-pazaka apela anazy koa i Maka, nenibeny, akory izy namboasy sapy maharikoriko avy tamigny baon'i Ashera. Nokapain'i Asa gny sapy maharikoriko dra noroany tagny an-Dohasakan-driaky Kidrona. 14 Fa ereo fipetraha ambony sy dra nala. Gny izay aza, gny fon'ny Asa dra voatoka ho an'i Yaveh tateraky naharisy gny androny aby. 15 Nandesiny ho agny atragnon'i Yaveh gny raha zay voatokan'ny babany, vo reo zavany zay voatoka vita tamigny volafosy vo volamena, dra reo fanaky. 16 Nisy aly amin'i Asa vo basa pazakan'ny Isrealy, tamigny andron'izy reo aby. 17 Nanao herisetra tamin'i Joda i Basa pazakan'ny Israely dra nananga an'i Rama, ba sy hagnangany gny olo hiala na hilisy ao amigny tanin'i Asa pazakan'i Joda. 18 Dra nalan'i Asa gny volafosy vo volamena aby sisa tao ami'reo afisy fagnaza tao amigny tragnon'i Yaveh, vo reo afisy fagnazan'ny lapan'ny pazaka. Nataony teo atagnan'ireo panopony dra nampagnateriny ho an'i Beni-hadada zanaky lahin'i Tabrimoma zanaky lahin'i Heziona, pazakan'i Syria, zay nitoboky tagny Damaskosy zay. Hoy izy: 19 Aoka hisy fifagneke aminahy vo aminao, manahaky zay nisy teo amigny babako vo gny babanao. Ingo, fa napagnatisy volafosy vo volamena ho fagnomeza ho anao zaho.Ravao gny fagnekenao vo Basa pazakan'Israely, ba hialany aminahy.'' 20 Niteno an'i Asa pazaka i Beni-hadada dra nandefa reo pifehy gny tafiny, dra nanafiky gny tanan'Israely izy reo. Nanafiky an'i Iona, Dana, Abelabeti-maka, dra gny Kinerota aby izy reo. 21 Dra gny ren'i Basa zay dra nasahany gny fananganany an'i Rama dra nihery gny Tirza izy. 22 Dra nanao fizaka teo amin'i Joda aby i Asa pazaka. Sy nisy dre raiky afaniala. Nalan'ereo aby gny vato vo gny hazon'ny Rama zay nagnoregnan'i Basa gny tana. Dra napesan'i Asa pazaka ze fitova fagnamboara zay ba hanangana an'i Geban'i Benjamina vo Mizpa. 23 Gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Asa, gny heriny aby, ze nataony aby, reo tana naoriny aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazakan'i Joda ra reo? Kanefa nandrisy gny andro-pahaterany dra narary tamigny tombony izy. 24 Dra nimaty niaraky tamireo razambeny i Asa dra nalevy niaraky tamin'ereo tao amigny tanan'i Davida rany. I Josafata zanadahiny gny lasa pazaka nandimby anazy. 25 Nadaba zanadahin'i Jeroboama nanomboky nazaka tamigny Israely tamigny tao faharo nazakan'i Asa pazakan'i Joda; nazaka tamigny Israely nandrisy gny ro tao izy. 26 Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy dra nandeha tamigny lalan-drany, vo tamigny fahotany, ze nitarihiny gny Israely hanota. 27 Basa zanadahin'i Ahia, boak'amigny fianakavian'Israely, nikomy nanohisy an'i Nadaba; nivonon'i Basa tao Gibetona, ze an'ireo Filistina izy, akory Nadaba vo gny Israely aby nanao fahirano tagny Gibetona. 28 Tamigny tao fahatelo nazakan'i Asa pazakan'i Joda, dra namono an'i Nadaba i Basa dra avy pazaka teo amigny toerany. 29 Raha vo lasa pazaka izy, dra nivonin'i basa gny fianakavian'i Jeroboama aby. Sy nisy nangany gny ainigny taranak'i Jeroboama; izay fomba zay gny nandringa gny fianakavianigny pazaka, araky ze nambaran'i Yaveh tamin'i Ahia Silonita panopony, 30 noho reo fahotan'i Jeroboama ze nataony vo gny nitarihany gny Israely hanota, akory nihasy gny fahatezeran'i Yaveh, gny Zagnaharinigny Israely izy. 31 Gny amigny raharaha hafa mahakasiky an'i Nadaba, vo ze nataony aby, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tataranigny pazakanigny Israely ra reo? 32 Nisy aly teo amin'i Asa vo Basa pazakanigny Isrealy tamigny andron'ereo aby. 33 Tamigny tao fahatelo nazakan'i Asa pazakan'i Joda, dra naomboky nazaka teo amin'Isrealy aby tagny Tirza i Basa zanadahin'i Ahia dra nazaka nandrisy gny efasy amby ropolo tao izy. 34 Nanao rasy teo amason'i Yaveh izy dra nagnaraky gny fomban'i Jeroboama vo gny fahotany ze nitarihiny gny Israely hanota.