Toko faha 14

1 Tamizay fotoa zay dra narary fatrasy Abia zanadahin'i Jeroboama. 2 Hoy i Jeroboama tamigny valiny ho: "Misangana re dra manova endriky, ba sy ho fatasy gny olo fa valiko hanao, dra mandehana agny Silo, fa agny gny misy an'i Ahia paminany; izy gny nizaka gny momba anahy, nizaka fa ho lasa pazakan'ireo olo reo zaho. 3 Mindesa mofo folo, mofomamy kelikeliky, vo tately tavoangy raiky, dra mandehana agny amin'i Ahia. Hizaka aminao ze hitranga amin'io zaza io izy." 4 Nataonigny vadin'i Jeroboama anizay; dra lasa izy dra nandeha nagnagny Silo, dra avy tao atragnon'i Ahia. Dra sy nahita i Ahia; sy nahita sasy izy nohonigny fahaterany. 5 Hoy i Yaveh tamin'i Ahia ho: "Ingo, ho avy eto aminao gny valin'i Jeroboama ba hitalia toro-hevisy mahakasiky gny zanadahiny, akory marary izy. Izao sy zao gny zakanaminazy, akory gny fa avy izy, dra mady hanao manahaky gny apela hafa izy." 6 Gny fa ren'i Ahia gny feonigny tombony raha izy nilisy gny vatrangara igny, dra hoy izy ho: "Mandrosoa, ry valin'i Jeroboama. Nagnino hanao gny mady manao olo-kafa? Nirahy hizaka vaovao rasy ho anao zaho. 7 Mandehana, zakao i Jeroboama fa i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, dra nizaka ho: 'Nasandraso tamireo olo hanao ba haavy ahano ho pitariky gny vahoak'Israely. 8 Nalako teo amigny fianakavian'i Davida gny fazaka dra nameko anao zay, nefa hanao dra sy manahaky an'i Davida panopokoze nitandry gny didiko dra nagnaraky Anahy tamigny fony manotolo, ba sy hanao afa-sy gny mary eo amasoko. 9 Fa hanao koa dra nanao rasy, mihoasy noho reo aby nanoloan'anao. Hanao dra nanao zagnahary hafa, nanao sari-raha agnilia ba hapasiaky anahy, dra nagniliky anahy ho ao an-damosinao. 10 Noho izay, ingo, hinday loza amigny fianakavianao zaho; handringa gny zazalahy aby ao Israely zaho, na gny andevo na gny afaky, dra hagnafoa tateraky gny fianakavianao, manahaky gny olo magnoro zeziky mandra-pahalevon'izay. 11 Na iza na iza anigny fianakavianao ze maty ao amigny tana dra ho hanin'ireo amboa, dre iza dre iza maty agny asaka dra ho hanin'ireo voronigny lagnisy Zaho, Yaveh gny fa nizaka anizay.' 12 Ko misangana, ry valin'i Jeroboama dra miheregna agny atragnonao; gny fa milisy ao amigny tana gny tombonao, dra ho maty i Abia. 13 Handala vo handevo anazy gny Israely aby. Izy avo gny toka boak'amigny fianakavian'i Jeroboama halevy ao agnaty lolo, akory tao aminazy raiky avo, boak'ao amigny atragnon'i Jeroboama, gny nahita raha soa teo amason'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. 14 Yaveh avo koa dra hanandrasy pazakan'Israely raiky ze handringa gny fianakavian'i Jeroboama amin'io andro io. Androany zay andro zay, izao amizao. 15 Fa Yaveh dra hanafiky an'Israely manahaky gny volotara hozongozognynigny rano, Izy dra agnombosy an'Israely hiala eo amin'io tany soa ze nameny gny razam-ben'ereo io. Hagnaparitaky anereo agny andafinigny onin'i Efrata Izy, akory nanao boan'Aseraha ereo dra nahaory an'i Yaveh. 16 Izy dra hagnenga an'Israely noho reo fahotan'i Jeroboama, reo fahota ze nataony, vo nitahiny an'Israely ba hanota. 17 Dra nisanga gny valin'i Jeroboama dra nandeha, dra avy tao Tirza. Raha avy teo atokonam-baravaranigny tragnony izy, dra maty gny zaza. 18 Nandevy vo nandala anazy gny Israely aby, araky gny fa nizakany tamin'ereo araky gny zakan'i Yaveh ze nambarany tamigny alalanigny Ahia paminany panopony. 19 Dra reo raha hafa mahakasiky an'i Jeroboama, gny nagnaramany aly vo nazakany, dra ingo, nisoratiny tao amigny bokinigny tataranigny pazakan'Israely reo. 20 Nazaka ro amby ropolo tao Jeroboama dra nimaty niaraky tamireo razambeny, dra Nadaba zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany. 21 Dra Rehoboama zanak'i Solomona gny nazaka tao Joda. Raiky amby efapolo tao Rehoboama gny lasa pazaka, dra nazaka fito ambiny folo tao tao Jerosalema izy, gny tana ze nifilin'i Yaveh tamigny fokon'Israely aby hametraha gny agnarany. Gny agnaranigny reniny dra Nama gny Amonita. 22 Nanao rasy teo amason'i Yaveh i Joda; napiteraky hasaro-piaro ho anazy gny ota nataon'ereo, mihoasy noho gny raha aby ze fa nataonigny razamben'ereo. 23 Fa ereo avo koa dra namboasy toera abo ho anigny vatan'ereo, sangam-bato, dra baon'Aseraha manera gny tendrombohisy vo zaka ambany hazo meso. 24 Nisy koa reo lelahy nivaro-tegna tao amigny tany. Nanao reo fahavetaveta fanaon'ireo agnatrehanigny vahoakin'Israely ereo. 25 Dra tamigny tao nazakan'i Rehoboama pazaka gny avy nanafiky an'i Jerosalema i Sisaka pazakan'i Egypta. 26 Nalany avokoa reo harena tao atragnon'i Yaveh, vo reo harena tao atragnonigny pazaka. Nalany avokoa gny raha aby; nalany avo koa reo apinga volamena aby ze namboarin'i Solomona. 27 Nanao apinga varahy teo amigny toeran'ereo avo koa i Rehoboama pazaka dra nagnaky reo teo atagnan'ireo pifehy gny piamby, ze niamby gny vatrangaranigny tragnonigny pazaka. 28 Isaky gny nilisy tao atragnon'i Yaveh pazaka, dra nizakan'ireo piamby reo; dra nandesin'ereo nihery tao amigny tragnonigny piamby. 29 Dra reo raha aby mahakasiky an'i Rehoboama, vo ze nataony aby, moa ra sy fa voasorasy ao agnatinigny bokiny gny tataranigny pazakan'i Joda reo? 30 Nisy aly mandrakariva teo amin'i Rehoboama vo jeroboama. 31 Ko nimaty niaraky tamireo razambeny i Rehoboama dra niaraky nalevy tamin'ereo tao amigny tanan'i Davida. Gny agnaranigny reniny dra i Nama gny Amonita. Abia zanadahiny gny lasa pazaka teo amigny toerany.