1 Nandeha ame havan-dreniny tagny Sekema i Abimeleka zanak'i Jerobala ary nijaka tamindreo sy gne fianakaviam-ben'gne ankohonan-dreniny agnaby hoe: 2 "Mba rohony rô izao, mba ho ren'gne mpitariky agnaby ao Sekema: 'Ino gne mety aminareo: mana gne zanak'i Jerobala fitopolo lahy hanapaky eo aminareo, sa raiky evao gne manapaka eo aminareo?' Tadidio fa nofo sy rànareo aho." 3 Niresaky tamin'gne mpitarik'i Sekema ho andreo havan-dreniny, ary nagneky gne hagnaraky an'i Abimeleka indreo, satria hoy indreo hoe: "Rahalahintsika izy." 4 Nomendreo volafotsy madiniky fitopolo avy tao an-dragnon'i Bala-berita izy, ary nampiasain'i Abimeleka hagnakarama gne lehilahy mpandika lalàna sady sahisahy ratsy izay nagnaraky anazy izany. 5 Nandeha an-dragnon'gne rainy tagny Ofra i Abimeleka, ary novonoiny teo ambonin'gne vato raiky gne rahalahiny fitopolo, da gne zanak'i Jerobala. Jotama gne sisa tavela, da gne zanak'i Jerobala faralahy, satria niviny izy. 6 Niara-avy gne mpitarik'i Sekema sy Beta-milo agnaby ka nandeha ary nagnano an'i Abimeleka ho mpanjaka, teo agnilan'gne hazo terebinta akaikin'gne andry izay agny Sekema. 7 Refa nagnambara gne mikasiky izany i Jotama, da nandeha izy ary nitsanga teo an-tampon'gne Tendrombohitry Gerizima. Nikoky izy ka nijaka tamindreo hoe: "Tenomy iaho, enareo mpitarik'i Sekema, mba hitenoman'Andriamanitra anareo. 8 Indraiky andro da nivoaka gne hazo mba hagnosotry mpanjaka raiky ho eo amindreo. Satria hoy indreo tame hazon'oliva hoe: 'Manjakà aminay.' 9 Nefa hoy gne hazon'oliva tamindreo: ''Tokony hafoiko zany gne menakiko, izay ampiasay hagnomezam-boninahitry gne andriamanitry sy gne olombelo, mba hahafahako mandeha mipody, ka hitsingevangeva egny ame hazo hafa fotsiny evao?' 10 Hoy gne hazo tamin'gne aviavy: 'Avia ka manjakà aminay.' 11 Fa hoy kosa gne aviavy tamin'ireo: 'Tokony hafoiko zany gne hamamiko sy gne voa tsarako, mba hahafahako mipody ka hitsingevangeva eo amin'gne hazo hafa fotsiny evao?' 12 Hoy gne hazo tamin'gne voaloboky: 'Avia ka manjakà aminay.' 13 Hoy gne voaloboky tamindreo hoe: 'Tokony hafoiko zany gne divay vaovaoko, izay mampifaly gne andriamanitry sy gne olombelo, ka hipody ary hitsingevangeva eo amin'gne hazo hafa?' 14 Da hoy gne hazo agnaby tame fantsin-draketa: 'Avia ka manjakà aminay.' 15 Hoy gne fantsin-draketa tamin'gne hazo: 'Raha tena te hagnosotry anahy ho mpanjaka eo aminareo enareo, da avia ary mitadiava fiarova eo amban'gne alotriko. Raha tsy izay, da aoka hiboaky avy ao ame fantsin-draketa gne afo ary aoka izany handoro gne sederan'i Libanona.' 16 Amizao ary, raha nagnano gne marigny sy mahitsy enareo, tame nagnamboaranareo an'i Abimeleka ho mpanjaka, ary raha nagnano gne tsara mahakasika an'i Jerobala sy gne ankohonany, ary raha nagnafay anazy araky izay mendriky anazy enareo— 17 —ary mihevitry fa niady ho anareo gne raiko, nagnano vy very gne ainy, ary namonjy anareo tame tagnan'i Midiana— 18 fa androany enareo da efa nitsanga hanohitry gne ankohonan-draiko ary namono gne zanany lahy, da olo fitopolo, teo ambony vato raiky izany. Ary nanìnareo mpanjaka eo amin'gne mpitarik'i Sekema i Abimeleka, zanaky gne andevo vaviny, satria havanareo izy. 19 Raha nagnano gne marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy gne ankohonany enareo, da tokony hiravoravo amin'i Abimeleka, ary hamela azy hiravoravo aminareo. 20 Fa raha tsy izay, da aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'i Abimeleka ka handoro gne olon'i Sekema sy Beta-milo. Aoka hisy afo hivoaky avy ao amin'gne olon'i Sekema sy Beta-milo, mba handoro an'i Abimeleka." 21 Nilefa ka nitsoaky i Jotama, ary nandeha tagny Bera izy. Nipetraky tagny izy satria lavitra an'i Abimeleka rahalahiny izany. 22 Nanapaky teo amin'Israely tagnatiny gne telo taona i Abimeleka. 23 Da nandefa fagnahy ratsy teo amin'i Abimeleka sy gne mpitarik'i Sekema Andriamanitra. Namadiky gne toky izay nanagnandreo tamin'i Abimeleka ireo mpitarik'i Sekema. 24 Nagnano izany Andriamanitry mba ho voavaly faty gne habibia nanindreo tamin'gne zanak'i Jerobala fitopolo lahy, ary ho voatazo ho tompon'antoky gne olon'i Sekema satria nagnampy anazy namono an'gne rahalahiny indreo. 25 Koa da nametraky olo hiamby teo an-tampon-kavoa gne mpitariky mba hahafahandreo mamely anazy tampoky, ary norobaindreo agnaby izay nandalo teo amindreo teo am'izany lala izany. Voatatitry tagny amin'i Abimeleka izany. 26 Da avy niaraky tamin'gne havany i Gala zanak'i Ebeda ary nandeha agny Sekema. Nana fitokisa taminazy gne mpitarik'i Sekema. 27 Nivoaky tagny an-tonda indreo ary nandagno voaloboky avy tao ame tanim-boaloboky, ary da nohitsakitsahiny izany. Nagnano firavoravoa tao an-dragnon'gne andriamanitriny indreo, izay nihinanandreo sy nisotroany, ary nagnozognandreo an'i Abimeleka. 28 Hoy i Gala, zanak'i Ebeda hoe: "Ia moa i Abimeleka, ary ia i Sekema, gne da tokony hanompo anazy isika? Moa tsy zanak'i Jerobala ve izy? Moa tsy Zebola ve no lefitriny? Tompoy gne olon'i Hamora, da gne rain'i Sekema izany! Nahoa isika gne tokony hanompo an'i Abimeleka? 29 Iriko mba teo ambany fifehezako ity vahoaka ity! Da ho nesoriko i Abimeleka. Da nizaka tamin'i Abimeleka iaho hoe: 'Angeho gne tafikao agnaby.''' 30 Refa nandre gne zakan'i Gala zanak'i Ebeda agnaby i Zebola, manam-boninanihitry gne tanà, da niakatry gne havignirany. 31 Nandefa iraky tagny amin'i Abimeleka izy mba hamitaha, nagnano hoe: "Indro, Gala zanak'i Ebeda sy gne havany da ho avy agny Sekema, ary mitariky gne tanà hanohitry anao indreo. 32 Androany ary, da mifohaza mandritry gne aligny, enao sy gne miaramila miaraky aminao, ka magnomàgna fanafiha tampoky agny antonda. 33 Ary ame mandraigny, vantany vao mihiratry gne masoandro, da mifohaza vao mandray ary mamboara rodobe egny ame tanà. Refa mivoaky hanohitry anao izy sy gne olo miaraky aminazy, da mamboara izay afakinao amindreo.'' 34 Koa da nifoha tagnatiny gne aligny i Abimeleka, sy gne lehilahy agnaby izay niaraky taminazy, ary nametraky fanafiha tampoky hanohitry an'i Sekema indreo—nizara ho antoko efatry izany. 35 Nivoaky i Gala zanak'i Ebeda ary nitsanga teo ame fidira teo ame vavahadin'gne tanà. Nivoaky avy tao ame toera fifiniany i Abimeleka sy gne lehilahy niaraky taminazy. 36 Refa hitan'i Gala gne lehilahy, da hoy izy tamin'i Zebola hoe: "Igny, misy olo midigny avy agny an-tampon-kavoa!" Hoy Zebola taminazy hoe: "Akô gne olo gne fahitanao gne aloky eo ame havoa." 37 Da nizaka indraiky i Gala ka nagnano hoe: "Igny, misy olo midigny eo ategnategnan'gne tany, ary misy antoko raiky tonga avy eo ame hazo terebintan'gne mpanandro." 38 Da hoy Zebola taminazy: "Aia ary gne zaka mibohabohanao androany, enao gne nizaka hoe: 'Iza moa i Abimeleka gne tokony ho tompointsika?' Moa ve tsy nagnamavo gne lehilahy ireo enao? Mivoaha izao ka miadia amindreo." 39 Nivoaky i Gala ary nitariky gne lehilahin'i Sekema, ary niady tamin'i Abimeleka indreo. 40 Nagnia anazy i Abimeleka, ary nilefa teo agnatrehany i Gala. Maro gne lavon'gne ratry mahafaty teo agnatreny gne fidira teo am-bavahadin'gne tanà. 41 Nidoboky tagny Aroma i Abimeleka. Noteren'i Zebola hivoaky an'i Sekema i Gala sy gne havany. 42 Gne amaray da nivoaky ho agny an-tonda gne vahoakan'i Sekema, ary voatatitry tagny amin'i Abimeleka izany. 43 Nangala gne vahoakany izy, nizara andreo ho antoko telo, ary nagnoma fanafiha tampoky tagny an-tonda indreo. Nagnety izy ka nahita gne olo nivoaky avy agny an-tanà ary nanafiky izy ka nahafaty andreo. 44 Nanafiky ary nanampigny gne fidira teo ame vavahadin'gne tanà i Abimeleka sy gne antoko niaraky taminazy. Gne antoko roy hafa da nanafiky an'gne tagny an-tonda ary namono andreo. 45 Niady hanohitry gne tanà agnaby tamin'izany tontolo andro izany i Abimeleka. Nambabo gne tanà izy, ary nahafaty an'gne vahoaky izay tao amin'izany. Narodany gne mandan'gne tanà ka nandrarahany sira izany. 46 Refa nandre gne momba izany gne mpitariky teo ame tilikambon'i Sekema, da niditry tao ame fiarova mafin'gne tragnon'i El-berita indreo. 47 Nozakainy tamin'i Abimeleka fa niara-nivory tao ame tilikambon'i Sekema gne mpitariky agnaby. 48 Nandeha niakatry tagny an-tendrombohitry Zalmona i Abimeleka, izy sy gne lehilahy gne niaraky taminazy. Nangala famaky i Abimeleka ary nanapaky rantsan-kazo. Napetrany teo an-tsorokiny izany ary nibaiko gne lehilahy niaraky taminazy izy hoe: "Izay hitanareo aniko, malaky ka manaova akô gne nanìko." 49 Koa da nifira rantsan-kazo gne olo-agnaby ary nagnaraky an'i Abimeleka. Navangongondreo teo ame rindrin'gne tilikambo izany, ary nodoroandreo, kay maty evao koa gne olo agnaby tao ame tilikambon'i Sekema, da lehilahy sy viavy magnodidy gne arivo izany. 50 Da nangalany Tebeza i Abimeleka, ary nitoby tandrifin'i Tebeza izy ka nambabo izany. 51 Saingy nisy tilikambo mafy tao ame tanà, ary vaky lefa nandeha am'izany gne lehilahy sy viavy ary gne mpitariky gne tanà agnaby ka nihidy tao. Avy eo da niakatry tegny ame tafon'gne tilikambo indreo. 52 Nandeha amin'gne tilikambo i Abimeleka ka niady tam'izany, ary niakatra nagnakeky gne varavaran'gne tilikambo izy mba handoro azy. 53 Kanefa nisy viavy nandatsaky vato fikosoham-bary teo ame lohan'i Abimeleka ka nahavaky gne karan-dohany. 54 Avy eo da nangaiky nalaky an'gne tovolahy izay mpitondra gne fiadiany izy, ary nizaka taminazy hoe: "Avoahy gne sabatrao da vonoy iaho, mba tsy hisy hizaka gne amiko hoe: 'Viavy gne namono anazy."' Ka nosohinin'gne tovolahy izy, ary maty. 55 Refa hitan'gne olon'Israely fa maty i Abimeleka, da nody indreo. 56 Koa da namaly faty gne faharatsian'i Abimeleka izay nanìny tamin-drainy tamin'gne namonoany gne rahalahiny fitopolo Andriamanitra. 57 Naverin'Andriamanitra teo ame lohandreo evao gne faharatsian'ireo olon'i Sekema ary nanody andreo gne ozon'i Jotama zanak'i Jerobala.