1 Hoy gne lehilahin'i Efraima tamin'i Gideona hoe: "Ino izao raha nanìnao taminay izao? Tsy nangaiky anay enao raha nandeha niady tame Midiana." Nifamaly mafy taminaey indreo. 2 Hoy izy tamindreo hoe: "Ino moa gne vitako amizao raha ohary aminareo? Moa ve gne fandagnonam-boalobok'i Efraima tsy tsara kokoa mihoatra gne filàm-boalobok'i Abiezera? 3 Andriamanitra efa nagnome fandrese anareo teo anatrehan'gne andrian'gne Midiana__da Oreba sy Zeba! Ino moa gne vitako mihoatry izay vitanareo?" Nilefy gne fahatezerandreo taminazy refa nizaka izany izy. 4 Tonga teo amin'i Jordana i Gideona ary nita izany, izy sy gne lehilahy telonjato izay niaraky taminazy. Valaky loatra indreo, nefa da mbola nanohy gne fagnihagna evao. 5 Hoy izy tamin'gne olo tao Sokota hoe: "Mba omeo mofo gne olo magnaraka anahy, satria valaky loatry indreo, ary iaho hagnia an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'i Midiana. 6 Da hoy gne manam-pahefa hoe: "Moa ve eo am-pelatagnanao gne tanan'i Zebaha sy Zalmona amizao? Nahoa gne tokony hagnome mofo ho an'gne miaramilanao izahay? 7 Hoy Gideona hoe: "Rehefa omen'i Yaveh fandrese iahay magnatrehan'i Zebaha sy Zalmona, da ho triariko ame tsilo avy any an'efitra sy raketa gne hoditrareo." 8 Niakatry avy tao izy mba ho agny Penoela ary niteny akô izany tame olo tao evao koa, fa gne olo tao Penoela namaly anazy akô gne famalin'gne olo tao Sokota. 9 Nizaka tame olon'i Penoela evao koa izy nagnano hoe: "Rehefa tafaverina am-pilamina indraiky iaho, da harodako ity tilikambo ity." 10 Ary niaraky tamin'gne miaramilany tao Karkora i Zebaha sy Zalmona, tokony ho lehilahy dimy arivo sy iray aly eo, izay sisa agnaby tame tafikin'gne vahoaka antsignana manontolo, satria nisy lehilahy Roy arivo sy raialy lavo izay voaofa hiady ame sabatry. 11 Niakatry gne lalan'gne mpitoetra an-day i Gideona, nandalo tao Noha sy Jogbeha. Nandresy gne tafiky fahavalo izy, satria tsy nagnampo gne fanafiana indreo. 12 Nilefa i Zebaha sy Zalmona, ary raha nagnia andreo i Gideona, da voasambotriny gne mpanjaka roan'i Midiana—i Zebaha sy Zalmona—ary nampihorohoroany gne tafikindreo agnaby. 13 Gideona, zanaky lahin'i Joasy, da nipody avy tagny ame ady ary nandalo teo lalan'i Heresa. 14 Nihao tame zatovolahy raiky avy ame mponina tao Sokota izy ary nitady torohevitry taminazy. Nozakain'gne tovolahy anazy gne mombamomba gne mpitariky gne Sokota sy gne loholona tao, fito amby fitopolo lahy indreo. 15 Ary avy tao amin'gne lehilahin'i Sokota i Gideona ka nagnano hoe: "Indreo Zebaha sy Zalmona, izay nagnesoanareo anahy sy nizakanareo hoe: 'Efa nandresy an'i Zebaha sy Zalmona ve ianao? Tsy fantatray fa tokony hanome mofo an'gne tafikao izahay.'" 16 Nalain'i Gideona gne loholona tao amin'gne tanà, ary nofaiziny tamin'gne tsilo avy tagny agn'efitry sy raketa ireo lehilahin'gne Sokota. 17 Avy eo da narodany gne tilikambo tao Penoela ary novonoiny gne lehilahy tao amin'izany tanà izany. 18 Dia hoy i Gideona tamin'i Zebaha sy Zalmona hoe: "Lehilahy akognaia gne novonoinareo tao Tabara?" Namaly indreo hoe: "Akô anao evao indreo. Gne tsiraikiraiky tamindreo da akô gne zanaky mpanjaka agnaby." 19 Hoy Gideona hoe: "Rahalahiko indreo, zanaky lahin'gne reniko. Raha velona koa Yaveh, raha namonjy andreo ho velo enareo, da tsy namono enareo iaho. 20 Hoy izy tamin'i Jatera (lahimatoany) hoe: "Mitsangà ary vonoy indreo!" Fa gne tovolahy tsy nagnatsoaky sabatrany fa natahotry, satria mbola zazalahy kely izy. 21 Da hoy Zebaha sy Zalmona hoe: "Mitsanga enao ary vonoy izahay! Fa araka gne toetry gne olo evao gne heriny." Nitsanga Gideona ary namono an'i Zehaba sy Zalmona. Nendahiny evao koa gne ravaky sarim-bolan-tsigna izay teo am-bozon'gne ramevandreo. 22 Hoy gne lehilahin'Israely tamin'i Gideona hoe: "Manapaha anay—enao, gne zanakao lahy, ary gne zafikelinao lahy— satria enao gne nagnavotry anay teo ame tagnan'i Midiana." 23 Hoy Gideona tamindreo hoe: "Tsy hanapaky anareo iaho, na gne zanako lahy koa aza da tsy hanapaky anareo. Fa Yaveh gne hanapaky anareo. 24 Nizaka tamindreo i Gideona hoe: "Aoka iaho hagnano fangataha aminareo: da gne hanomezanareo anahy gne kavina avy norobainy." (Nana kavina volamena gne Medianita satria Isimaelita indreo.) 25 Namaly indreo hoe: "An-kafalia gne hanomezanay ireo anao." Namelatry lamba indreo ary samy nanipy gne firavaky avy norobainy gne lehilahy agnaby. 26 Gne lanjan'gne kavim-bolamena izay nangatahiny da sekely volamena 1.700. Izany fandroba izany da niampy gne ravaky sarim-bolan-tsignana, gne firavaky, gne akanjo volomparasy izay nanaovan'gne mpanjakan'gne Midiana, ary niampy gne rojo izay nagnodidy gne vozon'gne ramevandreo. 27 Nagnamboatry efoda avy amin'gne kavina i Gideona ary napetrany tao an-tanàny, tao Ofra izany, ary nampijangajanga gne tegnany tame fanompoa izany teo gne Israely agnaby. Lasa fandriky ho an'i Gideona sy ho an'ireo izay tao an-dranony izany. 28 Ka da resy teo agnatrehan'gne vahoakan'Israely gne Midiana ary tsy nagnarigny gne lohandreo koa indreo. Ary nilamy tagnatiny gne efapolo taona gne tany tame andron'i Gideona. 29 Jerobala, zanaka lahin'i Joasy, nandeha ka nidoboky tao an-dragnony. 30 Nana zanaky fitopolo lahy izay taranakiny i Gideona, satria maro vady izy. 31 Gne sakezany, izay tao Sekema, da niteraky zazalahy taminazy koa, ary Gideona nagnome azy gne agnara hoe: Abimeleka. 32 Gideona, zanaka lahin'i Joasy, da maty refa tratry antitry tsara ary nalevy tao Ofra tao ame kiborin'i Joasy abany, fokon'gne Abiezrita. 33 Ary raha vao maty i Gideona, nipody indraiky gne zanak'Israely ary nampijangajanga gne tegnany tame fanompoa an'gne Bala. Nanìndreo ho andriamanitriny i Bala-berita. 34 Ary gne vahoakan'Israely da tsy nahatadidy gne hagnome voninahitry an'i Yaveh, Andriamanitrindreo, izay nagnavotry andreo teo ame tagnan'gne fahavalo agnaby manodidy. 35 Tsy nitandrigny gne fampagnantenany tame tranon'i Jerobala (na Gideona) indreo, mba ho valin'gne soa agnaby nanìny tamin'Israely.