1 Da nifoha mandray i Jerobala (Gideona izany), sy gne vahoaka agnaby izay niaraky taminazy, ary nitoby teo akilan'gne loharanon'i Haroda indreo. Gne tobin'gne Midiana da tao avaratrindreo tao an-dohasaha nagnakaiky gne vohitr'i More. 2 Da hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: "Maro loatry aminaha ireo miaramila, mba hagnomezako fandrese ho anao eo amin'gne Midianita, mba tsy hireharehan'i Israely aminaha, hagnano hoe: 'Gne herinay gne namonjy anay.' 3 Ary androany, ambarao eo an-tsofin'gne vahoaky ka zakaiko hoe: 'Gne matahotry, ndre ia ndre ia mangovitry, da aoka izy hipody ka hiala ao an-Tendrombohitra Gileada.'" Dia lasa gne olo roy arivo sy roa aly noho izany, ary gne ray alina kosa nijano. 4 Da hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: "Mbola maro loatra evao gne olo. Indeso midigny egny ame rano indreo, ary hahegnako ho anao egny gne isandreo. Raha hoy Iaho aminao hoe: 'Ity raiky ity gne hiaraky aminao,' da hiaraky aminao izy; fa raha hoy Iaho hoe: 'Ity raiky ity tsy hiaraka aminao,' da tsy hiaraky aminao izy." 5 Da nentin'i Gideona nidigny tegny ame rano gne olo, ary hoy Yaveh taminazy hoe: "Atokano izay rehetra milelaky gne rano, akô ny filelaky gne amboa, amin'gne izay mandohaliky ambany mba hisotro." 6 Lehilahy telonjato gne nilelaky. Gne sisa tame lehilahy kosa nandohaliky mba hisotro rano. 7 Da hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: "Ame alalan'gne telonjato lahy izay nilelaky gne rano, gne hagnavotako anareo, sy hanomezako anareo gne fandrese eo amin'gne Midianita. Aoka gne lehilahy hafa agnaby hiverina agny an-tanàny aby." 8 Ka da nangala gne vatsiny sy gne antsivany ireo izay voafidy. Nampodian'i Gideona gne lehilahin'Israely rehetra, gne lehilahy agnaby mba samy ho ao an-dainy, nefa notazominy gne telonjato lahy. Ary gne tobin'i Midiana da tao ambaniny tao am-bavasaha. 9 Tamin'io alina io evao da hoy Yaveh taminazy hoe: "Mifohaza! Tafiho gne toby, fa homeko anao gne fandrese an'izany. 10 Fa raha matahotry gne hidina kosa enao, da midina ao an-toby miaraky amin'i Pora mpanomponao, 11 ary tenomy ze zakaindreo, da hatanjaky gne herim-ponao ame fanafiha gne toby." Ary da nidina niaraky tamin'i Pora mpanompony, tao amin'gne toera fiambena gne toby i Gideona. 12 Gne Midianita, gne Amalekita, sy gne olo agnaby avy agny antsignana da niara-nidoboky tao an-dohasaha, maro da maro tahaka gne andiam-balala. Tsy tambo isaina gne ramevandreo; maro noho gne fasiky egny amoron-dranomasina indreo. 13 Refa avy tao i Gideona, da nisy lehilahy raiky nitantara nofy tame namany. Da hoy ralehilahy hoe: "Indro! Nagnofy aho, ary nahita mofo hordea boribory nivaringary tao an-tobin'i Midiana. Da avy tao an-day izany, sady nandogny anazy mafy da mafy ary nitota ka nitsimbadiky ambony ambany, ka da fisaky." 14 Da hoy gne lehilahy raiky hoe: "Tsinontsinona izany mihoatry gne sabatr'i Gideona (zanaky lahin'i Joasy), gne Israelita. Efa nanome anazy gne fandrese teo amin'gne Midiana, sy gne miaramilany agnaby Andriamanitra." 15 Rehefa ren'i Gideona indraiky gne filazana gne nofy sy gne fandikana izany, da niankohoka nivavaky izy. Dia niverigny tao an-tobin'i Israely izy ka nagnano hoe: "Mifohaza! Efa nomen'i Yaveh anareo gne fandrese gne miaramila Midiana." 16 Da nozarainy ho vondrona telo gne telonjato lahy, ary nomeny atsiva sy siny foa izy agnaby, miaraka amin'gne fanilo agnatin'gne siny tsiraidraiky. 17 Da hoy izy tamindreo hoe: "Magnitea anahy ka ataovy izay ataoko. Iteo! Refa avy eo ame sisin'gne toby aho, da tsy maintsy hataonareo izay hataoko. 18 Refa mitsotry gne atsiva iaho, da iaho sy izay agnaby miaraky aminaha, da tsofy magnodidy gne toby manontolo evao koa gne atsivanareo ka mikoky hoe: 'Ho an'i Yaveh sy Gideona!'" 19 Da avy teo an-tsisin'gne toby i Gideona sy gne zato lahy izay niaraky taminazy, tame fanombohan'gne antegnantegnane lera datokôtry. Raha teo am-panoloa gne mpiamby igny gne Midianita, da notsofindreo gne atsiva ary novakiandreo gne siny izay tegny an-tagnandreo. 20 Notsofin'gne vondrona telo gne atsiva ary novakiany gne siny. Notanandreo tame tagna ankavia gne fanilo ary tame tagna ankavana kosa gne atsiva mba hitsofa izany. Da nikoky mafy indreo hoe: Gne sabatr'i Yaveh sy i Gideona." 21 Nitsanga nagnodidy gne toby tame fitoerany aby lehilahy agnaby ary nilefa gne miaramila Midiana agnaby. Da nangaingaiky indreo sady vaky nilefa. 22 Refa notsofindreo gne atsiva telonjato, da nanìn'i Yaveh nifamely tame sabatry gne Midianita sy gne namany ary gne tafiny agnaby. Da nilefa hatragny Beti-sita hatragny Zereraha gne miaramila, hatragny ame faritanin'i Abela-mehola, akaikin'i Tabata. 23 Nangiha mafy gne lehilahin'i Israely avy agny Naftaly, Asera, ary Manase agnaby, ary nanenjika gne Midiana indreo. 24 Dia nagniraky mpitondra hafatry nagnera gne tany havoanan'i Efraima rehetra Gideona, nagnano hoe: "Mandehana midigny hanohitry gne Midiana ka araho maso gne ranonin'i Jordana, hatragny Beti-bara, mba hampijano andreo." Da niara-nivory gne lehilahin'i Efraima agnaby ka nagnara-maso gne rano, hatragny Beti-bara sy gne Reniranon'i Jordana. 25 Voasambotrindreo andrian'gne Midiana roy, Oreba sy Zeba. Novonoindreo tagny ame vatolampin'i Oreba i Oreba, ary novonoindreo tagny ame famiazam-boalobok'i Zeba i Zeba. Da nagnia gne Midiana indreo, ary nindesindreo teo amin'i Gideona gne lohan'i Oreba sy i Zeba, izay tagny ame lafiny raiky hafan'i Jorda.