Toko Faha 6

1 Nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh gne vahoakan'Israely, ary natolotriny teo an-tagnan'i Midiana tagnatiny gne fito tao indreo. 2 Nampijaly gne Israely gne fahefan'i Midiana. Nohon'gne ame Midiana, da nagnano fialofa ho andreo tao ame zohy tegny ame havoana, tagny an-dava-bato, ary tao ame fiarova mafy gne vahoakan'Israely. 3 Ary isaky gne namboly gne vokatriny gne Israelita, da nanafiky andreo gne Midiana sy gne Amalekita ary gne olo avy agny atsignana. 4 Nametraky gne tafiny teo ame tany indreo ary namotiky gne vokatry, tegny ame lala agnaby mandeha agny Gaza.Tsy namela sakafo ho an'gne Israely, na ondry, na biby fiompy, na ampondra indreo. 5 Isaky gne miakatry indreo sy gne biby fiompiny ary gne lainy, da akô gne andiam-balala gne fiavindreo, ary tsy tambo isaina na gne olo na gne ramevany. Nanafiky gne tany mba hamoteha izany indreo. 6 Tena nampaosa an'gne Israelita tokôtry gne Midiana ka nanjary nangaiky mafy an'i Yaveh gne vahoakan'Israely. 7 Refa niantso mafy an'i Yaveh gne vahoakan'Israely nohon'gne amin'i Midiana, da nandefa mpaminany ho an'gne vahoakan'Israely i Yaveh. Hoy gne mpaminany tamindreo hoe: 8 "Izao gne zakain'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: 'Ninday anareo niakatry avy tagny Egypta Aho; ninday anareo nivoaky avy tao ame tragno fagnandevoza Aho. 9 Namonjy anareo teo ame tagnan'gne Egyptiana, sy teo ame tanan'ireo rehetra izay nampijaly anareo Aho. Nandroaka azy ireny teo agnatrehanareo, sy nagnome gne taniny ho anareo Aho. 10 Hoy Izaho taminareo hoe: "Iaho gne Yaveh Andriamanitrareo; nandidy anareo tsy hanompo gne andriamanitry gne Amorita, agny ame tany honenanareo Aho." Nefa tsy nankatò gne feoko enareo.'" 11 Ary avy gne anjelin'i Yaveh ka nipetraka teo ambanin'gne hazo terebinta tao Ofra, izay an'i Joasy (gne Abiezrita), raha nanasaraka gne vary tame fivelezana izany tame tany, teo ame famiazana divay i Gideona, zanak'i Joasy—mba hagnafinia izany amin'gne Midianita. 12 Niboky taminazy gne anjelin'i Yaveh ka nizaka taminazy hoe: "Momba anao i Yaveh, ry mpiady mahery!'" 13 Hoy Gideona taminazy: "Indrisy, ry tompoko, raha momba anay i Yaveh, nahoa no miboaky aminay izao rehetra izao? Aia gne asa mahagaga izay nozakain'gne razanay taminay, tamindreo nizaka hoe: "Tsy ninday anay niakatry avy tagny Egypta ve i Yaveh?' Nefa amizao da efa nahafoy anay da nanolotry anay teo an-tagnan'i Midiana i Yaveh." 14 Nagnety anazy Yaveh ka nizaka hoe: "Mandehana amin'izao hery efa hanagnanao izao. Afaho eo an-tagnan'i Midiana i Israely. Tsy efa nagniraky anao ve Aho?" 15 Hoy Gideona taminazy: "Akognaia re ry Tompo gne hamonjeko an'Israely? Nefa, gne fianakaviako gne marefo tokôtry ao amin'i Manase, ary izaho gne farany tsy manan-danja tokôtry ao an-dragnon'gne raiko." 16 Hoy Yaveh taminazy: "Homba anao Aho, ary handresy gne tafiky gne Midianita agnaby akô gne olo raiky enao." 17 Hoy Gideona taminazy, raha mahita fitia aminao iaho, da omeo famantara iaho fa enao tokôtry gne mizaka aminaha. 18 Aza miala eto re, mandra-peviako eto aminao hinday gne fagnomeza ary hametraky izany eo agnatrehanao." Hoy i Yaveh: "Hiandry Aho mandra-piverinao." 19 Ary lasa i Gideona ka nanomana zanak'osy ary avy tame lafariny eran'gne efaha gne namboarany mofo tsy misy masirasira. Nanìny tao agnaty haro gne hena, ary nanìny tao agnaty vilagny gne rony da nindesiny teo aminazy teo ambanin'gne hazo terebinta, ary nasehony andreo. 20 Hoy gne anjelin'Andriamamanitra taminazy: "Alay gne hena sy gne mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin'ity vatolampy ity ireo, ary araraho ho eo amin'ireo gne rony." Da izany gne nanìn'i Gideona. 21 Ary gne anjelin'i Yaveh nagnatatry gne tendron'gne tehy tame tagnany. Tamin'izany gne nikasihany gne hena sy gne mofo tsy misy masirasira; nisy afo niakatry avy tao ame vatolampy ka nandevona gne hena sy gne mofo tsy misy masirasira. Avy eo da lasa gne anjelin'i Yaveh ka tsy nahita anazy intsony i Gideona. 22 Ary Gideona nahafantatry fa anjelin'i Yaveh izy. Hoy Gideona hoe: "Oh, ry Yaveh Andriamanitra! Fa nifagnatri-tava tame anjelin'i Yaveh aho!" 23 Hoy Yaveh taminazy: "Fiadagna anie ho anao! Ka malia, fa tsy ho faty enao." 24 Ary namboatry alitara ho an'i Yaveh teo i Gideona. Nangihany hoe: "Yaveh da fiadagna" izany. Mandraka androany da mbola mitsanga ao Ofran'gne fokon'i Abiezrita izany. 25 Ary tamin'izany alina izany da hoy Yaveh taminazy: "Alaivo aomby lahin-drainao, da gne aomby lahy faharoy izay efa fito tao, ravao gne alitaran'i Bala izay an'gne rainao, ary tapaho gne Aseraha izay eo agnilan'izany. 26 Manangana alitara ho an'i Yaveh Andriamanitrao eo ame tampon'ity toera fialofana ity, da aoreno araky gne tokony ho izy izany. Atolory ho fagnatitry doroa gne omby lahy faharoa, ame fampiasa gne hazo avy ame Aseraha izay notapahinao." 27 Ka da nangala folo tamin'gne mpanompony i Gideona ary nagnano araky izay nozakain'i Yaveh taminazy. Ary satria natahotry loatra gne ankohonan-drainy sy gne lehilahy tao an-tanà gne hagnano izany agnatiny gne andro izy, da nanìny nandoaky aligny izany. 28 Refa mandray refa nifoha gne lehilahy tao an-tanà, da efa rava gne alitaran'i Bala, ary gne Aseraha teo agnilany da voatapaky, ary gne aomby lahy faharoa da namboary fagnatitry teo ame alitara izay vao natsanga. 29 Gne lehilahy teo an-tanà da nifampiresaky hoe: "Ia gne nagnano anizao?" Refa niresaky tame hafa indreo ka nikaroky izay valiny, da hoy indreo: "Gideona zanak'i Joasy gne nagnano izao raha izao." 30 Ary hoy gne lehilahy tao an-tanà tamin'i Joasy hoe: "Avohay gne zanakao mba hovonoy ho faty, satria noravany gne alitaran'i Bala, ary satria notapahany gne Aseraha teo agnilan'izany." 31 Hoy i Joasy tamin'gne rehetra izay nanohitry azy hoe: "Hifona gne zava-misy ho an'i Bala ve enareo? Hamonjy azy ve enareo? Ndre ia ndre ia hifona ho azy, da aoka izy ho vonoy ho faty raha mbola mandray koa. Raha andriamanitra i Bala, aoka izy hiaro gne tegnany refa noravan'ny olo gne alitarany." 32 Ary tamin'izany andro izany i Gideona da nangihandreo hoe: "Jerobala," satria hoy izy hoe: "Aoka hiaro gne tegnany i Bala," satria efa nandrava gne alitaran'i Bala i Gideona. 33 Ary gne Midianita sy gne Amalekita ary gne olo agnaby avy agny atsignana da niara-nivory. Niampita an'i Jordana indreo ary nitoby teo ame Lohasahan'i Jezirela. 34 Fa avy tamin'i Gideona gne fagnahin'i Yaveh. Nitsotry gne antsiva, nangaiky gne fianakaviam-ben'i Abiezrita i Gideona, mba hagnarahandreo anazy. 35 Nandefa iraky eran'i Manase agnaby izy, ary indreo koa, da voaantso mba hagnaraky anazy. Nandefa iraky ho an'i Asera, Zebolona, ary Naftaly evao koa izy, ary niakatry mba hihao aminazy indreo." 36 Hoy Gideona tamin'Andriamanitra: "Raha nihevitry gne hampiasa anahy hamonjy an'Israely Ianao, araka izay nozakainao— 37 Indro, iaho mametraky volon'ondry eo ame famoloana. Raha misy ando eo ame volon'ondry, ka maigny eo ame tany rehetra, da ho fantako fa hampiasa anahy mba hamonjy an'Israely Enao, araky izay nozakainao." 38 Akô izao gne niboaky—nifoha mandray be i Gideona gne amaraigny, niara-nofihazany gne volon'ondry, ary nisy ando nivoaky tame volon'ondry, ampy nahafeno lovia raiky gne rano. 39 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra hoe: "Ka vignitry aminaha, fa mbola hireaka indraiky mandeha iaho. Avelao rô iaho mba hagnandra hampiasa indraiky mandeha gne volon'ondry. Ho maigny gne volon'ondry amin'io fotoa io, ary aoka ho feno ando gne tany magnodidy anazy." 40 Nagnano izay nangatahiny Andriamanitra tamin'izany aligny izany. Gne volon'ondry da maigny, ary feno ando teo ame tany rehetra nagnodidy izany.