1 Tamin'izany andro izany Debora sy Baraka zanak'i Abinoama da nihira ity hira ity: 2 "Refa mitariky gne mpitariky ao Israely, refa manolo-tena am-pifalia ho ame ady gne vahoaka—da midera an'i Yaveh isika! 3 Mitenoa, enareo mpanjaka! Mifantoha, enareo mpitarika! Iaho, iaho da hihira ho an'i Yaveh; hihira fiderana ho an'i Yaveh, gne Andriamanitr'Israely aho. 4 Yaveh, refa nivoaky avy tagny Seira Enao, refa nandeha avy tagny Edoma anao, da nihorohoro gne tany, ary niavotravitry koa gne lagnitry; ary gne rahona nandatsaky rano evao koa. 5 Niavotravotry teo agnatrehan'gne tavan'i Yaveh gne tendrombohitry; egny na gne tendrombohitry Sinay aza da nivotravotry teo agnatrehan'gne tavan'i Yaveh, gne Andriamanitr'Israely. 6 Tamin'gne andron'i Samgara (zanaky lahin'i Anata), tamy andron'i Jaela, niloza gne lalam-be, ary gne izay nandeha evao gne nampiasa gne sakeli-dala miolakolaky. 7 Vitsy gne mpiady tany Israely, mandra-panapahako, iaho Debora—gne reny nanapaky tao Israely! 8 Tamindreo nisafidy andriamanitra vaovao, da nisy ady teo ame vavahadin'gne tanà kanefa tsy nisy ampinga na lefo hita teo amin'gne olo efatry aly tao Israely. 9 Gne foko mankasitray gne mpanapaky gne Israely, miaraky amin'gne vahoaky izay nanolo-tena am-pifalia—isaorantsika Yaveh noho indreo! 10 Eritrereto izao—enareo izay mipitiky ampondra fotsy mipetraky eo ame lamba ho solon'gne lasely, ary enareo izay mandeha ame lala. 11 Henoy gne feon'gne izay mihira eo ame tany fanondraha. Agny gne izakandreo indraiky gne fahamarinan'gne asan'i Yaveh, sy gne fahitsian'gne asan'gne mpiadiny tany Israely. Avy eo da nidina teo ame vavahadin'gne tanà gne vahoakan'i Yaveh. 12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora! Mifohaza, mifohaza, mihirà fihirana! Mitsangàna, ry Baraka, indeso gne voafonjanao, enao ry zanaky lahin'i Abinoama. 13 Avy eo da nidigny teo amin'gne olo-manan-kaja gne sisa velona; nidigny nandeha aminaha niaraky tamin'gne mpiady gne vahoakan'i Yaveh. 14 Avy tagny Efraima indreo, gne fototrindreo da agny Amaleka; nagnaraky anareo gne vahoakan'i Benjamina. Nidigny avy agny Makira gne mpifehy, ary avy agny Zebolona gne izay mitondra gne tehin'gne manam-boninahitry. 15 Niaraky tamin'i Debora gne andriako tao Isakara; ary Isakara niaraky tamin'i Baraka nikoropaky nagnaraky anazy tagny an-dohasaha izay teo ambany fifehezany. Tao amin'gne fokon'i Robena da nisy fikasan'gne fo lehibe. 16 Nahoana enao gne mipetraky eo afovoan'gne vala, mihaino gne mpiandry ondry midotry gne sodiny ho an'gne ondry aman'osiny? Raha gne ame fokon'i Robena da nisy fikasan'gne fo lehibe. 17 Nijanona tany an-dafin'i Jordana i Gileada; ary Dana, nahoa izy gne nivenjivenjy tegny ambony sambo? Nijano tegny amoron-dranomasina i Asera ary nidoboky tegny akaikin'gne seranan-tsambo. 18 Zebolona da foko nagnano vy very gne ainy hatramin'gne fahafatesa, ary Naftaly, evao koa, da teo ame sahan'ady. 19 Tonga gne mpanjaka, niady indreo; niady tagny Tanaka teo amoron'gne ranon'i Megido gne mpanjakan'i Kanana. Nefa tsy naka volafotsy ho robay indreo. 20 Avy egny ame lanitry gne niadin'gne kintana, avy egny ame lalandreo magnera gne lanitry gne niadiandreo tamin'i Sisera. 21 Nifaoka andreo gne Renirano Kisona, gne renirano fahagola, gne Renirano Kisona. Mandrosoa avao ry fanahiko, matanjaha! 22 Ary da nikatrokatroka gne kitron'gne soavaly—mihazakazaka, da gne fihazakazak'gne maheriny. 23 'Ozony Meroza!' hoy gn'anjelin'i Yaveh. 'Ozogny da ozogny gne mponina ao aminazy!— satria indreo tsy tonga mba hanampy an'i Yaveh—hagnampy an'i Yaveh ame ady hanohitra gne mpiady mahery.' 24 Voatahy mihoatry noho gne viavy agnaby i Jaela, Jaela (gne vadin'i Hebera Kenita), voatahy mihoatry noho gne viavy rehetra izay midoboky ao an-day izy. 25 Rano gne nangatahin-dralehilahy, ary ronono gne nomeny anazy; nitondrany dibera teo an-dovia natokana ho an'gne andriana izy. 26 Napetrany teo ame tsatokan-day gne tagnany, ary gne tagnany havana tame maritôn'gne mpiasa; da namely an'i Sisera tamin'gne maritô izy, norotorotehiny gne lohany. Raha nandefona gne firifany izy da nopotipotehiny ho rotirotiky gne karan-dohany. 27 Lavo teo agnelagnelan'gne tongony izy, niatota izy ary nidaraboky teo. Teo agnelagnelan'gne tongony izy gne nitsirara. Teo ame toera namonoa anazy tamin'angovo gne nahalavo anazy. 28 Nagnety teo ambaravarankely izy— nitsiriky teo ame makarakaran'gne varavarankely gne renin'i Sisera ary nangaiky mafy tame alahelo hoe: 'Nahoa no ela loatry vao tonga gne kalesiny? Nahoa gne kitron'gne sovaliny izay mitariky gne kalesiny no mitaredretra?' 29 Namaly gne hendry indrindra tame andriambaviny, ary izy tegnany evao gne namaly anazy hoe: 30 "Tsy efa nahita sy nizara gne babo ve indreo? Viavy raiky, na viavy roy ho an'gne isan-dahy; fandrobana lamba mena ho an'i Sisera, fandrobana lamba mena misy peta-kofehy, lamba mena roy misy peta-kofehy ho eo am-bozon'gne nanafiky?' 31 Ho ringana anie gne fahavalonao agnaby, ry Yaveh! Fa gne namanao kosa da ho akô gne masoandro refa miboaky ame heriny." Da nandry tagnatiny gne efapolo taona gne tany.