1 Tafaran'gne nahafatesan'i Ehoda, da nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh indraiky gne vahoakan'Israely. 2 Namidin'i Yaveh teo an-tagnan'i Jabina mpanjakan'i Kanana izay nanjaka tao Hazora indreo. Ny agnaran'gne mpitari-tafiny da i Sisera, ary nipetraky tao Harosetan'gne Jentilisa izy. 3 Niantso vonjy mafy tamin'i Yaveh gne vahoakan'Israely, satria nana kalesy vy sivinjato Sisera ary nampijaly gne vahoakan'Israely tamin-kery tagnatiny gne roapolo taona izy. 4 Ary Debora, mpaminany viavy (vadin'i Lapidota), gne nitariky gne fitsara tao Israely tamin'izany fotoa izany. 5 Zatry nipetraky teo ambany rofian'i Debora agnelagnelan'i Rama sy Betela tao ame tany havoan'i Efraima izy, ary gne vahoakan'Israely nandeha aminazy mba hametraky gne adindreo taminazy. 6 Nagniraky an'i Baraka zanaka lahin'i Abinoama avy agny Kadesy ao Naftaly izy. Hoy izy taminy: "Yaveh, ry Andriamanitr'Israely, mandidy anao hoe: 'Mandehana agny an-tendrombohitry Tabara, ary mitondrà lehilahy ray aly avy ao Naftaly sy Zebolona. 7 Hagnatsoaky an'i Sisera, mpitari-tafik'i Jabina Aho, mba hihaona aminao eo ame renirano Kisona, miaraky amin'gne kalesiny sy gne tafiny, ary hanome anao fandrese andre Aho." 8 Hoy Baraka taminazy: "Raha miaraky aminaha enao, da handeha iaho, nefa raha tsy miaraky aminaha enao, da tsy handeha aho. 9 Hoy izy: "Hiaraky aminao tokoa iaho. Ndre da zay aza, gne lala izay andehananareo da tsy hitariky anareo agny ame voninahitrareo, fa hivarotry an'i Sisera eo an-tagnan'gne viavy i Yaveh." Dia niakatra Debora ary niaraky tamin'i Baraka hoagny Kadesy. 10 Nangaiky gne lehilahin'i Zebolona sy Naftaly mba hiaraky ho agny Kadesy i Baraka. Lehilahy ray aly gne nagnaraky anazy, ary niaraky taminazy i Debora. 11 Ary Hebera (ilay Kenita) nisaraky tamin'gne Kenita—taranak'i Hobaba indreo (rafozan-dahin'i Mosesy)—ary namelatry gne lainy teo ame terebinta tagny Zananima akaikin'i Kadesy izy. 12 Refa nozakaindreo tamin'i Sisera fa niakatry tagny an-tendrombohitra Tabara i Baraka zanaka lahin'i Abinoama, 13 da nangaiky mafy gne kalesiny agnaby i Sisera, kalesy vy sivinjato, ary gne miaramila agnaby izay niaraky taminazy, hatreo Harosetan'gne Jentilisa ka hatragny ame Renirano Kisona. 14 Hoy Debora tamin'i Baraka: "Mandehana! Fa ity no andro izay nagnomezan'i Yaveh fandrese anareo eo amin'i Sisera. Moa ve tsy mitariky anareo i Yaveh?'' Dia nidigny avy tegny an-tendrombohitry Tabara niaraky tamin'gne lehilahy ray aly nagnaraky anazy i Baraka. 15 Nampifanjevon'i Yaveh gne tafik'i Sisera, gne kalesiny agnaby, ary gne tafikiny agnaby. Nanafiky andreo gne lehilahin'i Baraka ka nidigny tame kalesiny i Sisera ary nitsoaka an-tongotry. 16 Fa nenjehin'i Baraka hatragny Harosetan'gne Jentilisa gne kalesy sy gne tafika, ary gne tafik'i Sisera agnaby da novonoy tame lelan-tsabatra, ary tsy nisy nipetraky ndre da lehilahy raiky aza. 17 Nefa Sisera nilefa an-tongotry tagny ame lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita, satria nihavana i Jabina mpanjakan'i Hazora, sy gne ankohonan'i Hebera Kenita. 18 Nivoaka hihao amin'i Sisera i Jaela ary nagnano taminazy hoe: "Mivilia, ry tompoko, mivilia aty amiko ary ka matahotry." Da nivily tagny aminazy izy ka niditry tao ame lainy, ary norakofany tame bodofotsy izy. 19 Hoy izy taminy: "Mba omeo rano kely ho sotroy rô iaho, fa mangetaheta." Nanokatry kitapon-drono hoditra izy ary nagnome anazy ho sotroy, avy eo da norakofany indraiky izy. 20 Hoy izy taminazy: "Mitsangàna eo am-barangaran'gne lay. Raha misy olo avy ary magnontany anao hoe: 'Misy olona ve ato?', da zakay hoe: 'Tsisy." 21 Ary Jaela (vadin'i Hebera) nangala tsatokan-day sy maritô tegny an-tagnany ary nitsofoky an-tsokosoko tao aminazy, fa tao agnaty torimaso laly izy, ary nameky gne tsatokan-day tame maritô teo ame faritry gne lohany izy ary nitsatoka taminazy izany ka niroda tame tany, da maty izy. 22 Raha nagnia an'i Sisera i Baraka, da nagniry gne hivoaky hifankahita aminazy i Jaela ary nagnano taminazy hoe: "Avia, haboakiko anao gne lehilahy tadiavinao." Da niaraky niditry taminazy izy, ary io Sisera maty nitsilagny, miaraky amin'ny tsatokan-day teo anilan'gne lohany. 23 Ka tamin'izany andro izany gne nandresen'Andriamanitra an'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, teo agnatrehan'gne vahoakan'Israely. 24 Gne herin'gne vahoakan'Israely dia nihanatanjaky fezay nagnatriky gne mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringanandreo anazy.