1 Ary Yaveh namela firenena ireo mba hitsapana an'i Israely, izany hoe gne olo agnaby tagny Israely izay tsy nanana traikefa tame ady da niady tagny Kanana. 2 (Nagnano izany izy mba hampianarana ady an'gne taranak'Israelita vaovao izay mbola tsy nahalala izany taloha). 3 Itoa aby gne firenena: gne mpanjaka dimy avy amin'gne Filistina, gne Kananita agnaby, gne Sidoniana, ary gne Hivita izay nonina tagny amin'gne Tendrombohitry Libanona, hatramin'gne Tendrombohitra Bala-hermona ka hatragny lalana Hamata. 4 Navela ireo firenena ireo, izany gne fomba nitsapan'i Yaveh an'Israely, mba hagnamafisa na nagnaja gne didy izay nomeny an'gne razambendreo tame alalan'i Mosesy indreo. 5 Noho izany gne vahoakan'Israely da nipetraky teo amin'gne Kananita, gne Hetita, gne Amorita, Perizita, ary gne Jebosita. 6 Gne zanaky viavindreo da nalaindreo mba ho vadindreo, ary gne zanaky viavindreo manokana da nomendreo ho an'gne zanaky lahindreo, ary nanompo gne andriamanitriny indreo. 7 Nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh gne vahoakan'Israely ary nagnadigno an'i Yaveh Andrimanitrindreo. Nanompo ireo Bala sy ireo Aseraha izy ireo. 8 Noho izany, da nirehitry tamin'Israely gne fahatezeran'i Yaveh, ary namidiny teo am-pelatanan'i Kosan-risataima mpanjakan'i Arama-naharaima indreo. Nanompo an'i Kosan-risataima agnatiny gne valo tao gne vahoakan'Israely. 9 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh gne vahoakan'Israely, da nanandratry olo mba ho tonga hamonjy gne vahoakan'Israely i Yaveh, sy hagnavotry andreo: Otniela zanaky lahin'i Kenaza (zandrin'i Kaleba). 10 Nagnome hery azy gne fagnahin'i Yaveh, ary nitsara an'i Israely izy ary nivoaka tagny ame ady. Nomen'i Yaveh fandresena teo agnatrehan'i Kosan-risataima mpanjakan'i Arama izy. Nandresy an'i Kosan-risataima gne tagnan'i Otniela. 11 Nilamy gne tany agnatiny gne efapolo tao. Avy eo da maty i Otniela zanaka lahin'i Kenaza. 12 Tafaran'izany, da mbola nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh indraiky gne Israelita, ka nagnome hery an'i Eglona mpanjakan'i Moaba mba hampandresy ireo Israelita i Yaveh. 13 Nikamba tamin'gne Amona sy gne Amaleka i Eglona, da nandeha indreo ka nandresy an'Israely, ary nalaindreo ho fanagnany gne Tanàn-drofia. 14 Nanompo an'i Eglona mpanjakan'i Moaba agnatiny gne valo ambin'gne folo taona gne vahoakan'Israely. 15 Refa nangaiky mafy an'i Yaveh ny vahokan'Israely, dia nanandratra olo raiky i Yaveh hagnampy andreo, Ehoda zanak'i Gera, Benjamita, lehilahy kavia. Nandefa anazy niaraky tame fandoavan-ketrandreo, tagny amin'i Eglona mpanjakan'i Moaba gne vahoakan'Israely. 16 Nanamboatra sabatry raiky izay nisy lela roa ho azy i Ehoda, raiky metatry gne halavany; nafehiny tao ambanin'gne akanjony teo amin'gne tsobeny ankavanany izany. 17 Nomeny an'i Eglona mpanjakan'i Moaba gne fagnomeza. (Ary Eglona da lehilahy matavy be.) 18 Tafaran'gne nanoloran'i Ehoda gne fandoavan-ketra, da lasa niaraky tamindreo izay nitondra izany izy. 19 Raha gne amin'i Ehoda kosa, refa tonga teo amin'gne toerana izay nisy gne sarin-draha voasokitry nanÿ teo akaikin'i Gilgala izy, da nitodika sady niverina izy, ary niteny hoe: "Mana tsiambaratelo ho anao iaho, ampanjakako." Ary Eglona nijaka hoe: "Mangina!" Da nivoaka gne efitry ireo agnaby izay nanompo anazy. 20 Tonga teo aminy i Ehoda. Nipetraky raiky gne mpanjaka, raiky tao ame mangatsiatsiaka tao amin'gne efitragno ambony. Hoy i Ehoda hoe: "Mana hafatry avy agny amin'Andriamanitra ho anao iaho." Nitsanga avy teo ame fidobohany gne mpanjaka. 21 Nahinjitr'i Ehoda gne tagnany havia ary nalainy teo ame tsobeny ankavana gne sabatry, ka natsatokiny teo ame vatan'gne mpanjaka izany. 22 Gne hazon-tsabatry taminazy da nagnaraky gne lamosina. Nivoaky tao an-damosiny gne tendron-tsabatry ary nandrakotry izany gne tavy, fa tsy nagnatsoaky gne sabatry tame kibony i Ehoda. 23 Avy eo da nivoaky teo an-davaranga i Ehoda ary nagnakatoky ireo varavaran'gne efitry ambony ary nagnidy izany. 24 Refa lasa i Ehoda, da avy gne mpanompon'ny mpanjaka; hitandreo fa mihidy ireo varavaran'gne efitry ambony, ka nihevitry indreo hoe: "Azo antoky fa maka aina ao ame mangatsiatsiaky ao ame efitry ambony izy." 25 Nitombo gne ahiahindreo mandra-pahatsapandreo fa nanao tsinontsinona gne andraikitriny indreo refa mbola tsy nanokatry gne varavara tao ame efitry ambony gne mpanjaka. Ary nalaindreo gne lakile, da novohainy gne, ary nitsilagny teo gne tompony, lavo tame tany, ary maty. 26 Raha teo am-pandignasa gne mpanompo, da nagnontany tegna gne amin'izay tokony hanÿ indreo, nilefa i Ehoda ka nagnalavitry gne toitry misy gne sarin-javatry voasokitr'gne sampy, ary noho izany da nilefa tagny Seïrata izy. 27 Refa avy izy, da nitsotry gne atsiva raiky teo ame tany akaboan'i Efraima. Ka nidigny niaraky taminazy avy agny ame havoana gne vahoakan'Israely, ary izy gne nitariky andreo. 28 Hoy izy tamindreo hoe: "Magnaraha anahy, fa efa handresy gne fahavalonareo Yaveh, da gne Moabita." Nagnaraky anazy indreo ary nisambotry gne fitàn'i Jordana fandalovan'gne Moabita, ary tsy namela ndre ia ndre ia hiampita gne renirano indreo. 29 Tamin'izany fotoana izany da namono lehilahy Moabita teo ame ray aly teo indreo, ary lehilahy natanjaka sy mahavita azy izy agnaby. Tsy nisy afa-nilefa. 30 Ary tamin'izany andro izany Moaba da resin'gne tanjak'Israely, ary nilamina tagnatiny gne valopolo taona gne tany. 31 Tafaran'i Ehoda da i Samgara zanaky lahin'i Anata izay namono olona 600 tamin'gne Filistina tame hazo fanindroma biby fiompy gne mpitsara magnaraky. Nanafaky an'i Israely tame loza evao koa izy.