Toko Faha 2

1 Niakatry avy tao Gilgala hoagny Bokima gne anjelin'i Yaveh, ary nagnano hoe: "Ninday anareo niakatry avy tao Egypta Aho, ary nitondra anareo tagny ame tany nifagnekeko home gne razanareo. Hoy aho: 'Tsy handrava gne fagnekeko aminareo mihitsy Aho. 2 Ka magnano fagneke amin'gne izay mipetraka ao amin'ity tany ity enareo. Aoka horavanareo gne alitarandreo.' Nefa tsy nihaino gne feoko enareo. Fa ino ity namborinareo? 3 Koa androany aho da mizaka fa: 'Tsy handroaky gne Kananita eo anatrehanareo Aho, fa ho lasa tsilo eo agnilanareo indreo, ary gne andriamanitriny da ho lasa fandrika ho anareo.''' 4 Raha nizaka ireo teny ireo tame vahoakan'i Israely agnaby anjelin'Andriamanitra, da nitoreo sy nitomagny gne vahoaka. 5 Nangihandreo hoe Bokima izany toera izany. Nanolotry fagnatitry ho an'i Yaveh tao indreo. 6 Ary refa nagniraky gne vahoaka tame lalandreo Josoa, da nandeha ame toera voatendry gne vahoakan'Israely tsiraidraiky, mba hangala tanindreo. 7 Nanompo an'i Yaveh agnatin'gne androm-piainan'i Josoa sy gne loholona izay mbola velona tafarany gne vahoaky, ary ireo izay nahita gne asa lehiben'i Yaveh agnaby namboariny ho an'Israely. 8 Josoa zanaky lahin'i Nona mpanompon'i Yaveh, da maty teo ame faha-folo amby zato taonany. 9 Nandevy anazy tao ame faritanin'gne tany nanendre azy tao Timnata-heresa indreo, tao ame tany havoan'i Efraima, avaratry gne Tendrombohitr'i Gasa. 10 Izany taranaky agnaby izany evao koa da nalagno ho ame razandreo. Nisy taranaky hafa nitombo tafarandreo izay tsy nahalala an'i Yaveh na izay nataony tamin'gne Israely. 11 Nagnano izay ratsy teo imason'i Yaveh gne vahoakan'Israely ary nanompo an'i Bala indreo. 12 Nisaraky tamin'i Yaveh indreo, gne Andriamanitry gne razandreo, izay ninday andreo nivoaky avy tao ame tany Egypta. Nanaraky gne andriamani-kafa indreo, gne tena andriamanitr'gne vahoaka izay nagnodidy andreo, ary niankohoka tamin'io. Nagnetsiky gne fahavigniran'i Yaveh indreo satria 13 nisaraka tamin'i Yaveh ary nanompo an'i Bala sy gne Astarta. 14 Nirehitry tamin'Israely gne hatezeran'i Yaveh, ary nomeny an'ireo mpanafiky izay nangalatry gne fanagnandreo taminazy indreo. Namidiny ho andevo ireo izay voatazo tame herin'gne fahavalo magnodidy andreo, mba tsy hahafahandreo koa miaro gne tegnany amin'gne fahavalony. 15 Ndre taia ndreo taia nandehanan'Israely niady, gne tanan'i Yaveh da andreo mba handresy andreo, araka gne nitangnenany tamindreo ary tao agnaty fijalia mafibe indreo . 16 Ary Yaveh nanandratry mpitsara, izay namonjy andreo tame tagnan'gne izay nangalatry gne fanagnandreo. 17 Nefa tsy nihaino gne mpitsarany indreo. Tsy nahatoky tamin'i Yaveh indreo ary nanolotry gne tegnany akô gne mpijangajanga tamin'gne andriamani-kafa sy nanompo ireo. Nania nalaky tame lala niaignan'gne razany indreo—gne nagnaja gne didin'i Yaveh—nefa tsy mba nagnano akô izany indreo. 18 Refa nanandratry mpitsara ho andreo i Yaveh, nagnampy gne mpitsara i Yaveh ary namonjy andreo tame tagnan'gne fahavalondreo tame andro agnaby niainagnan'gne mpitsara. Ferignay ndreo Yaveh raha nisento noho ireo izay nampahory sy nampijaly andreo indreo. 19 Fa refa maty gne mpitsara, da niala sy nagnano gne raha izay ratsy kokoa noho gne namborin'gne razany aza indreo. Nagnaraky gne andriamani-kafa mba hanompo sy hidera azy indreo. Nandà gne hiala tamin'gne fanaony ratsy agnaby na tamin'gne lalan'gne ditriny indreo. 20 Nirehitry tamin'i Israely gne hatezeran'i Yaveh; hoy Izy: "Satria ity firenena ity da nandrava gne tenin'gne fanekeko izay napetrako ho an'gne razany—satria tsy nihaino gne feoko indreo— 21 Iaho, manombok'izao, da tsy handroaka eo agnatrehandreo na gne raiky amin'gne firenena izay navelan'i Josoa refa maty izy. 22 Hanao izany Aho mba hahafahako mitsapa gne Israely, na hitandrigny gne lalan'i Yaveh sy handeha amin'izany indreo na tsia, akô gne nitandreman'ny razandreo izany." 23 Izany gne antony nelàn'i Yaveh ireo firenena ireo sy tsy nandroahany andreo nalaky tao ary nanomezany andreo teo an-tagnan'i Josoa.