1 Taorian'i Abimeleka, Tola zanak'i Poa zanak'i Dodo, lehilahy avy agny Isakara nipetraky tagny Samira, tagny ame tany havoan'gne Efraima, nitsanga mba hagnafaky an'Israely. 2 Nitsara gne Israely tagnatiny gne telo amby roapolo taona izy. Maty izy ary nalevy tany Samira. 3 Nodimbiasin'i Jaira ilay Gileadita izy. Nitsara gne Israely tagnatiny gne roy amby roapolo tao izy. 4 Nanan-janaky telopolo lahy izay nimpitiky boriky telopolo izy, ary nana tanà telopolo indreo, izay angiha hoe Havota-jaira mandrak'androany, tagny ame tanin'i Gileada indreo. 5 Maty i Jaira ary nalevy tagny Kamona. 6 Nagnampy gne ratsy izay nanìndreo teo imason' i Yaveh gne vahoakan'i Israely ary nanompo gne Bala, gne Astarta, gne andriamanitr'i Arama, gne andriamanitr'i Sidona, gne andriamanitr'i Moaba, gne andriamanitry gne vahoakan'i Amona, ary gne andriamanitr'i Filistina. Niala an'i Yaveh indreo ary tsy nanompo Azy koa. 7 Nirehitry tamin'i Israely gne havigniran'i Yaveh, ary namidiny teo an-tagnan'gne Filistina sy teo an-tagnan'gne Amonita indreo. 8 Namotiky sy nampahory gne vahoakan'Israely indreo tam'izany taona izany, ary nampijaliandreo tagnatiny gne valo amby folo tao gne vahoakan'i Israely agnaby izay tagny andafin'i Jordana tagny ame tanin'gne Amorita , izay agny Gileada. 9 Ary da nitsaky an'i Jordana mba hiady tamin'i Joda, tamin'i Benjamina, ary tame ankohonan'i Efraima gne Amorita, mba hampahory mafy an'Israely. 10 Da nangaiky mafy an'i Yaveh gne vahoakan'Israely, nagnano hoe: ''Efa nanota taminao izahay, satria niala Andriamanitray izahay ary nonompo gne Bala.'' 11 Hoy i Yaveh tame vahoakan'Israely: ''Tsy angafaky anareo tamin'gne Egyptiana, Amorita, Amonita, Filistina, 12 ary koa tamin'gne Sidoniana ve Aho? Nampijaly anareo gne Amalekita sy gne Maonita; da nangaiky mafy Anahy enareo, ary nafahako tame herin'indreo enareo. 13 Da mbola nikisaky Ahy indraiky enareo ary nanompo gne andriamani-kafa. Noho izany, tsy hagnampy gne fotoa hagnafahako anareo Iaho. 14 Mandehana ary angiho mafy gne andriamanitry izay notompoinareo. Avelao indreo hagnavotry anareo refa misy olana enareo.'' 15 Hoy gne vahoakan'Israely tamin'i Yaveh: ''Nanota izahay. Ataovy aminay ndre ino ndre ino mety ho tsara Aminao. Fa kosa, mba avoty re iahay amin'ity andro ity.'' 16 Da nagnendaky gne andriamanitry tsy izy teo aminazy indreo ary nanompo an'i Yaveh. Ary tsy zakan'i Yaveh koa gne fijalian'Israely. 17 Da niara-nivory gne Amonita ary nananga toby tao Gileada. Da niara-avy gne Israelita ary nananga gne tobiny tagny Mizpa. 18 Gne mpitariky gne vahoakan'i Gileada nifampiresaky hoe: ''Ia gne lehilahy izay hanomboky hiady amin'gne Amonita? Ho lasa mpitariky agnaby izay nidoboky tagny Gileada izy.''