1 Ary Jefta ilay Gileadita da mpiady mahery, kanefa zanakiny mpivaro-tegna izy. Gileada gne rainy. 2 Niteraky gne zanany lahy hafa koa gne vadin'i Gileada. Refa zakabe gne zanaky gne vadiny, da naletrindreo hiala gne tragno i Jefta sady nagnano taminazy hoe: "Tsy handova ndre ino ndre ino avy ame fianakavianay enao. Zanaky gne viavy hafa enao." 3 Noho izany da nilefa an'gne rahalahiny Jefta ary nidoboky tagny ame tanin'i Toba. Nisy lehilahy tsy mpagnara- dalà nagnato anazy ka avy indreo ary nandeha niaraky taminazy. 4 Andro vitsy taty afara, da niady tamin'Israely gne vahoakan'i Amona. 5 Refa niady tamin'Israely gne vahoakan'i Amona, da avy nitondra an'i Jefta avy agny ame tanin'i Toba hipody gne loholon'i Gileada. 6 Hoy indreo tamin'i Jefta hoe: "Avia ary meteza ho mpitariky anay mba hahafahanay miady ame vahoakan'i Amona. 7 Hoy Jefta tamin'gne mpitariky an'i Gileada hoe: "Nalay anahy enareo ary nandetry ahy handao gne tranon-draiko. 8 Nahoa enareo androany gne makaty aminaha refa ao agnatin'gne olagny?" Hoy gne loholon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: "Izany gne antony hitodianay aminao androany; aska hiaraky aminay ary hiady ame vahoakan'i Amona, ka ho lasa mpitariky amin'izay agnaby mipetraky ao Gileada enao." 9 Hoy Jefta tamin'gne loholon'i Gileada hoe: "Raha indesinao mody mba hiady ame vahoakan'i Amona indraiky iaho, ary raha omen'i Yaveh fandrese isika, da ho mpitarika anareo iaho." 10 Da hoy gne loholon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: " Yaveh anie ho vavolombelo eo amintsika sy enao raha tsy magnano araka izay lazaintsika isika!" 11 Noho izany da lasa niaraky tamin'gne loholon'i Gileada i Jefta, ary nanìn'gne vahoaka ho mpitariky sy mpibaiko andreo izy. Refa teo agnatrehan'i Yaveh tagny Mizpa izy, da nagnapody gne fampagnantena agnaby nanìny i Jefta. 12 Avy eo Jefta nagniraky mpinday hafatry ho an'gne mpanjakan'gne vahoakan'i Amona, magnano hoe: "Ino ity ady eto amintsika ity? Nahoa enao gne avy tamin-kery hangala gne taninay?" 13 Da namaly an'gne mpinday hafatr'i Jefta gne mpanjakan'gne vahoakan'gne Amona hoe: "Satria tame vahoakan'Israely nivoaky avy tagny Egypta, da nalaindreo gne taniko hatragny Arnona ka hatragny Jaboka, ka hatrany Jordana. Androany avereno am-pilamina io tany io." 14 Da nandefa mpinday hafatry ho agny amin'gne mpanjakan'gne vahoakan'i Arnona indraiky i Jefta, 15 ary hoy izy hoe: "Izao gne ambaran'i Jefta: Tsy nalain'Israely gne tanin'i Moaba sy gne tanin'gne vahoakan'i Amona, 16 fa niakatry avy tagny Egypta indreo, ary Israely nandeha namakivaky gne efitra nandeha ame Ranomasina Mena sy tagny Kadesa. 17 Refa nandefa mpinday hafatry ho agny ame mpanjakan'i Edoma i Israely, nanao hoe: 'Miangavy re mba avelay iahay handalo eo ame taninareo,' da tsy niteno gne mpanjakan'i Edoma. Nandefa mpinday hafatry tagny ame mpanjakan'i Moaba evao koa indreo, fa nandà izy. Noho izany da nijano tao Kadesa i Israely. 18 Da nandeha tagny an'efitra indreo ary nivily an'gne tanin'i Edoma sy gne tanin'i Moaba, ka nandeha nagnaraky gne morony antsignanan'gne tany Moaba ary nitoby tao ame ilany ampitan'i Arnona. Fa tsy nandeha ame faritanin'i Moaba indreo, satria sisin-tanin'i Moaba i Arnona. 19 Ary Israely nandefa mpinday hafatry tagny amin'i Sihona, mpanjakan'gne Amorita, izay nanjaka tagny Hesbona; hoy Israely taminazy hoe: 'Miangavy, avelay iahay mba hiampita gne taninao mandeha ame toera izay anay.' 20 Kanefa tsy natoky an'Israely hiampita gne faritaniny i Sihona. Noho izany da nalagnon'i Sihona gne tafikiny agnaby ary nafindrany tagny Jahaza izany, ary tagny izy gne niady tamin'Israely. 21 Ary Yaveh, izay Andriamanitr'i Israely, nanolotry an'i Sihona sy gne vahoakany agnaby teo am-pelatanan'i Israely ka resiny indreo. Noho izany da nalain'Israely gne tanin'gne Amorita agnaby izay nipetraky tao amin'izany firenena izany. 22 Nalaindreo aby gne raha agnaby tao ame faritanin'gne Amorita, hatragny Arnona ka hatragny Jaboka, ary hatragny an'efitry ka hatragny Jordana. 23 Ary tafaran'izay Yaveh, gne Andriamanitr'Israely, da nandroaky gne Amorita teo agnatrehan'i Israely vahoakany, ka tokony hangala ho fanagna gne tanindreo moa enao androany? 24 Moa tsy hangala gne tany izay nomen'i Kemosy, andriamanitrinao ho anao moa enao? Noho izany ndre ino ndre ino tany omen'i Yaveh Andriamanintrisika antsika, da ho alaintsika. 25 Koa tsara noho i Balaka zanaka lahin'i Zipora, mpanjakan'i Moaba moa enao? Sahy niady hevitry tamin'Israely ve izy? Sahy nanangan'ady tamindreo ve izy? 26 Refa nidoboky tagnatiny gne telonjato tao tagny Hesbona sy gne zana-bohitriny i Israely, ary tagny Aroera sy gne zana-bohitriny, sy tagny amin'gne tanà agnaby izay egny amoron'i Arnona— koa nahoa enareo gne tsy ninday andreo nimpody tamin'izany fotoa izany? 27 Tsy nagnano ratsy anareo iaho, fa enareo kosa magnano ratsy ahy ame fanafiha anahy. Yaveh, gne mpitsara, gne hanapa-kevitry anio gne ame vahoakan'i Israely sy gne vahoakan'i Amona." 28 Nefa tsy niraharaha gne fampitandrema izay nalefan'i Jefta tagny aminazy gne mpanjakan'gne vahoakan'i Amona. 29 Avy teo avy tao amin'i Jefta gne Fanahin'i Yaveh, ka nandalo an'i Gileada sy Manase izy, da nandalo an'i Mizpa agny Gileada, ary avy ao Mizpa an'i Gileada izy da nandalo gne vahoakan'i Amona. 30 Nagnano voady tamin'i Yaveh i Jefta ary nagnano hoe: "Raha omenao fandrese eo ame vahoakan'i Amona aho, 31 da ndre ino ndre ino mivoaky gne varavaran'gne tragnoko mba hitsena anahy refa mipody am-piadagna avy agny ame vahoakan'i Amona iaho, da ho an'i Yaveh, ary hatolotriko ho fagnatitry doroa izany." 32 Ary da nandalo teo ame vahoakan'i Amona i Jefta mba hiady hanohitry andreo, ary nomen'i Yaveh anazy gne fandrese. 33 Nanafiky andreo izy ary nahatonga famonoa zakabe tao Aerora ka hatragny Minita—tanà roapolo—ka hatragny Abela-keramina. Ka da tao ambany fifehezan'gne vahoakan'Israely gne vahoakan'i Amona. 34 Tonga tao an-tragnony tagny Mizpa i Jefta, ary nivoaky avy tao gne zanany vavy mba hitsena anazy ame apongatapaka sy dihy. Izy raiky avao gne zanany, ary ankoatry anazy da tsy nana zanaky lahy na vavy izy. 35 Vantany vao hitany izy, da norotainy gne akanjony ary hoy izy hoe: "Indrisy! Ry zanako vavy! Nampangotsingitsihinao tame alahelo iaho, ary enao gne lasa mampijaly anahy! Satria nagnao fianiana tamin'i Jehivah iaho, da tsy afaky mipody ame fampagnantegnako." 36 Hoy izy taminay hoe: "Ry raiko, nagnano voady tamin'i Yaveh enao, ataovy aminaha gne raha agnaby nampagnantegnainao, satria efa namaly faty an'gne fahavalonao, da gne Amorita i Yaveh." 37 Hoy izy tamin-drainy hoe: "Aoka hazonina ho anahy izany fampagnantena izany. Avelao ho irery agnatiny gne roy vola iaho, mba hahafahako miala ka mandeha midigny amin'gne havoa ary hitomagny gne maha-virjiny ahy, iaho sy gne fangoraham-poko." 38 Hoy izy hoe: "Mandehana." Nalefany tagnatiny gne maha-virjiny anazy tagny ame havoa. 39 Refa tampitry gne roy vola da nipody tagny ame rainy izy, izay nagnano taminazy araky gne voady fampagnantena izay nanìny. Ary tsy mbola niara-nandry tame lehilahy izy, ka lasa fomba fanao isan-taona tao Israely 40 fa hamerina hitantara izany tantaran'gne zanakavavin'i Jefta gne Gileadita izany, agnatiny gne efatr'andro, gne zanakavavin'i Israely.